“Mitondra fifaliana ny fibebahana!” Namana, Septambra 2024, 2–3.
Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany
Mitondra fifaliana ny fibebahana!
Nalaina avy amin’ny “Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana,” Liahona,, mey 2019, 91–94.
Fifaliana ny fibebahana. Ampahany manan-danja ao amin’ny drafitr’Andriamanitra izany. Mila mibebaka daholo isika.
Rehefa mibebaka dia tsy maintsy manomboka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy isika. Mila miala amin’ny fahotantsika isika ary mibaboka ny amin’izany. Midika izany fa manaiky isika fa nanao zavatra tsy mety, mifona amin’ireo izay noratraintsika, ary misafidy mba hanao safidy tsara kokoa. Tokony handray ny fanasan’ny Tompo koa isika isaky ny andro Sabata.
Rehefa mibebaka isika dia hadio. Nampanantena ny Tompo fa “tsy [hahatsiaro intsony ny fahotantsika]” Izy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42). Fampanantenana lehibe izany! Tena fahagagana izany! Tena fitahiana izany!
Manokatra ny sandriny, handray ny rehetra izay mibebaka sy manaraka Azy ilay Mpamonjintsika be fitiavana.
Madio indray
Ataovy ity sahanasa ity mba hanampy anao hianatra momba ny fibebahana!
-
Fenoy rano ny tavoara mangarahara iray. Asio vato sy vovoka ao anatin’ilay rano avy eo. Maneho ireo safidy ratsy nataontsika izany.
-
Mba hahatonga antsika ho madio indray dia mila mitsahatra amin’ny fanaovana ny tsy mety isika. Mba hanehoana izany dia esory ao anatin’ilay tavoara ireo vato. Manao ahoana ny endriky ny rano amin’izao? Mbola maloto ihany ve?
-
Mba hahafahana mibebaka tanteraka dia mila an’i Jesoa Kristy isika. Mila mino Azy sy ny Sorompanavotany isika. Tazony eo ambanin’ny raobine ilay tavoara. Avelao handeha ao anaty tavoara ilay rano madio mandra-pivoakan’ny rano maloto rehetra! Mampiseho ny herin’i Jesoa manampy antsika ho lasa madio izany.