Namana
Manara-dia an’i Jesoa any Zimbabwe
Septambra 2024


“Manara-dia an’i Jesoa any Zimbabwe,” Namana, Septambra 2024, 16–17.

Manara-dia an’i Jesoa any Zimbabwe

Fantaro i Sariah!

Sary
Sariah avy any Zimbabwe

Ny fomba ataon’i Sariah hanarahana an’i Jesoa

Manana olana vitsivitsy ara-pahasalamana i Sariah. Mihinana fanafody izy hanampy azy amin’izany. Feno fankasitrahana ny amin’ny fiainany izy. “Manampy ahy ny Mpamonjy, ka tsy misy antony tokony hatahorako,” hoy izy.

“Rehefa reraka ny reniko dia mila olona izy hiara-hilalao amin’ny zandriko vavy izay mbola zazakely,” hoy i Sariah. Mba hanampiany ny reniny dia mihira ho azy, sy mitrotro azy ary miara-milalao aminy i Sariah.

I Sariah no mahatsikaritra voalohany rehefa misy zavatra mampalahelo ny reniny, ka fihininy mafy foana izy. “Mitondra fifaliana ho ahy ny fanampiana ny hafa,” hoy izy. “Indrindra ny fanampiana fianakaviana.”

Mombamomba an’i Sariah

Sary
Miarahaba anareo i Sariah

Taona: 7

Fonenana: Mashonaland Atsinanana, Zimbabwe

Tenim-pirenena: Anglisy, Shona

Tanjona: 1) Ho lasa mpandihy. 2) Ho lasa dokotera.

Fialamboly: Milalao miaraka amin’ny namana

Fianakaviana: Sariah, neny, dada, zoky lahy, zoky vavy, zandry vavy

Sary
I Sariah sy ny fianakaviany

Ny zavatra tian’i Sariah indrindra

Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Rehefa nitsodrano ireo ankizy Nefita i Jesoa Kristy (jereo ny 3 Nefia 17)

Fotoam-pialantsasatra: Paska

Voankazo: Paoma sy voaloboka

Loko: Mena

Hiran’ny Kilonga:The Sixth Article of Faith” (Children’s Songbook, 126)

Sary
PDF

Hamoaka printy