“Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny mpaminany velontsika isika,” Liahônà, 2024.
Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny mpaminany velontsika isika
Misaotra Ray noho ny mpaminany.
Fantatro fa mpaminanin’ Andriamanitra ny Filoha Russell M. Nelson, ary feno fankasitrahana aho fa miresaka aminy Andriamanitra. Ny fitiavan’ny Filoha Nelson antsika dia iray amin’ireo fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra. Tiako ny Filoha Monson. Avy amin’ Andriamanitra ireo fampanantenana ambarany.
Justine Hinautan, Filipina.
Mampianatra ahy ny Filoha Nelson fa ny zava-dehibe indrindra amin’izao fotoana izao dia ny fisafidianana an’i Kristy amin’ny alalan’ny fankamamiana sy ny fanajana ireo fanekempihavanana.
Ryan Hulme, Nouvelle Zélande
Tena feno fankasitrahana aho noho ny mpaminany, Russell M. Nelson. Mijoro ho vavolombelona aho fa izy dia lehilahy nantsoin’ Andriamanitra hitarika sy hampatanjaka antsika amin’ny andro farany. Raha manaraka ny toroheviny isika, dia hilamina ny zava-drehetra.
Nelson Almeida, Cap Vert.
Misaotra anao avy amin’ny fonay indrindra, ry Filoha Nelson, noho ny nanomezanao teny fahendrena avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Hitahy anao Andriamanitra, ry mpaminany malalanay!
Brenda Boyle, Ecosse
Misaotra anao ry Filoha Nelson noho ny fampianaranao manentana fanahy sy mankahery. Tianay ianao.
Thuong Putheary, Cambodge
Feno fankasitrahana aho noho ny fitiavana sy ny hevi-baovao natolotry ny Filoha Nelson amin’ny maha mpaminany azy. Ny lahateniny momba ny tempoly dia nitarika ahy hahazo ny fanafiana masina, ny ny fampaherezam-panahy nataony ho an’ireo tanora olon-dehibe dia nampahatsiahy ahy ny hamantatra ny maha-zanak’ Andriamanitra ahy indrindra, ary ny famporisihany hanangona an’i Isiraely niely patrana dia lohahevitra tsy tapaka teo anivon’ny fianakaviako sy ny fiarahamonin’ny paroasiko. Ny tena zava-dehibe dia nanampy ahy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy ahy izy.
Grace Burt, Etazonia
Nisaintsaina lalina ny fampianaran’ny mpaminany malalantsika, Russell M. Nelson aho. Nanentana ny fiainako ny fampianarany. Ny teny ara-paminaniana nataony dia nanosika ahy hanohy handroso sy hiaina ny filazantsara amin’ny fomba feno kokoa eto amin’ity tontolo misavoritaka sy mifanditra ity. Mahatsiaro ho voaro tokoa aho mahafantatra fa manana mpaminany isika amin’izao androntsika izao izay mamporisika antsika hanana ny fanahin’ny fiadanana, mba hialana amin’ny fifandirana amin’ireo mitovy amintsika. Sarobidy amiko ireo fampianarany lehibe.
Ana Montoya, Honduras
Manana fijoroana ho vavolombelona mafy orina aho fa ny Filoha Russell M. Nelson dia mpaminanin’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Nanana tombontsoa aho nanatri-maso akaiky ny fanetren-tenany, ny fahatsorany, ary ny fitiavany ny olona. Izy tokoa no lehilahy voafidy hitarika ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany amin’izao fotoana tsy manam-paharoa izao. Nihaino sy nanaraka ny toroheviny aho, izay nitarika ahy hanana fiainana marina sy hiatrika ireo fanambin’ny fiainana an-tany. Mahatsapa fitiavana lehibe ho an’ny Filoha Nelson aho, ary fantatro ny fandraisany anjara miavaka amin’ny fampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy sy ny fanambarany momba ny fanorenana tempoly maneran-tany.
David G. Fernandes, Bresil
Tamin’ny 24 aogositra 2019, dia niteny tamin’ny teny espaniola ny mpaminany ary nanome toromarika anay momba ny fitandremana ny didin’ny Tompo. Tsapako mafy tokoa ny fitiavan’i Jesoa Kristy noho ny ezaka nataon’ny mpaminany tamin’ny fianarana ny fiteninay. Fantatro fa mamporisika, mampianatra, miaro, mitarika ary mitahy antsika Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminany velona.
Saúl Alfredo Rojas de León, Guatemala