Namana
Ilay loza nateraky ny zana-tsipika
Septambra 2024


“Ilay loza nateraky ny zana-tsipika,” Namana, Septambra 2024, 4–5.

Ilay loza nateraky ny zana-tsipika

Nanana fahasahiana hilaza ny marina ve i Daniel?

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Nosokafan’i Daniel ny saron’ny boaty efa tranainy izay an’i Dadabe, izay nisy kilalao ary nojereny ny tao anatin’izany. Nitangorona nanodidina mba hijery ireo zanaky mpiray tampo tamin’ny reniny. Tian’izy ireo ny miara-milalao any an-tranon’ny dadabeny.

Feno kilalao nolalaovin’ny renin’i Daniel sy ny nenitoany tamin’ny fahazazan’izy ireo tao anatin’izany.

“Inona ireto?” Nanondro zana-tsipika tranainy mangirana miisa enina i Noah zanaky ny iray tampo amin’ny renin’i Daniel. Maranitra sy misy saina miloko ny lohany. Menamena ny sasany ary mavomavo ny sasany.

Noraisin’i Daniela ny anankiray. “Notenenin’ny reniko ahy ny momba ireto,” hoy izy. “Asio harato fampidirana baolina basket eo amin’ny bozaka any ivelany. Avy eo dia mifandimby manipy izany ambony ianareo ary miezaka mampiditra izany ao amin’ilay harato.”

“Tsara be izany!” hoy i Noah. Efa nihazakazaka sahady nakany an-tokotany izy handamina ilay kilalao.

Vetivety teo dia nanipy ambony ireo zana-tsipika vy manerana ny tokotanin’i Dadabe i Daniela sy ireo zanaky ny iray tampo amin’ny reniny. Tian’i Daniela ny mahita ireo zana-tsipika mitontona mafy sy mitsatoka eo amin’ny bozaka.

“Jereo fa vitako ny manipy ny ahy ambony noho ny anareo rehetra,” hoy i Lily, zanaky ny iray tampo amin’ny renin’i Daniel.

Nihomehy ny ankizy ary nanipy ny zana-tsipika ambonimbony kokoa hatrany.

Nahita hevitra avy eo i Daniel. “Jereo fa vitako ny manipy ny ahy avy ery ampitan’ny arabe dia milatsaka ao anaty harato!” hoy izy. Niampita ny arabe izy ary nanipy mafy ilay zana-tsipika.

Nanidina ambony ilay zana-tsipika saingy tsy nitontona teo amin’ny bozaka izany. Nitontona teo amin’ilay fiara vaovaon’i nenitoa Robilyn kosa izany ka nanao hoe DODODO

Sary
Ankizilahy mitoraka zana-tsipika eny amin’ny fiara

“Oay!” hoy i Noah nihiaka.

Noraisin’i Daniel ny zana-tsipika. Nilempona be teo amin’ny faritra nianjeran’izany teo amin’ny fiara.

Nifampijery ny ankizy sady natahotra. Avy eo dia tsy niteniteny izy ireo fa navelan’izy ireo teo amin’ny bozaka ireo zana-tsipika ary nihazakazaka niditra izy ireo.

Ny harivan’io dia samy namonjy ny fiarany ny rehetra handeha hody. Tsikaritry ny nenitoan’i Daniel ilay pempo teo amin’ny fiarany. “Fa inona no nitranga?” hoy izy nanontany.

Narary ny kibon’i Daniela. Kanefa tsy niteny na inona na inona izy. Niditra ny fiara fotsiny izy ary nanao veloma ireo zanaky ny iray tampo amin’ny reniny.

Nipetraka mangina tao amin’ny seza tao aoriana i Daniel teny an-dalana hody. Niezaka namaky ny bokiny izy. Kanefa tsy afaka nampifantoka ny sainy izy. Tsy nahazo aina izy noho ny zavatra nitranga. Fantany fa ny milaza ny marina no zavatra tsara tokony hatao. Kanefa tena sarotra aminy ny hilaza ny marina! Ho tezitra mafy aminy ny ray aman-dreniny. Na ny nenitoany koa aza.

Tsaroan’i Daniel avy eo ilay olona be herim-po tiany indrindra ao amin’ny soratra masina. Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela tao amin’ny Testamenta Taloha noho ny safidiny hanao ny marina. Feno fahasahiana izy. Mety ho afaka haneho fahasahiana ihany koa i Daniela.

“Neny ô!” Hoy i Daniel. “Natsipiko ilay zana-tsipika ka nahavoa ny fiaran’i nenitoa Robilyn izay no nahatonga ilay pempo. Fahadisoako no nahatonga izany.”

Nijery azy tamin’ny fitaratra fijerena ny ao aoriana ny reniny. Tsy tezitra mafy araka ny nieritreretin’i Daniela azy izy. “Misaotra nilaza tamiko ny marina,” hoy izy.

Sary
Ankizilahy iray sy ny reniny ao anaty fiara

Nifoka rivotra lalina i Daniela. “Afaka miantso an’i nenitoa Robilyn ve aho rehefa tonga any an-trano isika?” hoy izy. “Te hiala tsiny aminy aho. Hiasa mafy aho mba hahazoako ny vola rehetra ilaina hanamboarana ny fiarany.”

Nitsiky i Neny. “Hevitra tena tsara izany!”

Nanjavona ilay tsy fahazoana aina tao anatiny ary nahatsapa fiadanana i Daniela. Nanana fahasahiana hilaza ny marina izy. Noho i Jesoa Kristy dia afaka nibebaka sy namerina ny zavatra amin’ny laoniny izy.

Sary
Lahatsoratra solon-tsary

Sary nataon’i Josh Talbot

Hamoaka printy