“Ahoana no ahafahako miomana handray ny Mpamonjy?” Liahona, sept. 44.
Avia, hanaraka Ahy
Helamàna 10; 3 Nefia
Ahoana no ahafahako miomana handray ny Mpamonjy?
Ireto misy fomba efatra ahafahanao mandray ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao.
Nila nanomana ny tenany handrayara-batana ny Mpamonjy eo anatrehany ny Nefita. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’izy ireo mba hanampiana antsika handray ny Mpamonjy ara-panahy eo amin’ny fiainantsika?
Misaintsaina ireo zavatr’ Andriamanitra
Tamin’izany: Rehefa nahatsiaro ho “tavela ho irery” ny mpaminany Nefia dia nisaintsaina “ny zavatra izay efa nasehon’ny Tompo taminy” izy (Helamàna 10:2–3).
Ankehitriny: Ny fahatsiarovana izay nataon’ Andriamanitra ho antsika, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy, dia hanome hery sy herim-po antsika hanakaiky Azy sy hiatrika ny hoavy amim-pinoana.
Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nanoro hevitra ny hisaintsainantsika isan’andro sy hiraketantsika an-tsoratra ny zavatra tsapantsika. Hoy izy: “Mety hivavaka sy hisaintsaina ianareo, ary hametraka ilay fanontaniana hoe: Nandefa hafatra natao ho ahy manokana ve Andriamanitra? Nahatsikaritra ny fiasan’ny tanany teo amin’ny fiainako na ny an’ireo zanako ve aho?”
Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny fitiavan’ Andriamanitra, ny fitaomam-panahy, na ny fitahiany teo amin’ny fiainanao androany?
Ento eo aminareo ny anaran’i Kristy
Tamin’izany: Sahy nanambara i Môrmôna fa “mpianatr’i Jesoa Kristy” izy (3 Nefia 5:13).
Ankehitriny: Ny Loholona Jonathan S. Schmitt ao amin’ny Fitopololahy dia nanoro hevitra fa afaka mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fitondrana ny anaram-boninahitra samihafa ananany eo amintsika. Ohatra, i Jesoa dia “tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay” (1 Nefia 10:18). Nanoro hevitra ny Loholona Schmitt fa afaka mitondra eo amintsika io anarana io isika amin’ny alalan’ny tsy fivadihana amin’ny fiainana ny filazantsara.
Inona no anarana na anaram-boninahitra hafa an’i Jesoa Kristy azonao eritreretina sy ampiharinao amin’ny tenanao?
Avelao ny Mpamonjy hanangona Anao eo Aminy
Tamin’izany: Ao amin’ny 3 Nefia 10:4–6, i Jesoa Kristy dia mampitaha ny Tenany amin’ny reniakoho manangona ny zanany. Sarintsary mahafinaritra izany satria miantso antsika mandrakariva Izy hanatona Azy mba hiaro sy hamelona antsika. Saingy tsy maintsy misafidy ny hanatona Azy isika. Hoy izy: “Impiry Aho no ta hanangona anareo toy ny reniakoho manangona ny zanany ary tsy nety ianareo”(andininy 5).
Ankehitriny: Manohy manangona antsika i Jesoa ankehitriny, saingy tsy maintsy mamela ny tenantsika hangonina eo Aminy isika. Moa ve ianao mamela ny tenanao hangonina eo amin’ny Mpamonjy sy hahita fiarovana miaraka Aminy, sa mandà sy mijanona ho tratran’ny loza?
Inona no fanasana omen’ny Mpamonjy anao, ary inona no tokony hataonao mba hanaiky izany?
Banjino ny lanitra
Tamin’izany: In-telo nanandrana ny Nefita vao nandre ny feon’ Andriamanitra. “Ary reny fanintelony indray ilay feo, ary nosokafany ny sofiny handre izany; ary ny masony dia tany amin’ilay feo; ary nojereny naharitra tany amin’ny lanitra izay niavian’ny feo” (3 Nefia 11:5).
Ankehitriny: Ny fomba iray ahafahantsika “mibanjina mafy ny lanitra” dia amin’ny alalan’ny “fisainana amin’ny fomba selestialy” ao amin’ny fehezantenin’ny Filoha Russell M. Nelson. Nohazavainy fa ny lafiny iray amin’ny fisainana amin’ny fomba selestialy dia ny “fiheverana ara-panahy.”
Inona no azonao atao mba hanana fiheverana ara-panahy kokoa ka “hibanjina mafy ny lanitra”?