Liahona
Nitondra fiadanana ho ahy ny Bokin’i Môrmôna
Septambra 2024


“Nitondra fiadanana ho ahy ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, sept. 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Nitondra fiadanana ho ahy ny Bokin’i Môrmôna

Lasa takatro fa naniry hanova ny fiainako sy hitondra ahy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

sarin’ny Bokin’i Môrmôna misy fonony manga amin’ny teny espaniola

Sary nataon’i Allen Garns

Tamin’ny faran’ny taona 2013, dia nisy tovolahy roa nanao lobaka fotsy sy karavato nanomboka nitsidika ny anabaviko indroa isan-kerinandro. Fantatro avy hatrany fa avy amina fiangonana izy ireo. Amiko dia tsy tao anatin’ny fikasako ny ho anisan’ny fiangonana iray, ka nanapa-kevitra ny tsy hiresaka amin’izy ireo aho.

Tamin’ny fitsidihan’izy ireo tsirairay, dia nataoko antoka ny tsy ho tao an-trano rehefa tonga izy ireo. Nisy zavatra manokana anefa nisarika ny saiko. Nitondra boky manga foana izy ireo. Mbola tsy nahita izany mihitsy aho, ary toa hafahafa tamiko izany.

Indray andro tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny, dia nanomboka niresaka tamiko momba ilay boky ny anabaviko. Tonga tampoka izy roa lahy. Indrisy anefa fa tsy afaka niafina tamin’izy ireo aho. Hitan’izy ireo izahay niaraka tamin’ilay boky manga—ny Bokin’i Môrmôna—ary nanomboka nanontany ny zavatra fantatro momba an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Rehefa nihaino ireo misiônera aho nanomboka tamin’io andro io dia nanaitra ahy ny fomba nampifandraisin’izy ireo ny fampianaran’izy ireo tamin’ny Bokin’i Môrmôna. Lasa tsy dia hafahafa tamiko intsony àry ilay boky manga.

Mbola nanana fisalasalana lehibe momba izany aho, saingy nanomboka namaky izany aho. Lasa takatro fa ny Bokin’i Môrmôna dia tsy solon’ny Baiboly fa naniry ny hanova ny fiainako sy hitondra ahy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Nianatra aho fa ny Bokin’i Môrmôna dia mifantoka amin’ny Mpamonjy. Nanampy ahy hahafantatra hoe iza Izy ary iza ny Ray any An-danitra ny fampianarany.

Tsy ela dia nanampy ahy ho lasa olona tsara kokoa ny Bokin’i Môrmôna, dia tena mpianatr’i Jesoa Kristy. Nanampy ahy hanatsara ny toe-tsaiko koa izany rehefa niatrika zava-tsarotra isan’andro aho. Araka ny traikefako tamin’ny fandalinana izany dia fantatro fa manampy ny olona hanatona an’i Kristy sy hiaina ny filazantsara izany (jereo ny Môrônia 10:32). Mandrisika antsika hanaraka ny fampianaran’i Kristy sy hampihatra izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro izany. Manome antsika fahalalana izany fa zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra isika. Mitondra fiadanana izany.

Taorian’ny herinandro maromaro nihaonana tamin’ireo misiônera sy namakiana ny Bokin’i Môrmôna dia natao batisa aho. Mijoro ho vavolombelona amin’ny foko manontolo aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna ary ny famakiana izany dia mitondra fanantenana sy fahazavana ao anatin’ny fotoana maizina indrindra, manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo sy ny fiarovany. Feno fankasitrahana aho manana ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainako.