“Tsy manirery intsony: fomba 7 hifandraisana,” Liahona, sept. 44.
Mitombo taona amim-pahatokiana
Tsy manirery intsony: fomba 7 hifandraisana
Ny fanirery dia fanamby izay azo resena amin’ny alalan’ny ezaka sy hery ara-pihetseham-po ary fanampiana avy amin’ny Mpamonjy.
Mety hahatsapa ho manirery isika rehetra indraindray. Ny fahatsapana ho manirery tsindraindray dia mety ho tsara ho an’ny fahasalama sy hahavitan-javatra, famantarana ara-biolojika izay ilaintsika hanorenana fifandraisana matanjaka kokoa. Fa ny fanirery maharitra ela kosa dia matetika sakana lehibe ho an’ny fahasambarana.
Ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra dia ahitana ny fanangonana antsika ao anatin’ny fianakaviana sy ao amin’ny mpiara-mivavaka. Izany dia manampy antsika tsy eo amin’ny fivoarantsika mandrakizay ihany fa eo amin’ny filantsika olombelona ihany koa mba ho eo anivon’ny hafa, hahatsapa ho manan-toerana, hanome sy handray fanohanana ara-pihetseham-po. Manomboka manaiky ny fifandraisana ara-tsosialy ho toy ny filàna biolojika mifandray amin’ny fahasalamantsika sy ny fahavelomantsika ny siansa.
Filàna ara-panahy koa izany. Mila ny tsirairay isika mba hahasoa sy hitombo ara-panahy. Ary mitondra fifaliana miavaka ny mieritreritra ny lanitra feno fifandraisana mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2 ).
Diniho ireto hevitra manaraka ireto mba hiadiana amin’ny fanirery eo amin’ny fiainanao:
-
Miantehera amin’ny Mpamonjy. Fantatry ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny maha-manirery anao ary te hanampy Izy Ireo. Afaka manampy anao hahafantatra fa takatry ny Mpamonjy ny zavatra tsapanao ny fahafantaranao fa Izy dia mahafantatra ny fanaintainana avy amin’ny fanirery. Ny fanatonana bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina ary ny fitsaohana amin’ny andro Sabata sy any amin’ny tempoly dia hanampy anao hahafantatra fa tsy irery na oviana na oviana ianao. Araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany no fifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.”
-
Aoka ianao ho sariaka. Ny fanirery indraindray dia mety hahatonga antsika hisalasala fa ny fanaovana ezaka dia hanampy amin’ny fampihenana ny fanaintainantsika. Manaova fandinihan-tena mba hahitana raha manana eritreritra miiba foana ianao. Eo am-pikarohana namana dia tadidio fa ilaina matetika ny endrika sariaka. Mety hitondra fiovana ny fiarahabana tsotra ny mpiara-monina iray. Ary ny fikatsahana fahafahana mba hitahy ny fiainan’ny hafa izay miady amin’ny fanirery ihany koa no mety ho fandraisana andraikitra mahery vaika indrindra amin’ny rehetra.
-
Miorena amin’ny tombontsoa iombonana. Mitadiava olona sy vondron’olona mitovy amin’ny anao ny zavatra mahaliana azy sy ny fomba fijeriny ary ny fenitra arahiny. Azonao atao ny mitady (na mieritreritra ny hanomboka mihitsy aza!) kliobana boky, kliobana fanompoana, kliobana mpitsangantsangana, vondrona mpihira, vondrona mpanao takarivan’ny mpianakavy, na vondrona olon-tokana.
-
Hamafiso ny fifandraisana efa misy. Ny ankamaroan’ny olona dia efa manana fifandraisana amin’ny fianakaviana, namana, mpifanolo-bodirindrina ary mpikambana ao amin’ny paroasy. Ny fikolokoloana ireo fifandraisana misy ireo dia toerana tsara hanombohana rehefa miady amin’ny fanirery. Maka fotoana hiorenana ho azy ny finamanana, koa mahareta rehefa mikolokolo fifandraisana. Tsarovy fa ny kalitaon’ny fifandraisanao dia manan-danja kokoa noho ny isan’ny fifandraisana anananao.
-
Mitadiava fahafahana hanompo sy hizara ny talentanao sy ny fanomezam-pahasoavana anananao. Saika tsy misy fetrany ny fahafahana manompo ny ao amin’ny Fiangonana sy ny fianakaviantsika ary ny fiaraha-monina. Rehefa mahatsapa isika fa misy vokany tsara eo amin’ny hafa ny ezaka ataontsika, dia afaka manana fahatsapana fa misy dikany sy misy tanjona ny fiainantsika. Ny fahatsapana fa misy dikany amin’ny hafa ny fiainantsika dia misakana mafy ny fahatsapana ho manirery.
-
Miomàna amin’ny fotoana sarotra. Mety ho sarotra ny fety sy daty manan-danja, toy ny tsingerintaona nahafatesan’ny olon-tiana iray. Manomàna zavatra atao miaraka amin’ny namana na fianakaviana amin’ny andro toy izany mba tsy hieritreritra ny fifandraisana irinao hananana.
-
Mandraisa anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Izany dia fomba mahery vaika hahatsapana fampiononana sy fananan-toerana anaty vondrona iray. Nampanantena fitahiana maro azontsika raisina ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, anisan’izany ny “fitomboan’ny fitiavana sy fankasitrahana bebe kokoa hatrany ny razambentsika sy ny havantsika mbola velona, mba hahatsapantsika ho irery intsony.”
Ho an’ny ankamaroan’ny olona, ny fanirery dia fanamby izay azo resena amin’ny alalan’ny ezaka sy hery ara-pihetseham-po ary fanampiana avy amin’ny Mpamonjy.