Namana
Pensilihazo very ka hita indray
Septambra 2024


“Pensilihazo very ka hita indray,” Namana, Septambra 2024, 14–15.

Pensilihazo very ka hita indray

Tany Brezila no nitrangan’ity tantara ity.

Ankizivavy iray eo amin’ny lalantsaran’ny sekoly
Boaty feno pensilihazo maro loko

Ny harivan’io andro io …

Ankizivavy iray miresaka amin’ny reniny

Tsara tarehy ireto pensilihazo maro loko ireto! Tsy mbola hitako izy ireto teo aloha.

Ankizivavy niahiahy

Hitanao, … teo an-dalantsaran’ny sekoly no nahitako azy ireto.

Ankizivavy iray sy ny reniny

Ahoana ny ho fihetseham-ponao raha anao ireto pensilihazo ireto ary very izy ireo?

Malahelo.

Ankizivavy iray miresaka amin’ny reniny

Na iza na iza tompon’izy ireo dia azo inoana fa mitady izany izy. Ahoana no ahafahanao manampy mba hamerenana azy ireo?

Angamba azoko apetraka ao amin’ny vata fasiana zavatra very ka hita indray any an-tsekoly izy ireo!

Ny ampitson’io …

Boatina pensilihazo miaraka amin’ny hafatra fohy eo aminy

Hitako ny boatina pensilihazonao ary nataoko ao anatin’ny vata fasiana zavatra very ka hita indray izany. Manantena aho fa hiverina aminao izany. Tena tsara tarehy ireo pensilihazo ireo!

Avy aminʼi,

Rafaela

Ankizivavy falifaly

Manantena aho fa ho hitan’ny izay tompony ireo pensilihazo ireo!

PDF

Sary nataon’i Audrey Day