Namana
Ilay boatin’ny fanahiana
Septambra 2024


“Ilay boatin’ny fanahiana,” Namana, Septambra 2024, 36–37.

Ilay boatin’ny fanahiana

Nieritreritra be loatra momba ny fanahiany i Olivia.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Nihazakazaka nivoaka ny fianarana i Olivia, raha mbola tsy tonga akory ny ora firavana. Niezaka tsy nijery na iza na iza izy.

Androany ny andro voalohany hitsaboana an’i Olivia. Nohazavain’ny reniny azy fa hihaona amin’ny dokotera izy izay afaka hanampy azy hiatrika ny fanahiany. Niaina fanahiana mafy i Olivia. Manahy mafy loatra izy indraindray ka mahatonga azy ho tsy mahita tory na tsy afaka miara-mifaly amin’ny namany.

Niditra tao anaty fiara niaraka tamin’ny reniny i Olivia ary nivokoka teo amin’ny sezany.

“Ao tsara ve ianao?” Hoy i Neny nanontany.

Tsy namaly avy hatrany i Olivia. “Nahoana no tsy maintsy mankany amin’ny dokotera aho?”

Novelomin’i Neny ny fiara. “Omen’ny Ray any An-danitra dokotera isika mba hanampy antsika. Tahaka ny hanomezany antsika zavatra hafa manampy antsika, toy ny namana sy ny soratra masina. Tsaroanao ve ilay rojon-tsoratra masina nataontsika?”

Nanaiky i Olivia. Nanampy azy mba hitady ireo andinin-tsoratra masina izay nanampy azy amin’ny fanahiany i Neny. Nosoratan’i Neny teo akaikin’ny soratra masina tsirairay ny ahitana ny andininy manaraka. Rehefa mahatsapa fanahiana i Olivia amin’ny alina dia manonona vavaka ary mitady iray amin’ireo andininy ao amin’ny soratra masina. Avy eo dia mamaky ireo andininy hafa ao amin’ilay rojon-tsoratra masina izy mandra-pahatongan’ny torimasony.

Rehefa niditra tao amin’ny biraon’ny dokotera i Olivia sy i Neny dia nampahafantatra ny tenany i Dokotera Posy. Nanontany mikasika ireo zavatra tsapan’i Olivia izy. Nitantara fohifohy mikasika ny fanahiana mianjady aminy i Olivia.

“Maro ny olona tratran’ny atao hoe fitebitebena,” hoy i Dokotera Posy. “Miaina fanahiana lalina tahaka anao izy ireo. Kanefa misy zavatra azonao atao hanampiana anao tsy dia hanahy be loatra. Afaka manandrana ny iray amin’izany miaraka amiko ve ianao?”

Niondrika nijery ny kirarony i Olivia ary nanaiky.

Nomen’i Dokotera Posy boaty kely i Olivia. “Ity ny boatin’ny fanahiana. Mitahiry tsara ny fanahiantsika ity boaty ity ka tsy tokony hieritreritra momba izany isika.”

Sary
Olivia sy Dokotera Posy

Namadibadika ilay boaty teny an-tanany i Olivia. Tsy nanana endrika miavaka izany.

“Raha mahatsapa tahotra ianao amin’ny manaraka dia soraty amin’ny taratasy kely izany ary ataovy ao anatin’ny boaty,” hoy i Dokotera Posy. “Dia misafidiana fotoana hanokafana ilay boaty isan’andro mba ho fotoana hanahiana izany. Raha misy zavatra mampanahy anao alohan’ny fotoana hanahiana dia mitena hoe, ─tsy mila mieritreritra momba izany aho aloha izao.─”

“Eny ary,” hoy i Olivia. I Dokotera Posy dia nanampy azy hanoratra ireo fanahiany lehibe indrindra ary dia nataon’i Olivia tao anaty boaty izany.

Niverina tao an-tsain’i Olivia ny iray tamin’ireo fanahiany ny harivan’io. Efa ao anatin’ny boatin’ny fanahiana izany, hoy izy. Amin’ny manaraka aho manahy ny amin’izany. Niezaka tsy hieritreritra ny momba izany izy. Naleony nilalao niaraka tamin’ny anadahiny.

Rehefa tonga ny ora fatoriana dia nikorontana ny sain’i Olivia. Amin’ny alina no tena mianjady mafy aminy ny fanahiana. Napetrany teo akaikin’ny fandriany ny boatin’ny fanahiana sy ny soratra masina ary niantso an’i Neny izy.

“Ahoana raha tsy mahomby ity?” hoy izy nanontany.

Nofihinin’i Neny izy. “Dia manohy manandrana isika. Hanampy anao hahita fomba hafa izay manampy ny Ray any An-danitra.”

Nanaiky i Olivia. “Tsara soratako ao amin’ny boatin’ny fanahiana ihany koa angamba izany.”

“Tena hevitra tsara!” hoy i Neny. Niara-nivavaka tamin’i Olivia izy. Nampitony kokoa an’i Olivia izany.

Sary
I Olivia sy ilay boatin’ny fanahiana

Fotoana fohy taorian’ny namonoan’i Neny ny jiro dia nisy fanahiana tonga tao an-tsain’i Olivia. Narehiny ny jiro. Nosoratany ilay zavatra mampanahy azy ary dia nataony tao anatin’ny boaty mba hiverenana ao aorianao ao. Namerina nivavaka izy mba hampaherezan’ny Ray any An-danitra azy.

Sary
I Olivia miaraka amin’ny soratra masina

Nosokafany avy eo ny soratra masina ary nitady andininy iray nasongadina avy tao amin’ilay rojon-tsoratra masiny izy. Ny voalohany hitany tamin’izany dia ny Isaia 41:10. Izao no nolazain’izany: “Aza matahotra, fa momba anao Aho.”

Ny andininy manaraka nosoratan’i Neny tao dia ny “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.” Nitady izany soratra masina izany i Olivia ary namaky izany tamin’ny feo mafy. “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.”

Nahatsapa fiadanana i Olivia. Fantany fa mbola hieritreritra zavatra mampanahy maro hafa izy. Kanefa nanome zavatra maro mba hanampy azy hilamin-tsaina kokoa ny Ray any An-danitra. Namaly ny vavaka nataony Izy. Ary tena nanampy tokoa izany!

Sary
PDF

Sary nataon’i Jennifer Naalchigar

Hamoaka printy