“Russell M. Nelson: Mpaminany ho an’izao androntsika izao,” Liahona, sep. 2024.
Russell M. Nelson: Mpaminany ho an’izao androntsika izao
Tena vahoaka voatahy isika manana mpaminany mitarika antsika amin’izao andro farany izao.
Rehefa nanakiana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho “fiangonana tantanan’ny anti-panahy” ny mpanadinadina iray, dia namaly ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) hoe: “Tsy mahafinaritra ve ny manana lehilahy matotra eo amin’ny fiainana ho lohany, dia lehilahy mitsara izay tsy entin’ny rivotry ny fampianarana rehetra?”
Lehilahy toy izany ny Filoha Russell M. Nelson, ilay mpaminany velona tranainy indrindra nanompo tamin’ity fotoampitantanana ity. Mahavita ny faha-100 taonany amin’ny 9 septambra 2024 izy. Izy dia mpitarika manana fangoraham-po sy fihavanana miavaka, fahitana sy heriny, hafanana sy fahendrena.
Tiako ny Filoha Nelson. Efa 60 taona izahay no mpinamana ary 40 taona niaraka ho Apôstôly. Nanomboka tamin’ny janoary 2018 dia nahazo fitahiana aho nanompo teo ambany fitarihany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny Fiangonana.
Nantsoina hitarika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy ho mpampianatra ambony indrindra ao amin’izany, ny Filoha Nelson dia mahafantatra ny Mpamonjy, izay mpaminaniny izy. Nandritra ny taonjato niainany sy nianarany, dia niavaka tamin’ny asa matihanina sy fanompoana miaramila izy. Mpitarika fianakaviana be fitiavana sy mahomby izy amin’ny fianakaviany maro be. Mpitarika alain-tahaka izy ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny nandritra ireo antsony tato amin’ny Fiangonana, anisan’izany ireo enin-taona farany naha-mpaminanin’ny Tompo azy.
Nandritra ny taonjato iray niainany, Filoha Nelson dia nianatra sy nampihatra ireo fanalahidin’ny fahasambarana eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana ho avy—izay nantsoiny hoe “lesona manan-danja indrindra” eo amin’ny fiainana.”
Nampianatra antsika Izy fa tokony “manomboka miaraka amin’ny tanjona farany ao an-tsaina” isika.
Tiany ny tranon’ny Tompo. Nandritra ireo taona naha-Filohan’ny Fiangonana azy dia nanambara tempoly vaovao miisa 153 izy—eo amin’ny antsasany amin’ireo tempoly miisa 335 an’ny Fiangonana izay efa naorina, na eo an-dalam-panorenana, na efa nambara tamin’ity fotoampitantanana ity.
Nampianatra antsika Izy fa ny fanorenana ny tempolintsika rehetra dia mitondra ny tempoly sy ireo fitahian’ny fanekempihavanan’ny tempoly hanakaiky kokoa ny zanak’ Andriamanitra maro kokoa. Izany no drafitr’ Andriamanitra.
Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Nianatra aho fa ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika dia mahavariana, tena manan-danja ny zavatra ataontsika eto amin’ity fiainana ity, ary ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no mahatonga ny drafitry ny Raintsika ho azo tanterahina.” Ny fahatakarana izany drafitra izany, hoy izy, dia “manaisotra ny zava-miafina eo amin’ny fiainana sy ny tsy fahazoana antoka ny amin’ny hoavintsika. Izany dia mamela antsika tsirairay avy hisafidy ny fomba hiainantsika eto an-tany sy ny toerana hipetrahantsika mandrakizay.”
Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia vahoaka voatahy tokoa isika izay tarihin’ny Filoha Nelson, mpanompon’ny Tompo manetry tena, izay nanolo-tena hanomana izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany an’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, dia i Jesoa Kristy. Enga anie isika rehetra hanohy hivavaka, hijoro ho vavolombelona, hanohana, ary hisaotra an’ Andriamanitra noho ny mpaminanintsika—Ny Filoha Russell Marion Nelson.