Namana
Iza marina moa ianao
Septambra 2024


“Iza marina moa ianao,” Namana, Septambra 2024, 32–33.

Namana mankany amin’ny namana

Iza marina moa ianao

Loholona Kevin W. Pearson

Avy tamin’ny tafatafa nataon’i Olivia Kitterman sy i Diana Evelyn Nielson.

I Jesoa Kristy sy ny ankizy

Tia antsika ny Raintsika any An-danitra. Te hanampy antsika Izy mba hamantatra hoe iza moa isika. Namorona ny fanahintsika talohan’ny nahatongavantsika mba hiaina eto an-tany Izy. Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra isika rehetra.

Indraindray isika mahatsapa ho irery na manahy fa toa tsy mba hahavita zavatra velively. Fantatr’i Jesoa Kristy tsara ny zavatra tsapantsika. Hanampy antsika handresy izay olana misy izy. Ireo zava-tsarotra atrehintsika eto amin’ity fiainana ity dia afaka ny hanampy antsika hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy raha mitodika any aminy isika.

Manampy antsika hahita ny tenantsika tahaka ny fahitan’ny Ray any An-danitra antsika ny filazantsara. Amin’ny alalan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia afaka ny hivadika fitahiana ireo fitsapana atrehantsika. Ny fahalalana hoe iza ianao sy ny fahalalana ny fomba fahitan’ Andriamanitra anao dia hitahy ny olon-drehetra na firy taona na firy taona izy!

Rehefa takatsika hoe iza isika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika, dia afaka mifantoka amin’izay tian’ny Ray any An-danitra hahatongavantsika isika. Hiatrika ireo olantsika miaraka Aminy isika. Na dia tsy tonga lafatra aza isika ary hanao fahadisoana isika, dia afaka manana fanantenana isika ao anatin’ny fahalalana fa zanak’ Andriamanitra isika.

Katsaho ireo zavatra tiana indrindra

Samy hafa avokoa isika rehetra. Samy manana talenta, sy zavatra tiana sy tsy tiantsika isika. Saingy zanak’ Andriamanitra isika rehetra!

Ampiasao ireo fanazavan-dalana mba hamenoana ny tabilao sy hitadiavana ny zavatra tian’ireo namana tsirairay avy ireo. Tari-dalana: Asio marika X eo amin’izay fantatrao fa tsy marina. Efa novitaina teo amin’ny toeranao ny laharana voalohany. Rehefa vitanao izy rehetra dia tokony hanana efajoro anankiray foana avokoa ny tsanganana tsirairay!

  1. Tsy Amara na i Jade ilay mpitendry pianô.

  2. Tsy tia matematika i Max.

  3. Tsy misy mitendry zavamaneno na manao karate ny ankizilahy rehetra.

  4. Tsy i Amara ilay zazavavy tia biby.

  5. I Kai irery ihany no tia basket-ball.

PDF

Sary nataon’i Sabrina Gabrielli