Liahona
Fahatsapana ara-panahy enti-mamorona
Septambra 2024


“Fahatsapana ara-panahy enti-mamorona,” Liahona, sept. 2024.

Fanehoana ny finoana

Fahatsapana ara-panahy enti-mamorona

Nitondra dikany lalina kokoa ho ahy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy rehefa nanao sary sokitra ny tantaran’i Abrahama sy Isaka aho.

lehilahy mitaingina seza misy kodiarana mijery sary sokitra

Sary nalain’i Christina Smith

Ny fandokoana sy ny fanaovana sary sokitra no fomba iray hanehoako ny fankasitrahako ny hakanton’ny tany. Amiko, ny zavakanto dia manomboka amin’ny fahatsapana ara-panahy enti-mamorona.

“Ilay zanaky ny fanekempihavanana”

Rehefa nisotro ronono ny namana iray ary niomana ny hifindra monina, dia nanao sanganasa iray ho azy aho nantsoina hoe Ilay zanaky ny fanekempihavanana. Sarivongan’i Abrahama nihazona an’i Isaka zazakely izy io. Nanomboka teo dia nanao andiana sary sokitra hafa ahitana an’i Abrahama sy Isaka aho. Ireo no tiako ary isan’ireo sanganasa manan-danja indrindra amiko.

lehilahy mitaingina seza misy kodiarana mijery sary sokitra

Ireo sary sokitra nataon’i Stephan Seable ahitana an’i Abrahama sy Isaka no tena tiany. Mampahatsiahy azy ny fitiavan’ny Ray ny Zanany Lahitokana izy ireo. Eo amin’ny farany havanana no misy ny sary sokitra ataony hoe Ilay zanaky ny fanekempihavanana.

Ny mahery vaika indrindra ho ahy dia ny amin’i Abrahama nampianatra ny zanany avy tamin’ny horonam-boky. Nihazona ny feny i Abrahama sady niandrandra niaraka tamin’ny endrika feno hirifiry sy fahatsapana avy amin’ny Tompo fa tsy maintsy manao sorona ny zanany lahitokana izy. Mamihina an’i Abrahama i Isaka, nefa tsy azony hoe nahoana ny rainy no tsy namaly azy.

sary sokitr’i Isaka namihina an’i Abrahama rainy

Ao amin’io sary sokitra nataon’ny Rahalahy Seable antsoina hoe Ento ny Zanakao, ny Zanakao Lahitokana io, dia nahazo fahatsapana avy amin’ny Tompo i Abrahama fa tsy maintsy manao sorona an’i Isaka zanany izy.

Ny sanganasa iray hafa an-dalam-panamboarana dia mampiseho ny fananganan’izy roa alitara iray. Nanontany i Isaka hoe aiza ny fanatitra, ary namaly i Abrahama fa ny Tompo no hanome. Nomena ondrilahy tao anaty kirihitrala i Abrahama, tao amin’ny sanganasa teo aloha, ary nolazaina fa tsy mila manao sorona ny zanany izy. Namihina an’i Isaka i Abrahama, ary nihazona azy mafy. (Jereo ny Genesisy 22:1–13.)

sary sokitra an’i Abrahama sy Isaka

Nofihinin’i Abrahama i Isaka tao amin’io sary sokitra nataon’i Rahalahy Seable antsoina hoe Taorian’ilay fitsapana.

Ny tena sarobidy amin’ity tantara ity dia ny hoe tandindon’ny sorona ny Zanak’ Andriamanitra izany. Ny Raintsika any An-danitra, izay tia ny Zanany Lahitokana, dia nisafidy ny hanao sorona Azy ihany koa saingy tsy nitsimbina Azy tamin’ny fotoana farany. Araka ny tenin’ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tsy nisy ondrilahy tao amin’ny kirihitrala tao Kalvary niaro Azy, ilay Sakaizan’i Abrahama sy Isaka” (“O, Divine Redeemer, ” Ensign, Nov. 1981, 8).

Fa ny Ray kosa dia namela ilay Zanaka nofidiny (jereo ny Mosesy 4:2) mba hanatanteraka ny Sorompanavotana ho antsika hahafahantsika rehetra miverina mody hiara-hiaina Aminy indray raha toa ka irintsika izany ary manana fiainana mendrika izany fitahiana izany isika (jereo ny Jaona 3:16–17).

Ny zavatra niainako dia milaza amiko fa Andriamanitra dia mandray anjara amin’ny fiainantsika. Misy isika mba “hahazoantsika fifaliana” (2 Nefia 2:25), kanefa mahazo traikefa isika amin’ireo zavatra iaretantsika. Na dia azo antoka aza fa mitranga ny zavatra tsara, dia misy ihany anefa ny “fifanoherana amin’ny zava-drehetra” (2 Nefia 2:11). Andriamanitra anefa dia eo ho antsika, ary afaka mandresy izay rehetra tokony ho resentsika isika, na inona na inona mitranga amintsika. Ho hitantsika fa afaka miatrika ny fitsapana mahazo antsika isika rehefa manohy miezaka mitia sy manompo ary lasa tia fiantrana bebe kokoa—tahaka ny Mpamonjy antsika.

Feno fankasitrahana aho noho ny filazantsara sy ny fianakaviako ary ireo olona mahafinaritra rehetra ato amin’ny Fiangonana. Na taiza na taiza nandehanako sy i Kathleen vadiko nanao asa fitoriana manerana an’izao tontolo izao dia nahita Olomasina izay mifankatia sy mifanompo, mitahy ary mahafoy tena ho an’ny tsirairay izahay. Tia antsika ny Ray any An-danitra ary zanany isika. Tsy misy zava-dehibe kokoa noho ny mahatoky Azy sy ny Zanany, izay mahatoky tokoa amintsika.

mpivady miara-mipetraka eo an-databatra

Na taiza na taiza Rahalahy Seable sy Kathleen vadiny no nanao asa fitoriana manerana an’izao tontolo izao, dia nahita Olomasin’ny Andro Farany “izay mifankatia sy mifanompo, mitahy ary mahafoy tena ho an’ny tsirairay” izy ireo.