Namana
Ilay andro nahasorisorena an’i Patrik
Septambra 2024


“Ilay andro nahasorisorena an’i Patrik” Namana, Septambra 2024, 10–11.

Ilay andro nahasorisorena an’i Patrik an’i Patrik

Sahiran-dava ary tsy manam-potoana hiarahana aminy ny zokin’i Patrik.

Tany Romania no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
I Patrik mipetraka eo am-pandrianany

Nijery ny valindrihana i Patrik rehefa nitsotra teo am-pandrianany. Sorena izy. Efa voavakiny ilay bokiny momba ny biby, efa avy nitsambikimbikina teo amin’ny trampoline izy ary efa avy nilalao bisikileta nanodidina ny tanàna. Inona no azony atao izao?

Nitsangana i Patrik ary nankany amin’ny efitranon’i Daniel zokiny lahy. “Afaka miaraka milalao amiko ve ianao?” Hoy i Patrik nanontany.

“Azafady fa tsy afaka aho. Mila mianatra aho,” hoy i Daniel. Tsy nitraka akory mba nanajona kely ilay boky novakiny izy.

Tohina ny fon’i Patrik. Mianatra foana i Daniel. Tsy mba afaka miato kely ve izy?

Eny e! Be atao i Daniel, kanefa afaka manontany an’i Simion ilay rahalahiny iray hafa i Patrik. “Sorisorena aho. Afaka miara-milalao amiko ve ianao?” Hoy i Patrik nanontany.

“Tsy androany aloha. Hivoaka hiaraka amin’ny namako aho.” Nanaovan’i Simion ny akanjo mafanany ary nivoaka ny varavarana izy.

Tezitra mafy i Patrik! Nihanidobodoboka mafy ny fony. Tsy mba manana fotoana hiarahana aminy mihitsy ireo zoky rahalahiny. Nihazakazaka nankany an’efitra fatoriany izy ary nakaratony mafy ny varavarana.

Tsy rariny izao! Hoy i Patrik tao an-tsainy.

Natontontontony ny tongony ary nidaboka teo am-pandriany izy. Teritery ny tratrany. Tena sorena izy! Saingy tezitra mafy izy ka tsy afaka nieritreritra zavatra hatao.

Nahatsiaro zavatra iray nianarany tany am-pianarana izy aveo. Nampianatra ny mpampianatra azy ireo fa afaka manampy azy ireo ho tony ny fifohana rivotra lalina.

“Sarotra ny mamaha olana rehefa tezitra ianao,” hoy ilay mpampianatra. Angamba raha tony kokoa i Patrik dia afaka mieritreritra fomba hamahana ny olana nahatonga ny fahasorenany.

Koa dia nifoka rivotra lalina i Patrik. Dia naveriny natao indray izany. Rehefa avy namerimberina izany izy dia tsy teritery intsony ny tratrany. Saingy mbola tsy fantany ihany izay hatao.

Sary
Jesoa Kristy

Niarina nipetraka izy ary nijery ny sarin’i Jesoa Kristy teo amin’ny rindriny. Inona no tiany hataon’i Patrik?

Nandohalika i Patrik. “Ray any An-danitra ô, ampio i Daniel amin’ny fianarany,” hoy izy. “Ampio i Simion hahita fifaliana miaraka amin’ny namany. Ary ampio aho mba tsy ho sorisorena loatra.”

Rehefa vita ny vavaka nataony dia nanana hevitra i Patrik. Nihazakazaka nankany amin’ny efitra fatorian’i Daniel izy.

“Rehefa vita izay ataonao ry Daniel, dia afaka miaraka milalao ve isika?”

Nitraka i Daniel ary nijery ny famantaranandro teo amin’ny rindrina. “Afaka miala sasatra kely aho afaka 30 minitra eo. Dia afaka miaraka mankany ivelany isika. Mety aminao ve izany?”

“Eny!” Nitsiky i Patrik ary nihazakazaka niverina tany amin’ny efitrano fatoriany. Nahita boky iray momba ny biby izay miresaka momba ny tigra izy izay tiany ny mijery azy. Rehefa avy namaky izany nandritra ny fotoana lavalava izy dia nilalao ireo goba vita amin’ny hazo izy. Tsy ela dia tonga ilay fotoana ary dia niaraka nankany anaty ala kely teo akaikin’ny tranon’izy ireo izy sy i Daniel.

“Inona no kilalao tianao hatao? Mpiady eny amin’ny habakabaka sa mpizaha tany vaovao any anaty ala?” Hoy i Daniela nanontany.

“Mety daholo. Faly fotsiny aho afaka miaraka manao zavatra isika. Tsara lavitra noho ny fahatsapana fahasorenana izany,” hoy i Patrik.

Nitsikitsiky i Daniel. “Mahafinaritra kokoa anie ny miaraka milalao aminao noho ny mianatra mba hiomanana amin’ny fanadinana e!”

Sary
I Patrik sy i Daniel milalao eo amin’ny bozaka

Feno fifaliana i Patrik raha nandadilady teo amin’ny bozaka izy sy i Daniel. Nanampy azy hieritreritra mazava kokoa mba hahafahany mamaha ny olany ny fitoniana. Ary nanampy azy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa ny Ray any An-danitra. Nahafinaritra ihany ilay andro ny niafarany.

Sary
PDF

Sary nataon’i Linh My Nyguyen

Hamoaka printy