“Miara-manara-dia an’i Jesoa,” Namana, Septambra. 2024, 20–21.
Miara-manara-dia an’i Jesoa
Trevor B., 8 taona, Prefektioran’i Okinawa, Japana
Georgia B., 8 taona, Kansas, Etazonia
Unique S., 10 taona, Faritra Davao, Filipina
Ellery S., 11 taona, Texas, Etazonia
Clayton, Camilla, Camden, sy Clara U., 4, 10, 8, ary 6 taona, Dakota Atsimo, Etazonia
“Mitia, mizara, manasa” Will P., 10 taona, Idaho, Etazonia
Milalao miaraka amin’ny zandriko lahy aho ary manampy azy ireo hiakanjo mandritra ny fotoana hiomanan’ny reniko ho any am-piangonana. Tsapako ny fitiavan’ Andriamanitra ahy rehefa manampy ny fianakaviako aho.
Spencer F., 8 taona, Caroline Atsimo, Etazonia
Mamafa trano ary mamelatra ny lovia hisakafoanana aho ho fanampiako ny reniko. Manampy ny mpiara-mianatra amiko amin’ny fanaovana enti-mody aho ary manampy ny mpampianatra ahy hitatitra ny boky rehefa any am-pianarana.
Kayser I., 7 taona, Macau, Sina
Nitebiteby aho ny ho any amin’ny Kilonga taorian’ny nifindran’ny fianakaviako tany amina firenena vaovao. Nivavaka aho mba handraisana tsara ahy. Nianaranay nandritra ny fandalinan’ny mpianakavy soratra masina ny fomba nanompoan’i Jesoa sy nitiavany ny olona rehetra. Mandeha tsikelikely eo amin’ny fisafidianana ny ho tonga tahaka an’i Jesoa bebe kokoa aho ary feno fankasitrahana noho ireo namanako vaovao ao amin’ny Kilonga.
Jenika K., 10 taona, Mashonaland, Zimbabwe
Nandefa hira ao amin’ny fihirana mba hohenoiko ny reniko. Nahafinaritra ahy izany ary tsapako ho tena akaiky ahy i Jesoa.
Laura O., 6 taona, Santa Catarina, Brezila