Liahona
Am-polo taonany nanaovana asa fanompoana feno fanoloran-tena: Fampianarana nofantenana avy tamin’ny Filoha Russell Nelson
Septambra 2024


“Am-polo taonany nanaovana asa fanompoana feno fanoloran-tena: Fampianarana nofantenana avy tamin’ny Filoha Russell Nelson, Liahona, sep 2024.

Am-polo taonany nanaovana asa fanompoana feno fanoloran-tena: Fampianarana nofantenana avy tamin’ny Filoha Russell Nelson

Izao 100 taona izao, ny Filoha Nelson dia nanompo ho Apôstôly nandritra ny 40 taona. Ireto manaraka ireto ny sasany amin’ireo fampianarany avy tamin’ny andro maha-Filohan’ny Fiangonana azy.

ampahan-tsary samihafa avy amin’ny fiainan’ny Filoha Russell M. Nelson

Atomboy miaraka amin’ny tanjona farany ao an-tsaina

“Ny tanjona ifoforantsika tsirairay dia ny mba handray hery ao amin’ny tranon’ny Tompo, mba hofehezina amin’ny maha-fianakaviana, ary mba ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly izay ahafahantsika mahazo ilay fanomezana faran’izay lehibe avy amin’ Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay. Ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ireo fanekempihavanana ataonao any dia zava-dehibe eo amin’ny fanamafisana orina ny fiainanao, ny fanambadianao sy ny fianakavianao, ary ny fahafahanao manohitra ny fanafihan’ny fahavalo. Ny fitsaohana ataonao any amin’ny tempoly sy ny asa fanompoana ataonao any dia hanome fanambarana ho an’ny tena manokana sy fiadanana bebe kokoa ho anao ary hanamafy orina ny fanoloran-tenanao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.”

Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Liahona, apr. 2018, 7

Mibebaka isan’andro

“Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”

Manao sy mitandrina fanekempihavanana

“Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ka mitandrina izany fanekempihavanana izany sy mandray anjara amim-pahamendrehana amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia afaka mahazo mivantana ny herin’ Andriamanitra. Ireo izay nandray fanafiana masina tao amin’ny tranon’ny Tompo dia mandray fanomezana ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra, noho ny fanekempihavanana izay nataony, niaraka tamin’ny fanomezana fahalalana ny hahafantatra ny fomba hanovozana amin’io hery io.”

Fahafahana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 21.

Henoy ny Tompo

“Fantatry ny Raintsika fa rehefa manemitra antsika manodidina ny tebiteby sy ny tahotra, dia ny mihaino ny Zanany no hanampy antsika indrindra.

“Satria rehefa mikatsaka ny hihaino, tena hihaino, ny Zanany isika dia ho voatarika hahafantatra izay tokony hatao na inona na inona toe-javatra misy.”

Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89.

Safidio ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka

“Raha atao ao an-tsaina ilay famaritana amin’ny teny Hebreo ny hoe Isiraely dia misy dikany fanampiny ny hoe fanangonana an’i Isiraely. Manangona ireo izay vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany ny Tompo. Manangona ireo izay hisafidy ny hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona indrindra eo amin’ny fiainany ny Tompo.”

Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92.

Mandresy izao tontolo izao

“Ny fandresena an’izao tontolo izao dia tsy fisehoan-javatra mitranga ao anatin’ny iray na roa andro. Mitranga mandritra ny androm-piainana izany rehefa miverimberina mandray ny fotopampianaran’i Kristy isika. Mikolokolo finoana an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana izay manome hery antsika. Mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika ary voatahy amin’ny tanjaka ara-panahy, sy fanambarana ho an’ny tena manokana, sy finoana tsy mitsaha-mitombo ary ny fanompoan’ny anjely. Ny fiainana ny fotopampianaran’i Kristy dia afaka mitondra famerimberenan-javatra tena mahery vaika sy mendrika indrindra, ka miteraka fahavitrihana ara-panahy eo amin’ny fiainantsika.”

Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 97.

Misafidiana ny ho mpampihavana

“Mandroaka ny Fanahy foana ny fifandirana. Ny fifandirana dia manamafy orina ilay hevi-diso hoe ny fifandonana no fomba hamahana ireo zavatra tsy mampitovy hevitra; saingy tsy mamaha mihitsy izany. Safidy ny fifandirana. Safidy ny mampihavana. Manana ny fahafahanao hisafidy ny fifandirana na ny fampihavanana ianao. Mamporisika anareo aho mba hisafidy ny ho mpampihavana, amin’izao fotoana izao ary mandrakariva.”

Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023, 100.

Saino amin’ny fomba selestialy

“Rehefa misafidy ianareo dia manasa anareo aho hijery mihoatra lavitra ny toe-javatra iainana ankehitriny dia amin’ny fomba fijery mandrakizay. Ataovy lohalaharana i Jesoa Kristy, satria miankina amin’ny finonareo Azy sy ny Sorompanavotany ny ho fiainanareo mandrakizay. Miankina amin’ny fankatoavanareo ny lalàny ihany koa izany. Ny fankatoavana no manamboatra ny lalana hananana fiainana feno fifaliana ho anao androany sy valisoa lehibe sy mandrakizay amin’ny ho avy.”

Saino amin’ny fomba selestialy!,” Liahona, nôv. 2023, 118.