Namana
Tafatafa niarahana tamin’i Teancum mikasika ny soratra masina
Septambra 2024


“Tafatafa niarahana tamin’i Teancum mikasika ny soratra masina,” Namana, Septambra 2024, 40–41.

Tafatafa niarahana tamin’i Teancum mikasika ny soratra masina

Avy any Fidji i Teancum. Nametrahanay fanontaniana vitsivitsy momba ny fomba fianarany zavatra avy amin’ny Bokin’i Môrmôna izy.

Lazao aminay ny mombamomba anao.

Teancum

Sivy taona aho ary izaho no zandriny indrindra aminay enina mianadahy. Mena ny loko tiako indrindra ary akoho andrahoina amin’ny cari ary ampiarahina amin’ny vary no sakafo tiako indrindra. Tiako ny baolina lavalava! Ny anarako no zavatra iray mampiavaka ahy. Nalaina avy tamin’ny anaran’ny miaramila iray tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fanampin’anarako, ny fanampin’anarako faharoa dia avy amin’ny dadatoako Nizeriana, ary ny anarako dia avy amin’ny fiteny aty Fidji.

ankizilahy milalao baolina lavalava
akoho nandrahoina tamin’ny cari sy vary

Inona no manampy anao hianatra zavatra avy amin’ny soratra masina?

Fianakaviana mamaky soratra masina

Tiako ny mamaky soratra masina miaraka amin’ny fianakaviako. Miara-mandalina ny lesona ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy izahay. Tiako ny mianatra tantara vaovao isan-kerinandro. Miresaka momba izay nianaranay izahay ary mifampizara ny fijoroana vavolombelona anananay. Rehefa mamaky ny soratra masina aho dia tiako koa ny maka sary an-tsaina ny tenako ho toy ny ao anatin’ilay tantara.

Ahoana no nanampian’ny soratra masina anao?

Ankizilahy mivavaka

Mampatsiahy ahy mba hanana fahasahiana sy ho be herim-po ary hivavaka mba hahazo fampaherezana ny soratra masina. Isaky ny matahotra na mahatsiaro ho irery aho dia fantatro fa hampahery ahy mandrakariva ny Fanahy Masina.

Inona ny tantara tianao indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna?

I Teankoma ao amin’ny soratra masina

Ny tantaran’i Teankoma no tiako indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna satria mpitarika sy miaramila nanana ny maha-izy azy izy. Niady ho an’ny fianakaviany, ny namany ary ny Fiangonana izy. Fantatro fa afaka ny ho toa azy koa aho ary hiaro hatrany izay tiako indrindra.

Inona no torohevitra homenao ny olona manana fahasahiranana eo amin’ny fahatakarana ny soratra masina?

Raha misy olona sahirana mianatra zavatra avy amin’ny soratra masina dia afaka manontany ny reniny, na ny rainy, eny fa na ny iray tampo aminy koa aza izy ireo. Tena manampy ahy ny fianakaviako. Afaka manontany mpampianatra iray na mpitarika iray ao amin’ny Kilonga ao amin’ny fiangonana koa ianao!

PDF

Sary nataon’i Augusto Zambonato