Namana
Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy
Septambra 2024


“Sahanasa momba ny Avia, hanaraka ahy,” Namana, Septambra 2024, 28–29.

Avia, hanaraka Ahy Sahanasa

Ho an’ny takarivan’ny mpianakavy na fandalinana ny soratra masina, na atao fialamboly fotsiny!

26 aogositra–1 septambra

Fototra mafy orina

Ho an’ny Helamàna 1–6

Sary
A bird feeder on a rock and knocked down.

Nampianatra ny zanany hanorina ny fiainan’izy ireo eo amin’ny fototra mafy orin’i Jesoa Kristy i Helamàna (jereo ao amin’ny Helamàna 5:12). Eo amin’ny fototra no anorenana zavatra iray. Ny fototra mafy orina no mahatonga ny tranobe iray manontolo ho matanjaka, eny fa na dia mandalo tafio-drivotra aza. Manangàna tilikambo roa, ka ny iray eo amina fototra mafy orina ary ny iray eo amina fototra malemy. Iza amin’ireo tilikambo ireo no mafy orina kokoa? Ahoana no ahafahantsika manorina ny fiainantsika eo amin’i Jesoa Kristy?

2–8 septambra

Fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy

Ho an’ny Helamàna 7–12

Sary
A girl reads something to a boy sitting on a couch.

Betsaka ny olona ao amin’ny soratra masina no nampianatra sy nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ao amin’ny Helamàna 8:16–20). Afaka manomboka manorina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Azy koa ianao! Ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona dia ny zavatra izay inoanao na fantatrao fa marina mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Soraty ny fijoroana ho vavolombelona anananao ary manaova fanazaran-tena mizara izany amin’ny fianakavianao na ny namanao.

9–15 septambra

I Samoela mihanika ny manda

Ho an’ny Helamàna 13–16

Sary
A boy and a girl cutting out and creating crafts.

I Samoela dia mpaminany iray nampianatra momba an’i Jesoa Kristy teny an-tampon’ny manda irain’ny tanàna (jereo ao amin’ny Helamàna 13:4). Mandehana any amin’ny pejy 12 ary ataovy ilay asa tanana mba hanampy anao hitantara ny tantaran’i Samoela.

16–22 septambra

Kilalao fanangonana

Ho an’ny 3 Nefia 1–7

Sary
Children playing a game, one of them has a hand raised.

Nampanantena i Jesoa Kristy fa hanangona ny zanany rehetra satria tia ny olon-drehetra Izy ary tiany hanana ny filazantsara avokoa izy ireo (Jereo ny 3 Nefia 5:24). Ataovy ny kilalao fanangonana. Asaivo mijoro manao faribolana ireo mpilalao. Misy olona iray eo afovoany milaza zavatra iray momba ny tenany, tahaka ny loko tiany indrindra ohatra. Raha marina koa izany zavatra izany ho an’ny olona hafa dia mankeo afovoany koa izy ireo. Tohizo hatrany izany mandra-pahatongan’ny rehetra eo afovoany.

23–29 septambra

I Jesoa no Fahazavana

Ho an’ny 3 Nefia 8–11

Sary
A boy drawing at a table.

I Jesoa Kristy no “fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao” (3 Nefia 9:18). Mijere masoandro mody na masoandro miposaka miaraka amin’ny fianakavianao. Ary ataovy sary ny zavatra hitanao avy eo. Eo am-panaovana ilay sary dia resaho ireo antony hitiavanao an’i Jesoa Kristy sy ny fomba hitondrany fahazavana ho anao.

Sary
PDF

Sary nataon’i Katy Dockrill

Hamoaka printy