“Inona no atao hoe Tempoly?” Namana, Septambra 2024, 46–47.
Ireo fototry ny filazantsara
Inona no atao hoe Tempoly?
Ny tempoly dia tranon’ Andriamanitra. Ny tempoly tsirairay dia tranobe iray manokana izay hitsaohantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Mivavaka, manao fanekempihavanana na fampanantenana masina amin’ny Ray any An-danitra ny olona ao anatin’izany. Manampy ireo izay efa maty amin’ny fanomezana azy ireo fahafahana handray izany fitahiana izany ihany koa isika.
Rehefa lehibe ianao dia afaka miditra ao koa!
Ny tempoly koa dia toerana ahafahana mamehy ny fianakaviana mba hiaraka mandrakizay.
Afaka mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra isika ao amin’ny tempoly.