Namana
Midera ny ekipa roa
Septambra 2024


“Midera ny ekipa roa,” Namana, Septambra 2024, 30–31.

Midera ny ekipa roa

Nikentrona i Jayne. Tsy tiany handresy ny ekipa hafa!

Tany Korea Atsimo no nitrangan’ity tantara ity.

Nihinana sombiny farany tamin’ny pâte sakafony i Jayne. Mmmm Matsiro ery!

“Andao hilalao Yut Nori!” Hoy i dadatoa Ji-Ho.

Tonga indray ilay fotoana isan-taona! Nankalaza ny Chuseok, izay andro fisaorana ho an’ny Koreana ny fianakaviana. Nivory hiara-hihinana sakafo maro sy hiara-hilalao Yut Nori ny fianakavian’i Jayne tamin’izany andro izany. Ny Yut Nori no kilalao tian’i Jayne indrindra.

Mipetraka manao faribolana eo amin’ny tany avokoa ny rehetra. Nijery ny manodidina i Jayne. Iza no ekipa tiany hiarahana? Nisisika nipetraka teo akaikin’i dadatoa Ji-Ho izy. “Te ho isan’ny ekipanao aho,” hoy izy. “Isika no ho mpandresy!”

Nihomehy i dadatoa Ji-Ho. “Azonay antoka fa ho tsara vintana isika satria misy anao ao anatin’ny ekipantsika!”

Novelarin’ny renin’i Jayne teo ampovoan’ny faribolana ny kilalao lalaovina eo amin’ny baoritra. Nanampy azy nizara ireo fitaovana hilalaovana i Jayne. Natolony ny ekipa tokony handeha voalohany ireo hazo kely efatra.

I Ana izay zanaky ny iray tampo amin’ny renin’i Jayne no nandeha voalohany. Natsipiny ambony ireo hazo kely. Ny endriky ny fitonton’ny hazo kely no mampiseho ny isan’ny faritra azon’ilay ekipa andalovana eo amin’ilay baoritra. Samy nihohoka avokoa ny hazo kely efatra, izany hoe nahazo Yut i Ana! Afaka nampandroso ilay fitaovana filalaovana an’ny ekipany izy ka nampadalovina faritra miisa efatra izany ary mbola afaka nilalao fanindroany izy.

Tsy tao anatin’ny ekipan’i Jayne anefa i Ana.

Nampifanindry tanana sy nikentrona i Jayne. “Nanantena aho hoe ho ratsy ny fomba fanipazany,” hoy izy nibitsibitsika tamin’i dadatoa Ji-Ho.

“Aza kivy!” Hoy i dadatoa Ji-Ho. “Vao manomboka ny lalao.” Notolorany tsiky nifono fampaherezana izy.

Taorian’ny nilalaovan’i Ana fanindroany dia nanipy ireo hazo kely ny ekipan’i Jayne. Saingy tsy nahavita nampandroso ireo fitaovana filalaovany nihoatra lavitra ny an’ny ekipan’i Ana izy ireo.

Isaky ny fihodinana tsirairay dia nitehaka sy nihomehy ny fianakavian’i Jayne. Nijery ireo fitaovana filalaovana nihodinkodina teo amin’ny baoritra filalaovana i Jayne. Samy faly daholo ny rehetra.

Sary
Fianakaviana milalao kilalao iray

Ny rehetra afa-tsy i Jayne. Mbola resy foana ny ekipany.

Tonga ny anjaran’i Jayne tamin’ny farany. Natsipiny ambony ireo hazo kely, saingy anankiray ihany no nihohoka. Indray mandeha nandroso fotsiny ilay fitaovana filalaovan’i ekipany.

Nampifanindrian’i Jayne ny tanany. “Tsy hanao intsony aho!” hoy izy nihiakiaka. “Tiako handresy isika.”

Nangina tampoka teo ny rehetra. Rehefa nitraka izy dia nijery azy ny fianakaviany. Toy ny gaga izy ireo noho izy tezitra mafy.

Boramena i Jayne. Nahatsapa ho menatra izy satria tsy faly tamin’ny fianakaviany. Tsy mba tezitra mafy tahaka izany izy raha ny mahazatra. Nitsangana izy mba hiala tao amin’ilay faribolana.

Natolon’i dadatoa Ji-Ho ny tanany iray. “Tsy tokony handeha ianao,” hoy izy. “Tsy ny fandresena no zava-dehibe indrindra. Miezaha fotsiny miala voly.”

“ENY ARY.” Niverina nipetraka i Jayne. Naniry ny hiala voly tahaka ny rehetra izy. Nifoka rivotra lalina izy ary nijery an’i Ben, zanaky ny iray tampo amin’ny reniny, nanipy ireo hazo kely.

“Mety tsara ry Ben a!” Hoy i dadatoa Ji-Ho. Toa faly ny fahenoana azy.

Nivandravandra an’i dadatoa Ji-Ho i Jayne. Nidera ny ekipa ankilany izy! Izany angamba no antony tena nahazoany fahafinaretana.

Rehefa nanomboka ny fihodinana manaraka dia nanapa-kevitra i Jayne fa hidera ny rehetra ao anatin’ny ekipa roa tonta. Marina ny an’i dadatoa Ji-Ho. Tsy ny fandresena no zava-dehibe indrindra. Afaka nanampy azy hifaly ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviany i Jesoa na dia tsy nandresy aza izy.

Rehefa tonga indray ny anjaran’i Ana, dia nitsiky taminy i Jayne. “Mirary soa! Vitanao io.”

Nitsiky taminy ihany koa i Ana tery ampitan’ny faribolana. Nahatsapa hafanana tao anatiny i Jayne. Nahita fahafinaretana bebe kokoa sahady izy!

Sary
PDF

Sary nataon’i Uran Duo

Hamoaka printy