Liahona
Ahoana no ahafahako manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Mpaminany?
Septambra 2024


“Ahoana no ahafahako manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Mpaminany?” Liahona, sep 2024.

Avia, hanaraka Ahy

Helamàna 7–16

Ahoana no ahafahako manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Mpaminany?

Afaka manampy antsika hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny mpaminany velona ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Mandaha-teny eo amin’ny polipitra ny Filoha Russell M. Nelson

Ao amin’ny bokin’i Helamàna dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany Samoela ilay Lamanita ary manome fampitandremana sy fanasana ho an’ny Nefita (jereo ny Helamàna 13–14). Amin’izao androntsika izao koa dia manana fahafahana mihaino fampitandremana ara-potoana avy amin’ny mpaminanintsika sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana isika. Manampy antsika hanaraka ny lalan’ny fanekempihavanana ny fankatoavana ny fanasan’izy ireo.

Ny fihaonamben’ny Fiangonana dia fotoana tsara handrenesana ireo teny farany avy amin’ireo mpitarika nentanim-panahy sy hanakaikezana kokoa an’i Jesoa Kristy. Ireto misy fomba vitsivitsy azonao eritreretina hampiasana ny fihaonamben’ny Fiangonana mba hanatsarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo mpaminany velona:

  1. Alohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia saintsaino ombam-bavaka hoe nahoana no zava-dehibe aminao ny fananana mpaminany. Saintsaino ny hivavaka mba hahazoana fanamafisana avy amin’ny Fanahy fa ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny dia mpaminanin’ Andriamanitra sy mpahita ary mpanambara eto an-tany ankehitriny. “Manova ny zava-drehetra ny fahafantarana amin’ny alalan’ny fanambarana fa misy mpaminany velona eto ambonin’ny tany.”

  2. Karohy ny dikan’ny hoe manohana ny mpaminany sy ireo Manampahefana Ambony. Mandraisa anjara amin’ny fanohanana azy ireo amin’ny antsony mandritra ny fivoriana Asabotsy tolakandro.

    lehilahy ao amin’ny Ivon-toeran’ny Fihaonambe izay nanangana ny tanana havanana ho fanohanana ny fifidianana
  3. “Ary amin’ ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5). Rehefa mihaino ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ianao dia henoy ny Fanahy izay mijoro ho vavolombelona fa marina ny teniny.

  4. Iray amin’ireo anjara asa lehibe ananan’ny mpaminany ny mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra antsika “hibanjina ny Zanak’ Andriamanitra amim-pinoana” (jereo ny Helamàna 8:13–16). Azonao atao ny mandray an-tsoratra ny zavatra ampianarin’ny mpaminany sy ireo mpandahateny hafa momba ny Mpamonjy.

  5. “Tamin’ny alalan[’ny Filoha Russell M. Nelson] no nandraisantsika fanasana tsy tambo isaina sy nampanantenana antsika ireo fitahiana be voninahitra raha toa ka hametraka ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy, ho ivon’ny fiainantsika isika.” Hevero ny hanao lisitra ireo fanasana natolotry ny mpaminany sy ireo mpandahateny hafa mandritra ny fihaonambe. Avereno jerena io lisitra io mba hanampiana anao hiezaka hitovy bebe kokoa amin’i Kristy.

  6. Tsarovy ny fanasana nataon’ny Filoha Nelson hoe: “Mamporisika anareo aho handalina matetika ireo hafatra avy amin’ity fihaonambe ity—na dia averimberina mihitsy aza—mandritra ireo enimbolana ho avy.” Rehefa mihaino na mamaky ireo hafatra ianao dia asio marika ireo zavatra manaitra anao.

  7. Manasa antsika ny Filoha Nelson mba “hikatsaka sy hanantena fahagagana.” Rehefa mankatò ny torohevitry ny mpaminany ianao ary mitondra fiovana eo amin’ny fiainanao dia jereo ireo fitahiana raisinao sy ireo fahagagana hitanao (jereo ny Helamàna 16:4–5).

Rehefa manaraka ireo dingana ireo ianao mba hampitomboana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny mpaminany, mpahita ary mpanambara iray, dia misintòna hery amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra be fitiavana. Nomen’ Andriamanitra antsika tamim-pitiavana ireo mpaminany mba hitarika antsika hiverina any Aminy—mpaminany izay miasa ho mpitondra teny mba hanambara ny sitrapony amin’izao tontolo izao. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 21:5–6.) Raha misafidy ny hanaraka ny torohevitry ny mpanompony isika dia misafidy ny hanaraka Azy.