“Nivavaka ho an’ny olona i Nefia,” Namana, Septambra 2024, 26–27.
Tantara ao amin’ny soratra masina
Nivavaka ho an’ny olona i Nefia
Mpaminany i Nefia. Nitondra ny anaran’i Nefia ilay nahazo ny takela-barahina izy. Nanahy ny amin’ilay vahoaka izy. Nitsahatra tsy nanaraka an’ Andriamanitra izy ireo.
Nankao amin’ny sahany i Nefia. Nihanika teny amin’ny tilikambo iray tao amin’ny sahany izy ary nivavaka tamin’ Andriamanitra teny. Nivavaka ho an’ny olona izy.
Nisy olona sasantsasany nahatsikaritra an’i Nefia teo amin’ny tilikambo. Nijanona nihaino sy namory ny hafa mba hihaino izy ireo. Rehefa vita ny vavaka nataon’i Nefia dia tsikariny fa nijery azy izy ireo ary nanomboka nampianatra azy ireo izy.
Nangataka ny olona mba hibebaka i Nefia. Nisy sasantsasany tamin’izy ireo tsy tia ny zavatra nampianarin’i Nefia. Kanefa maro no nihaino! Nisafidy ny hibebaka sy hanova ny fombany izy ireo.