Namana
Raha mihaino amin’ny foko aho
Septambra 2024


“Raha mihaino amin’ny foko aho,” Namana, Septambra 2024, 13.

Afaka mitendry izany aho

Raha mihaino amin’ny foko aho

Moramora [naoty mainty] = 88–104

Sary
PDF

1. Raha toa ka zazakely aho fony i Jesoa niaina tety,

dia ho tiako ny hanaraka Azy hatrany sy hihaino, liana erỳ!

Fa ‘reo teny soa nomeny ahy mampiadana itỳ fo,

raha mihaino amin’ny foko aho dia ho reko ny Mpamonjy.

2. Zaho koa dia mandre ny hafatry ny Tompo noho ny Mpaminany ankehitriny,

toy ny hoe mandre ny feon’i Kristy zay tetỳ an-tany fahiny.

Mampianatra ahy ‘reo mpaminany mba ho madio am-po,

Raha mihaino amin’ny foko aho dia ho reko ny Mpamonjy.

3. Ny Fanahy Masina dia manoro izay mila hataoko etỳ,

mankahery ahy lalandava sy manambara an’ Ilay Kristy,

sy mibitsika ary manome fiadanana ao am-po,

Raha mihaino amin’ny foko aho dia ho reko ny Mpamonjy.

Hamoaka printy