Namana
Rojon-tsoratra masina vakina
Septambra 2024


“Rojon-tsoratra masina vakina,” Namana, Septambra 2024, 38.

Zavatra mahafinaritra

Rojon- tsoratra masina vakina

Sary
rojon-tsoratra masina

Afaka manampy antsika hahatsapa fampaherezana sy fitiavana avy amin’ny Ray any An-danitra ny soratra masina. Afaka manamboatra rojon-tsoratra masina ianao rehefa mahatsapa fanahiana na alahelo.

Ireo endri-javatra volomparasy dia ahitana soratra masina azonao ampiasaina. Azonao ampidirina ao koa ireo soratra masina tianao indrindra.

Angataho ny rainao na ny reninao na ny mpitarika iray ao amin’ny Kilonga mba hanampy anao!

  1. Ataovy lisitra ireo andinin-tsoratra masina tianao indrindra.

  2. Jereo ao anatin’ny soratra masina ny andinin-tsoratra masina voalohany ao amin’ilay lisitra. Mampiasà pensilihazo miloko hanasongadinana tsara ilay andinin-tsoratra masina.

  3. Soraty eo akaikiny ny toko sy andinin’ny soratra masina manaraka (na ny laharan’ny pejy, raha izay no mora kokoa aminao) ao amin’ilay lisitra. Jereo izany andininy izany avy eo ary asongadino ihany koa.

  4. Tohizo hatrany ny fanasongadinana ireo andinin-tsoratra masina sy ny fanoratana ny toko sy andinin’ny soratra masina manaraka. Rehefa manasongadina ilay farany ao amin’ny lisitrao ianao, dia soraty ilay toko sy andinin’ny soratra masina ho an’ny andininy voalohany nasongadinao.

  • Jaona 14:27: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”

  • Fotopianarana sy Fanekempihavanana 68:6: “Koa mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo.”

  • Ohabolana 3:5: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra.”

  • F&F 121:7: “Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy.”

  • F&F 45:62: “Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa zava-dehibe no miandry anareo.”

  • Ohabolana 3:24: “Tsy hatahotra ianao raha mandry; eny handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.”

Hamoaka printy