“Feno fankasitrahana noho ny mpaminany,” Liahona, sept. 2024.
Ho an’ny ray aman-dreny
Feno fankasitrahana noho ny mpaminany
Ry ray aman-dreny malala,
Amin’ity volana ity dia mankalaza ny faha-100 taonany ny Filoha Russell M. Nelson. Ireo lahatsoratra ato amin’ity laharana ity dia manantitrantitra ny fomba ampitodihany sy ny nampitodihan’ireo mpaminany hafa antsika any amin’i Jesoa Kristy.
Fomba iray ahafahan’ny zatovo manaraka ny mpaminany ny famaliana ny fanasany hanatrika seminera tsy tapakasy hamaky ny soratra masina isan’andro. Nampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo izay manao izany izy, ka anisan’izany ny fianarana mandray fanambarana ho an’ny tena manokana, ny fitadiavana ny valin’ireo fanontaniana sarotra eo amin’ny fiainana, ary ny fahafantarana ny Mpamonjy. Efa nandre an’io fanasana nataon’ny mpaminany io ve ny zatovo zanakao? Tsidiho ny seminary.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa.
Fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara
Tsarovy ireo fanekempihavanana nataonao
Ao anatin’ny lahatsoratry ny Filoha Jeffrey R. Holland ao amin’ny pejy 4, dia mianatra isika fa ny fitandremantsika ny fanekempihavanana nataontsika sy ny fanaovana ny garmentan’ny fisoronana masina aorian’ny nandraisantsika ny fanafiana masina dia hanolotra fiarovana sy hampanakaiky antsika hatrany amin’ny Fanahy. Azonao zaraina amin’ny fianakavianao ny teny nindramina iray avy ao amin’ilay lahatsoratra ary resaho ny mahatonga ny garmenta ho “fanehoana ety ivelany ny fanolorantena ao anat[inao].” Inona avy ireo fanehoana ety ivelany hafa ataontsika mba hanehoana ny fanolorantenantsika ho mpianatra?
Tandremo ny didy
Nangataka hafatra manokana tamin’ny Filoha Nelson ho an’ny vadiny sy ny zanany ny Loholona Isaac K. Morrison. Ny valintenin’ny mpaminany dia hoe “Tandremo ny didy.” (Jereo ny pejy 20.) Azonao atao ny manontany ny zanakao hoe: Inona no mety ho maha samihafa ny safidy ataonao raha toa ka niara-nipetraka teo amin’ny latabatra iray niaraka taminao ny mpaminany ka nangataka anao hitandrina ny didy?
Araho ny mpaminany
Feno 100 taona ny Filoha Nelson amin’ity volana ity! Mizara lesona sasantsasany nianarany avy tamin’ny mpaminany ny Filoha Dallin H. Oaks (jereo ny pejy 12). Inona no nianaran’ny zanakao avy tamin’ny mpaminany? Nisy lahateny na fampaherezam-panahy manokana nisongadina tamin’izy ireo ve? Zarao ny hevitrao. Afaka mijery horonan-tsary misy hafatra avy aminy ianao.