Liahona
Mitarika antsika any amin’i Jesoa Kristy ny mpaminany
Septambra 2024


“Mitarika antsika any amin’i Jesoa Kristy ny mpaminany”, Liahona, 2024.

Mitarika antsika any amin’i Jesoa Kristy ny mpaminany

Fantatry ny mpaminany ny lalana satria fantany i Jesoa Kristy, izay “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

sarin’ny Mpamonjy misy ondry ao ambadika

Seeking the One (Mitady ilay iray), nataon’i Liz Lemon Swindle, tsy azo adika

Indray andro aho dia nisakafo antoandro tao amin’ny trano fisakafoana tao amin’ny Tranon’ny Fitantanana ny Fiangonana niaraka tamin’ny telo tamin’ireo mpiara-miasa tamiko tao amin’ny Fitopololahy. Teo am-pisakafoana izahay dia tonga teo amin’ny latabatray ny Filoha Russell M. Nelson niaraka tamin’ny lasopy tao anaty lovia baolina ary niteny hoe: “Afaka hiaraka aminareo ve aho?”

“Mazava ho azy, filoha!” hoy izahay rehetra. Iza no tsy te hiara-misakafo amin’ny mpaminany?

Teo am-pisakafoana izahay dia nizara traikefa vitsivitsy azony tany amin’ireo firenena maro notsidihiny ny Filoha Nelson ary niresaka momba ireo olona izay nanentana azy. Tsara fanahy sy hendry ary malala-tanana izy.

Rehefa vita ny sakafo antoandro dia nitodika tany amin’ny Filoha Nelson aho ary niteny hoe: “Filoha, tsy fantatro raha hiara-mipetraka amin’ny latabatra aminao aho ato ho ato. Fa izao hariva izao, handeha ho any amin’ny vadiko sy ny zanako aho ary hilaza amin’izy ireo fa niara-nisakafo tamin’ny mpaminany aho. Fantatro fa hanontany ahy izy ireo hoe: ‘Inona no nasainy holazainao aminay?’ Filoha, inona no tianao holazaiko amin’ny vady aman-janako?”

Nijery ahy vetivety ny Filoha Nelson. Tena naniry mafy ny hihaino izay holazainy aho! “Teny telo ihany no ananako ho anao,” hoy izy. “Lazao amin’ny fianakavianao fa nilaza aho hoe: -Tandremo ireo didy.-”

Efa nandre izany torohevitra izany avy amin’ny Filoha Nelson avokoa isika rehetra, saingy tamin’izay fotoana izay dia nahatsapa fijoroana ho vavolombelona manokana sy matanjaka aho fa ny Filoha Nelson no tena mpaminany. Nisaotra azy aho, ary notantaraiko tamin’ny fianakaviako ny zava-nitranga tamin’io andro io. Taty aoriana dia nanao peta-drindrina hoe “Tandremo ireo Didy” ireo zanakay ary nametraka izany teo amin’ny vata fampangatsiahanay sy ny fitaratra mba hampahatsiahy anay ny zavatra nolazain’ny Filoha Nelson.

Nisaintsaina ny torohevitr’ny Filoha Nelson aho nanomboka teo. Rehefa mitandrina ireo didy isika dia maneho ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. Manakaiky kokoa Azy ireo isika ary mitoetra ao amin’ny fitiavany. (Jereo ny Jaona 14:21; 15:10.)

Io zavatra niainana niaraka tamin’ny mpaminany io dia nanamafy ho ahy fahamarinana lalina sy manan-danja ara-panahy iray. Mihira isika ao amin’ny Kilonga manao hoe: “Araho ny mpaminany; fa izy no mahalala izay ho aleha.” Izy tokoa no mahalala izay ho aleha! Fantatry ny mpaminany ny lalana satria fantany ny Mpamonjy, izay “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Rehefa manaraka ny mpaminany isika dia tarihina mankany amin’i Jesoa Kristy.

Ny andraikitra masin’ireo mpaminany

Nomen’ny Tompo anjara asa manan-danja sy masina ny mpaminany fahiny sy amin’izao androntsika izao. Mamaky isika ao amin’ny soratra masina fa “tsy manao na inona na inona tokoa ny Tompo Andriamanitra, raha tsy efa manambara ny tsiambaratelony amin’ny mpaminany mpanompony” (Dikantenin’i Joseph Smith, Amosa 3:7 [ao amin’ny Amosa 3:7, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy a]).

Mianatra bebe kokoa momba ny zavatra takina amin’ny mpaminany isika ao amin’ny bokin’i Ezekiela. Hoy ny Tompo tamin’i Ezekiela mpaminany, “Notendreko ho mpitily ho an’ny taranak’ Isiraely ianao; ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no entinao mananatra azy” (Ezekiela 33:7).

Ny mpaminany, toy ny mpiambina eo amin’ny tilikambo iray, dia manana andraikitra manokana ho mpitondra tenin’ny Tompo sy hanambara izay nambarany tamin’izy ireo. Mitaky ny mpaminaniny ny Tompo mba ho lehilahy manam-pinoana, lehilahy tsy mivadika ary lehilahy tsy matahotra.

sarin’i Samoela ilay Lamanita eo ambonin’ny manda

sarin’i Samoela ilay Lamanita nataon’i Dan Burr

I Samoela ilay Lamanita, ohatra, dia naneho ny fanoloran-tenany tanteraka tamin’i Jesoa Kristy rehefa nitsangana teo amin’ny manda iray izy ary nanambara tamin’ny Nefita ny zavatra izay napetraky ny Tompo tao am-pony (jereo ny Helamàna 13:4).

“Ary indro, ny anjelin’ny Tompo no efa nanambara izany tamiko,” hoy i Samoela, “ary izy dia nitondra vaovao mahafaly ho an’ny fanahiko. Ary indro, nirahina ho aty aminareo aho mba hanambara izany aminareo koa mba hahazoanareo manana vaovao mahafaly; nefa indro tsy te handray ahy ianareo ” (Helamàna 13:7).

Mahavariana ahy ny nijoroan’i Samoela tamim-pahasahiana ny amin’ny fahamarinana—na dia rehefa “nitora-bato azy teo amin’ny manda, ary … nandefa zanatsipika maro teny aminy” ny Nefita” (Helamàna 16:2). Hitantsika ao amin’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara izany fahasahiana izany ankehitriny.

Manao ny tontolo ho toerana tsaratsara kokoa

Vao tsy ela akory izay dia nihaona tamin’ny mpivady iray aho nandritra ny fihaonamben’ny tsatòka iray tany Nashville, Tennessee, Etazonia. Efa mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny androm-piainany ilay ramatoa. Tsy mpikambana ilay lehilahy.

Nanatona ahy izy ireo, ary hoy ilay rangahy: “Vonona ny hatao batisa aho.”

Faly aho nandre izany! Nanontany azy aho hoe: “Inona no niova?”

Hoy izy tamiko: “Rehefa nandre ny hafatry ny Filoha Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana aho dia tena nanohina ahy tokoa izany. Fantatro tamin’izay fa mpaminany izy. Nahazo fijoroana ho vavolombelona aho, ary vonona ny hatao batisa aho izao.”

Mahafantatra vehivavy iray any Cape Coast, Ghana ihany koa aho, izay nifantoka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana. Tsy mbola nandre momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy, saingy nanjary nifantoka tamin’ny zavatra hitany sy reny avy tamin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara izy. Nitady ny Fiangonana izy taorian’izay. Nahita trano fiangonana izy ary nihaona tamin’ireo misiônera. Natao batisa izy nony farany. Vao haingana izy no nandefa ny sariny tany amin’ny tempoly mba handray ny fanafiana masina.

Mampiseho ny herin’ny hafatry ny mpaminany ho an’izao tontolo izao ireo tranga roa ireo! Raha nihaino ny hafany ny rehetra, dia ho nilamina tokoa izao tontolo izao. Hifantoka amin’izay zava-dehibe indrindra isika rehetra, ao anatin’izany ny fampivelarana fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy, ary ny fananganana fianakaviana matanjaka sy mandrakizay. Ho tsara indrindra koa isika satria mitandrina ireo didy roa lehibe: ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny namantsika (jereo ny Matio 22:37–39). Hamoaka an’i Ziona isika, fiaraha-monina izay manjaka ny fitiavana sy ny fahamarinana ary ny firindrana, izay maneho ny fanahin’ny maha-mpianatra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:14).

Rehefa manaraka ny mpaminany isika dia afaka matoky fa manao izay tian’ Andriamanitra hataontsika isika satria ny mpaminany dia manaraka—ary manampy antsika hanaraka—i Jesoa Kristy. Noho ny amin’i Jesoa Kristy dia lasa misy dikany ny zava-drehetra eo amin’ny fiainana. “Afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.” Amin’ny fanarahana ny mpaminany dia tena afaka manao izao tontolo izao ho toerana tsara kokoa isika.

Mahita ireo fitahiana nampanantenaina

Rehefa noroahina niala tao Kirtland, Ohio ireo Olomasina, dia nankinin’ny Fiadidiana Voalohany an’i Oliver Granger ny hivarotra ny fananan’ny Olomasina sy handamina ny trosan’ny Fiangonana. I Oliver, lehilahy tsotra izay saika ho jamba tanteraka noho ny hatsiaka, dia nanaiky io asa sarotra io satria nangataka azy hanao izany ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa. Niaritra olana maro i Oliver, ary nanome lanja ny fahafoizan-tenany sy ny ezaka nataony ny Tompo.

“Mahatsiaro an’i Oliver Granger mpanompoko Aho,” hoy ny Tompo. “Indro, lazaiko aminy marina tokoa fa ny anarany dia hotanana ao amin’ny fahatsiarovana masina hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby, mandrakizay mandrakizay. …

“… Ary raha lavo izy dia mbola hiarina indray, satria ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany,” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:12–13).

Nanohana ny mpaminany i Oliver sy i Lydia vadiny, ary fantatry ny Tompo fa nanao izay tsara indrindra vitany i Oliver na dia tsy nahomby foana aza izy. Nasongadin’ny Tompo ny hasarobidin’ny ezaka nataony noho ny zava-bitany.

Tsy tsaroako naheno firy momba an’i Oliver Granger aho fony aho misiônera ary na dia amin’izao fotoana izao aza, saingy voatonona ao amin’ny soratra masina ny anarany satria nankatò ny fitarihan’ny mpaminany izy ary nandray ireo fitahiana nampanantenaina—ny anarany dia hotanana ao amin’ny fahatsiarovana. Mianatra avy amin’i Oliver Granger isika fa na dia avy amin’ny loharano masina aza ny fitarihana (amin’ny alalan’ny mpaminany), dia tsy miantoka ny lalana milamina tsy misy fanamby izany, fa azo antoka kosa ireo fampanantenana (jereo ny Almà 37:17).

Hanao ahoana ny fiainantsika raha tsy misy mpaminany? Ny mpaminany velona sy ny Filohan’ny Fiangonana dia maneho fifandraisana mivantana avy amin’ Andriamanitra mankamin’ny olony ary izy no hany olona eto an-tany izay mandray fanambarana hitarihana ny Fiangonana manontolo. Manome fanambarana mitohy avy amin’ Andriamanitra koa izy mba hanampiana antsika hamakivaky ireo fanamby amin’izao androntsika izao. Amin’ny alalan’ny fankatoavana ny torohevitry ny mpaminany dia afaka mahita fiadanana sy fifaliana ary fitarihana eo amin’ny fiainantsika isika rehefa miezaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6.)

Ndeha isika handray ny fampianarana sy ny ohatra nasehon’ireo mpaminany amin’izao andro izao, amin’ny fahafantarana fa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra izy ireo ary mitarika antsika mankany amin’ny fitahiana mandrakizay. Tiako izy ireo ary mivavaka ho azy ireo aho. Feno fankasitrahana aho mahafantatra fa izy ireo dia nentanim-panahy ary manampy amin’ny fitarihana antsika sy ny fianakaviantsika ho any amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Fanamarihana

  1. “Araho hatrany ny mpaminany,” Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59

  2. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023, 98–101.

  3. Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82.

  4. Boyd K. Packer, “The Least of These,” Liahona, nôv. 2004, 86.