Liahona
Nanana zavatra tsara kokoa ho anay Andriamanitra
Septambra 2024


“Nanana zavatra tsara kokoa ho anay Andriamanitra,” Liahona, sep 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Nanana zavatra tsara kokoa ho anay Andriamanitra

Rehefa nampianatra ahy ireo misiônera fa zanak’ Andriamanitra aho, dia fantatro fa nanana fitahiana bebe kokoa nomanina ho ahy sy ny fianakaviako Izy.

sarin’ny mpanoratra mitarika amboarampeo

Sary avy tamin’ny mpanoratra

Lehibe tao amin’ny tanàna kely ambanivohitra iray any Filipina aho. Nahantra ny fianakaviako. Any Filipina, raha tsy manam-bola ianao dia tsy afaka mianatra. Na dia teo aza izany sakana izany, dia tovolahy nanam-paniriana mivaivay aho.

Nolazaiko tamin’ny ray aman-dreniko fa te ho lasa dokotera na mpampianatra na karazana matihanina aho, nefa nilaza tamiko foana izy ireo mba tsy hanonofy. Tsy nanam-bola hianarana any amin’ny oniversite izahay. Tian’ny ray aman-dreniko hianina sy tsy ho diso fanantenana amin’ny fiainako aho.

“Tsy natao ho antsika ny ho matihanina”, hoy izy ireo. Tsy nino izy ireo fa hisy zavatra tsara kokoa nomanina ho an’ny fianakavianay noho izay efa nanananay.

Saingy talohan’ny nidiranay tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany.

Lavitra ny tanàna izahay no nipetraka, nefa hitan’ny misiônera izahay ka niverina foana izy ireo. Nanao fanolorantena maro izy ireo mba hampianarana ny fianakaviako, nanova ny fiainanay mandrakizay anefa izy ireo.

Rehefa lasa mpikamban’ny Fiangonana izahay dia nianatra aho fa zanak’ Andriamanitra aho izay manana fahafahana hitombo sy hianatra ary ho tonga izay azoko ahatongavana (jereo ny Mosesy 1:39; “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Mediatheque de l’Evangile). Noho ny fahalalana ny filazantsara dia fantatro fa tonga ny fotoana hanandratana ny toerana misy ny fianakaviako. Tsy olona mahantra avy amin’ny tanàna kely iray intsony izahay—zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra mendrika izay mendrika ireo fitahiana nampanantenainy an’ireo mpanara-dia mahatoky Azy.

Nitondra ny filazantsara teo amin’ny fiainako ny misiônera, nitondra mozika teo amin’ny fiainako ny filazantsara, ary nampahazo vatsim-pianarana ho ahy hianarana any amin’ny oniversite ny mozika. Nahazo mari-pahaizana licence momba ny fampianarana ambaratonga faharoa aho ary avy eo dia nahazo mari-pahaizana momba ny mozika, ka nifantoka tamin’ny fitarihana mozika. Mampianatra mozika ao amin’ny Oniversite Liceo de Cagayan aho izao ary mitarika ny Liceo U High School Glee Club. Mitarika ny amboarampeo iray misy ireo mpikamban’ny Fiangonana koa aho. Ny asa nanirahana anay dia ny mizara ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mozika.

Nanome ahy fiainana vaovao ny nahazoako diplaoma tany amin’ny oniversite. Tsy fantatro hoe ho aiza aho anio raha tsy misy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Mendrika ny fahafahana hianatra, tahaka ny nataoko, ny tsirairay fa manana Ray any An-danitra izy ireo ary nomeny fahafahana hivoatra sy hianatra ary ho tonga izay azony ahatongavana.