Namana
Maneho ny fiarahabana avy aty Zimbabwe
Septambra 2024


“Maneho ny fiarahabana avy aty Zimbabwe!” Namana, Septambra 2024, 8–9.

Maneho ny fiarahabana avy aty Zimbabwe!

Fantaro ny momba ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao.

Any amin’ny faritra Atsimon’i Afrika no misy an’i Zimbabwe. Olona mihoatra ny 16.500.000 no monina ao.

Fiteny

Miisa 16 ny tenim-pirenena ôfisialy any Zimbabwe. Anisan’izany, raha hanonona vitsivitsy monja aho, ny Shona, Ndebele, sy ny teny anglisy.

Sary
ny gazetiboky Namana

Ny fitsidihan’ny Mpaminany

Tamin’ny taona 2018 dia nitsidika an’i Zimbabwe ny Filoha Nelson sy ny Rahavavy Nelson. Ankizy an-jatony no nihira ny “Zanaky ny Ray aho” ho azy ireo.

Sary
Ny Filoha Nelson miaraka amin’ny ankizy tany Zimbabwe

Riandrano tsara tarehy

Ny Riandrano Victoria any Zimbabwe no riandrano lehibe indrindra eto ambonin’ny tany. 40 km miala eo amin’io toerana io dia efa re ny feony!

Sary
Riandrano Victoria

Biby mahatalanjona

Ahitana tanim-bilona maro manerana an’i Zimbabwe. Isan’ny biby miaina any ny liona, ny hipôpôtama, ny zirafy, ny antilôpa ary ny elefanta.

Sary
ireo biby any Zimbabwe
Sary
PDF

Sary nataon’i Katie Rewse

Hamoaka printy