“Ny garmentan’ny fisoronana masina,” Liahona, sept. 2024.
Ny garmentan’ny fisoronana masina
Tao anatin’ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly dia nomena fampahatsiahivana masina ara-batana ny fanekempihavanana nataontsika isika, izay tandindon’ny Mpamonjy mihitsy.
Na dia teo aza ny fiomanana izay tsy isalasalana fa nomena azy ireo sy ny fanomezan-toky izay nezahin’izy ireo hotsaroana, dia mety tsy maintsy ho fahatairana izaitsizy ho an’i Adama sy i Eva ny fandaozana ilay Saha Edena nanana endrika paradisa ka hiditra ao amin’ilay tontolo lavo.
Tao anatin’ny fahatsiarovan-tena lalina no nahatsapan’izy ireo ny dikan’izany hoe manakalo ilay fiainana milamina sy tsy misy ahiahy amina tontolo iray ahitana fanoherana sy hatsembohana, tsilo ary alahelo izay arahin’ny zavatra iray antsoina hoe fahafatesana amin’ny farany. Tsy afaka nahafantatra ny dikan’izany rehetra izany izy ireo tany am-boalohany, saingy vetivety dia nianatra izy ireo fa mety hitondra fahoriana vaovao ny andro tsirairay. Fa ny tena nanaintaina indrindra dia ny fahafantarana fa hiatrika izany rehetra izany tsy ho eo anilan’ny Rainy any An-danitra izy ireo fa “nosarahina hiala teo anatrehany,” araka ny zavatra noraketin’i Mosesy taty aoriana.
Na dia teo aza izany fisarahana sy fahatsapana ho manirery tao anatina tontolo mangatsiaka sy mahonena izany, dia tena tsy maintsy nitondra fampaherezana ho an’i Adama sy i Eva ny fahatsiarovana ity zavatra iray ity: nisy fampanantenana natao, izay zavatra masina sy mandrakizay antsoina hoe fanekempihavanana. Nampanantena izy ireo fa hankatò ny Ray mandritra ny androm-piainany rehetra, ary nampanantena Izy fa hanome Mpamonjy iray, izay hanamaivana ny fanaintainan’izy ireo sy ny alahelon’izy ireo, hanonitra ny fahadisoan’izy ireo, ary hitondra azy ireo hiverina soa aman-tsara eo anatrehany.
Saingy ahoana no hahatsiarovan’ireo olona mety maty ireo ny zavatra nampanantenain’izy ireo? Ahoana no hahatsiarovan’izy ireo lalandava ny toe-javatra mampidi-doza iainan’izy ireo, ka hahatsiaro izany foana andro aman’alina?!
Fampahatsiahivana ny fanekempihavanana nataon’izy ireo
Mba ho fampahatsiahivana izany dia nomeny “akanjo hoditra” izy ireo. Fanomezana lehibe erỳ izany ary tonga ara-potoana tokoa. Rehefa avy nihinana ilay voankazo voarara i Adama sy i Eva dia tonga saina saika teo no ho eo fa nitanjaka izy ireo. Niezaka nanarona ny fitanjahan’izy ireo tamin’ny alalan’ny ravin’aviavy izy ireo tamin’ny voalohany. Avy eo noho ny fahatahorana sao tsy ampy izany dia niezaka niafina ny Tompo izy ireo. (Izany ezaka adaladala izany dia porofo fa nisy fiantraikany ilay maha-mety maty!) Nanomboka tamin’izay fotoana izay ka hatramin’izao dia nanasa ireo zanany ny Ray be fitiavana mba hivoaka any amin’ny fiafenany ka hanatona Azy. Ary toy ny nanafiany tamin’ny akanjo hoditra tamin’izany sy ireo karazana akanjo isan-karazany nanomboka tamin’izany, dia tsy namela antsika hitanjaka Izy tao anatin’ny famindram-pony fa notafiny “akanjo fahamarinana” ny mpankatò, izay fampahatsiahivana ireo fampanantenana sy fanekempihavanana nataontsika. Tandindon’ilay fanomezana lehibe indrindra ireo “fitafiana famonjena” ireo, dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany.
Tandindon’ny Mpamonjy ny garmenta
Mazava ho azy fa izany fieritreretana rehetra momba an’i Adama sy i Eva sy ireo fanekempihavanana ary fitafiana izany dia mihoatra lavitra noho ny fitaizan-tsaina fotsiny ihany. Tsy sarotra ny maka sary an-tsaina ny zavatra tsapan’i Adama sy i Eva satria miatrika olana koa isika eto amin’ity tontolo lavo ity. Isika koa dia nosarahina tamin’ny fanatrehan’ Andriamanitra, ary mampanalavitra kokoa ny tenantsika isika isaky ny mandika lalàna. Tahaka an’i Adama sy i Eva, isika dia nomena io Mpamonjy io ihany, dia ilay Jesoa Kristy avy any Nazareta, ilay Alfa sy Omega, ilay Zanak’ Andriamanitra velona. Tahaka an’i Adama sy i Eva dia nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra isika. Ary tao anatin’ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly dia nomena fampahatsiahivana masina ara-batana an’ireo fanekempihavanana nataontsika ireo isika, izay tandindon’ny Mpamonjy mihitsy. Ao anatin’izao fotoampitantanana misy antsika izao dia antsoina hoe garmentan’ny fisoronana masina izany.
Anaovantsika ao ambanin’ny akanjontsika ety ivelany io garmenta io. Na inona na inona andraikitra ananako, na inona na inona andraikitra sahaniko eo amin’ny fiainana, na inona na inona adidy takin’ny fiainana andavanandro, dia ao ambanin’izany rehetra izany ireo fanekempihavanana nataoko, mandrakariva sy mandrakizay. Ao ambanin’izany rehetra izany ireo fampanantenana masina ireo izay hifikirako mafy. Ny garmenta dia tsy aderadera na asehoseho eo anoloan’izao tontolo izao, ary torak’izany koa ireo fanekempihavanana nataoko. Saingy tena hazoniko manakaiky ahy izy roa ireo, faran’izay akaiky vitako. Tena zavatra an’ny tena manokana izy ireo ary faran’izay masina.
Rehefa mahatsiaro ireo fanekempihavanana ireo isika, ireo fampanantenana ifanaovana ireo, dia manao ny garmenta mandritra ny fiainantsika isika. Io fomba fanao io dia taratry ny faniriantsika ny Mpamonjy mba ho hery mitarika tsy tapaka eo amin’ny fiainantsika. Ireo tandindona lalaina hafa dia mitranga ao anatina fotoana iray. Atao batisa indray mandeha isika eo amin’ny fiainantsika. Mandray ny fanasan’ny Tompo indray mandeha isan-kerinandro isika. Mandeha any amin’ny tempoly isika rehefa manome fahafahana hanaovana izany ny toe-javatra iainana. Saingy tsy mitovy amin’izany ny garmentan’ny fisoronana masina: hajaintsika isan’andro sy isan-kalina io tandindona io.
Ary izany no maha-fanekempihavanana ny fanekempihavanana, tsy ailika satria tsy mampahazo aina na tsy te hiraharaha izany ary tsy ovaina mba hifanaraka amin’ny fomba fihaingo sy ny lamaody eo amin’ny fiarahamonina. Ao anatin’ny fiainan’ny mpianatr’i Jesoa Kristy anankiray, dia tsy maintsy ovaina mba hifanaraka amin’ny fanekempihavanana nataontsika ireo fomban’izao tontolo izao fa tsy ny mifamadika amin’izany.
Rehefa manao ny garmenta isika, araka ny nampianarin’ny Fiadidiana Voalohany, dia mitafy tandindona masin’i Jesoa Kristy. Raha izay no zava-misy, nahoana isika no mitady hirika mba hanalana izany tandindona izany? Nahoana isika no hanakana ny tenantsika tsy hahazo ilay fampanantenana hery, fiarovana ary famindram-po izay ny garmenta no maneho izany? Mifanohitra amin’izany aza, tokony tsy ho andrintsika izay hamerenana hanaovana ny garmenta, faran’izay haingana, isaky ny tsy maintsy manala izany ao anatin’ny fotoana voafaritra iray isika, satria tsaroantsika ireo fampanantenana sy zavatra mampidi-doza izay mampisy lanjany ireo fanekempihavanana nataontsika. Ambonin’izany rehetra izany, dia mahatsiaro ilay hazofijaliana sy ilay fasan’i Kristy foana isika.
Mety hiteny ny sasany hoe: “Manana fomba hafa hahatsiarovana an’i Jesoa aho.” Ary dia hamaly aho hoe, mahafinaritra izany. Zara aza misy fomba maro kokoa. Ndeha isika hieritreritra fomba maro araka izay azontsika atao hitandremana ilay fanolorantenantsika mba “hahatsiaro Azy mandrakariva.” Kanefa rehefa manao izany, dia ho toy ny tsy fahamarinan-toetra ihany ny tsy firaharahiana amim-panahy iniana ilay mpampahatsiahy izay ny Tompo mihitsy no nanome izany ny olona nandray ny fanafiana masina, dia ny garmetan’ny fisoronana masina izany.
Faran’izay manan-danja amiko i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ireo fanantenako sy faniriako mandrakizay rehetra, sy ireo zavatra rehetra izay sarobidy amiko dia miankina Aminy. Izy no “vatolampin’ny famonjena ahy,” ilay lalana ahafahako mankany amin’ny Raiko any An-danitra, ilay hany lalana hiverenako any amin’izay nananako taloha sy iriko mba hananana indray amin’izao fotoana izao, sy ny zavatra maro dia maro hafa. Ilay fanomezana nomeny antsika no fanomezana feno fahalalahan-tanana indrindra noraisiko sy nomena ahy hatramin’izay, izay novidina toy ireny hoe tamin’ny alalan’ny fijaliana tsy manam-petra ireny, sy naely hatrany amina isa tsy tambo isaina, ary nomena tamin’ny alalan’ny fitiavana tsy misy fetra. Ireo tsilo sy hery, ny fanaintainana sy ny fahoriana, ny alahelo sy ny fahotana ato amin’ity tontolo lavo ity dia “voatelina ao amin’i Kristy” daholo.
Noho izany dia nanao ny garmentan’ny fisoronana masina aho, isan’andro sy isan-kalina araka ny tokony ho izy hatramin’ny nandraisako fanafiana masina tamin’ny 64 taona lasa, fony aho 19 taona, satria tiako Izy ary satria mila ireo fampanantenana izay asehon’izany aho.
Manana fanontaniana momba ny fanaovana garmenta ve ianao?
Ny sasany aminareo dia mety hamaky ity lahatsoratra ity miaraka amin’ny fanantenana fa hamaly fanontaniana manokana momba ny garmenta aho. Mety manantena ianareo mba handre hoe “Izao no lazain’ny Tompo,” na hoe “Izao no lazain’ny mpanompony” mihitsy aza, mikasika ny zavatra izay akaikin’ny fonareo. Ny fanontanianareo dia mety hiainga avy amin’ny toe-javatra iainana manokana izay mifandray amin’ny asa, na ny fanatanjahan-tena, na ny fidiovana, na ny toetrandro, na ny fahamaotinana, na ny trano fidiovana, na ny toe-pahasalamana mihitsy aza.
Ny sasany amin’ireo karazam-panontaniana ireo dia afaka ny ho hita ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org sy ny fizarana 38.5 ao amin’ny Boky torolalalana maneran-tany. Azo resahina mikasika ny toe-javatra iainan’ny tena manokana ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika azo itokisana. Misy torolalana tena mazava anefa izay omena mandritra ny ôrdônansy fiomanana, ary eo mandrakizay mandrakizay ny Rainao any An-danitra izay mahafantatra anao sy tia anao ary mahatakatra ny zavatra rehetra momba ny toe-javatra iainanao. Ho faly Izy raha mametraka manokana ireo fanontaniana ireo Aminy ianao.
Aoka ianao mba tsy ho diso fandray. Rehefa mitady fitarihana avy amin’ Andriamanitra ianao, ny Fanahy dia tsy hitaona anao hanao zavatra latsaka noho ny fanarahana ny torolalana noraisina tao amin’ny tempoly sy ny torohevitra ara-paminaniana izay nozarain’ny Fiadidiana Voalohany tao anatin’ilay fanambarana vao haingana nataon’izy ireo. Ilay Ray feno fitiavana dia tsy hanampy anao hanome rariny ny fanaovana zavatra latsaka noho ny azonao atao mba hanatrarana ny fenitra napetrany eo amin’ny fahafoizan-tena sy ny fahamaotinana izay hitahy anao amin’izao fotoana izao sy mandrakizay. Saingy moa ve takany ireo fanontanianao, ary moa ve hanampy anao handray ireo fitahiana avy amin’ny fanajana ny garmenta sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataonao Izy? Eny! Tokony hiresaka amin’ireo mpitsabo matihanina ara-pahasalamana ve ianao rehefa ilaina izany? Mazava ho azy! Tokony tsy hiraharaha ilay fahaizana mandanjalanja ve ianao, sa tokony hibanjina ny any ivelan’ny tanjona? Mivavaka aho mba tsy hanao izany ianao.
Tsy afaka mamaly ny fanontaniana rehetra anananao aho. Tsy afaka mamaly akory ny fanontaniana rehetra ananako aza aho. Saingy amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy dia afaka mampanantena anao ny fanampian’ilay Andriamanitra be fitiavana iray aho, izay mikatsaka ny hahazoanao ireo fahombiazana sy fitahiana rehetra, amin’ny fomba izay tsy takatry ny sainao sy tsy ho hitanao mialoha, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana nataonao Taminy ianao.