Namana
Inona no ao an-tsainao?
Septambra 2024


“Inona no ao an-tsainao?” Namana, Septambra. 2024, 39.

Inona no ao an-tsainao?

Tsy tiako ny manao zavatra vaovao satria manao hadisoana foana aho. Inona no tokony hataoko?

—Miezaka any Toronto

Ry Miezaka hajaina,

Mihevitra angamba ianao fa raha tsy tonga lafatra ny zavatra ataonao dia olona tsy mahomby ianao. Tsy marina anefa izany! Raha ny marina dia manampy anao hianatra sy hivoatra ny fahadisoana.

Manampy antsika hianatra tsikelikely ny Ray any An-danitra (jereo ny Fotopapianarana sy Fanekempihavanana 98:12). Miezaha mifantoka amin’ny fivoarana sy ny fahatongavana tsikelikely ho tonga toa Azy, fa aza mifantoka amin’ny hoe ho tonga lafatra. Tadiavo ireo zavatra izay hainao tsara ny manao azy. Miezaha manova ny fiheveran-javatra ratsy momba ny tenanao ho fihereveran-javatra tsara. Indrindra moa rehefa manao hadisoana ianao, eny fa na hadisoana miisa 20 aza, dia mifoha rivotra lalina, mivavaha ary mandrosoa hatrany!

Amim-pitiavana,

Namana

Avadiho ho zavakanto ireto soratsoratra ireto!

Nisy olona nanomboka nanao ireto sary ireto nanajanona izany rehefa nihevitra izy ireo fa tsy ampy fahaizana. Ampiasao ny fahaizanao mamorona hamarananao ny sary tsirairay. Andeha hojerena izay mety hitranga rehefa manohy hatrany isika!

Sary
PDF

Sary nataon’ i Josh Talbot

Hamoaka printy