Liahona
Reykjavík, Islande
Septambra 2024


“Reykjavík, Islande” Liahona, sept. 2024.

Tafaorina eto ny Fiangonana

Reykjavík, Islande

sarintanin’izao tontolo izao misy faribolana manodidina an’i Islande
sarin’ireo vato sy dobo any Islande

Tamin’ny taona 1851 no tonga tany Islande ireo misiônera voalohany an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Maro tamin’ireo mpikambana no nifindra monina nankany amin’ny firenena hafa tamin’ny taon-jato faha-20. Ankehitriny anefa dia mpikamban’ny Fiangonana maro ao Islande no avy amin’ny firenena samihafa, ary maro tamin’ireo teraka tao Islande no niverina nitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy nanampy ireo mpikambana vaovao hitarika ny Fiangonana. Na dia vitsy an’isa asa izy ireo dia fiaraha-monina tena mifanakaiky am-po. Ny Fiangonana any Islande dia ahitana:

  • Mpikambana miisa 380 (eo ho eo)

  • Sampana 4 (ahitana iray miteny espanola)

  • Ivon-toeran’ny FamilySearch 1

Fiaraha-monin’ny Olomasina

Mifampiantehitra ireo mpikambana any Islande. Rehefa nodimandry ny vadin’i Bettina Gudnason dia nahita fampiononana izy tao amin’ny fianakavian’Olomasina nanodidina azy: “Nanodidina ahy foana sy niaraka tamiko ireo mpikamban’ny Fiangonana. Fantatro ao am-poko fa mahafantatra ny zavatra rehetra mitranga manodidina antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mahafantatra ny anarantsika Izy Ireo.”

Bettina Gudnason