Namana
Ilay tetikasa siantifika
Septambra 2024


“Ilay tetikasa siantifika,” Namana, Septambra 2024, 18–19.

Ilay tetikasa siantifika

“Tian’ny Ray any An-danitra hiezaka hatrany isika.”

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Ankizilahy milalao fasika

Nandraraka kaopy feno fasika iray indray tao anatin’ny sininy i Bradley. Nila betsaka tamin’izany izy!

Efa nanakaiky ilay fampirantiana mahakasika ny siansa any am-pianarany. Namorona maodely iray mampiseho ny fomba fitrangan’ny tsunami i Bradley. Nianatra izy fa ny tsunami dia onjan-dranomasina goavana ateraky ny horohoron-tany avy any an-dranomasimbe. Tiany ho tonga lafatra ilay tetikasany. Mety hahazo loka izy!

Rehefa feno ny sinin’i Bradley dia nanangona kitay madinika izy. Avy eo dia nahita fanariam-pako plastika sy trano kely kilalao tao amin’ny lakavy izy.

Nararak’i Bradley tao amin’ilay fanariam-pako ny fasika mba hanaovana tany. Napetrany moramora ny trano sy ny hazo. Avy eo dia tonga teo amin’ilay ampahany nampientanentana, dia ny rano izany! Rehefa avy nararany ny rano dia afaka nanosika baoritra kely namakivaky ilay rano izy hamoronana onja.

Saingy nisy hadisoana lehibe nataony. Betsaka loatra ny rano nararany! Tondraky ny rano ilay trano kanefa tsy mbola nahavita nanao onja akory izy. Lasa zavatra nadity sady namotaka ilay fasika mando.

Sary
Ankizilahy iray manao tetikasa iray

Niantso ny reniny izay tany an-dakozia i Bradley. “Inona no tokony hataoko izao? Be loatra ny rano nararako.”

“Tsy maninona izany. Afaka mamerina manao fotsiny ianao,” hoy i Neny. “Andao hiarahantsika manao izany ary refesintsika isaky ny mandeha.”

“METY IZANY.” Nitanondrika i Bradley ary nivoaka tany ivelany hanangona fasika misimisy.

Tamin’ity indray mandeha ity dia norefesin’izy ireo tsara ny fatran’ny rano ary nararak’izy ireo izany. Nampandehandehanin’i Bradley ilay baoritra ary nijery ny onja nitopatopa teo amin’ny fasika izy. Nahomby izany!

Nanamboatra ny peta-drindriny avy eo i Bradley sy i Neny. Nanomboka nanoratra zava-mahatalanjona vitsivitsy mikasika ny tsunami izy mianaka. Saingy tsy omby ireo soratra ilay pejy.

“Tsy te hamerina hanoratra azy rehetra indray aho!” Hoy i Bradley. Nanomboka narary ny lohany.

“Tsy voatery hamerina hanoratra azy rehetra isika,” hoy ny reniny. “Azontsika ovaina fotsiny ny filaza azy mba ho antonona ny pejy.”

Nimonomonona i Bradley. Tsy araka ny nitiavany azy mihitsy ilay peta-drindrina. “Tsy te hanao izany aho. Tsy mivoaka ny endriny raha vao tsy tafiditra araka ny tokony ho izy ny soratra rehetra.”

Sary
Ankizilahy iray manao tetikasa iray

“Mety ho sarotra ny mianatra.” Nofihinin’i Neny izy. “Manao fahadisoana isika indraindray. Fa ny zava-dehibe dia ny tsy filavoantsika lefona. Tian’ny Ray any An-danitra hiezaka hatrany isika. Noho izany andao haka aina dia hovitaintsika rahampitso maraina izany.”

Ny ampitso marainan’iny dia vitan’izy ireo ny peta-drindriny. Tsy tonga lafatra ny endriny fa nahazo aina kely tamin’izany ihany i Bradley .

Tonga ihany ilay andro hanaovana ny fampirantiana momba ny siansa. Naterin’i Neny tany am-pianarana i Bradley. “Tsarovy,” hoy izy fa, “niasa mafy ianao tao anatin’ilay tetikasanao ary nianatra zavatra maro. Ary izay no zava-dehibe indrindra.”

Nentin’i Bradley tany amin’ny kianja mitafo lehibe ilay tetikasany. Feno tetikasa sy peta-drindrina maro tao. Samy nipetraka ary niandry ny anjara fahafahany mampiseho ny tetikasany ny ankizy rehetra tao amin’ny kilasy fahaefatra.

Tsy ela dia tonga ny anjaran’i Bradley. Nidobodoboka ny fony rehefa nandeha teny aloha izy. Ahoana raha toa ka tsy mety ny zava-drehetra?

Natosik’i Bradley namakivaky ny rano ilay baoritra ary nasehony tamin’ny mpitsara ny onja nidona tamin’ny tany.

“Inona no mahatonga ireo onja be any an-dranomasimbe ireo?” hoy ny fanontanian’ny iray tamin’ireo mpitsara.

“Ny mahatonga ireo onja ireo dia …” Banga be ny tao an-tsain’i Bradley. “Tsy tadidiko. Saingy afaka milaza zavatra mahatalanjona vitsivitsy aminareo momba ny tsunami aho.” Novakiny tamin’izy ireo ireo toe-javatra voasoratra teo amin’ny peta-drindriny.

Sary
Ankizilahy iray mamelabelatra tetikasa

Rehefa nirava ny fianarana dia niditra tao anaty fiara niaraka tamin’ilay tetikasany i Bradley.

“Nanao ahoana izy tao?” Hoy i Neny nanontany.

“Tsy tena araka ny nieritreretako azy.” Hoy i Bradley nitsiky. “Saingy nanao izay tsara indrindra vitako aho ary niezaka foana.”

Sary
PDF

Sary nataon’i Adam Koford

Hamoaka printy