Liahona
Ny soa nentin’ny filazantsara teo amiko
Septambra 2024


“Ny tsara nentin’ny filazantsara teo amiko,” Liahona, sept. 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ny tsara nentin’ny filazantsara teo amiko

Nahatsapa ny Fanahy Masina aho noho ny olona tao am-piangonana.

sarin’ny mpanoratra sy ny vadiny

Maherifoko fony aho nihalehibe ny raibe avy amin’ny reniko, ilay acheii-ko. Natanjaka tao amin’ny finoany izy. Nandeha tany amin’ny fiangonana maro samihafa niaraka taminy aho, saingy tsy natao ho ahy ny fivavahana.

Rehefa nihaona tamin’i Gina aho, izay lasa vadiko, dia efa mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy. Tiany hianatra momba ny Fiangonana aho mba hahafahanay atao mariazy any amin’ny tempoly. Saingy tsy niriako izany. Tsy mpivavaka aho.

Natao mariazy ara-panjakana izahay nony farany. Taorian’ny nahazoanay zanaka dia mbola tsy liana tamin’ny Fiangonana aho, saingy nanohy nanatrika izany i Gina.

Farany, nanapa-kevitra aho ny hanaporofo fa diso ny fiangonany tamin’ny fandehanana tany amin’ny fiangonana hafa. Nitohy nandritra ny taona maromaro izany, saingy na taiza na taiza nalehako, dia tsy nahazo aina aho.

Avy eo, indray alahady raha nanomana ny zanakay vavy ho any am-piangonana i Gina, dia nanomboka niakanjo ho any am-piangonana koa aho. Nijery ahy izy ary nanontany hoe: “Inona ity ataonao?” Namaly aho hoe: “Handeha any am-piangonana miaraka aminao aho.” Nijery ny zanakay vavy izy ary niteny hoe: “Miomàna haingana! Tsy tiantsika hiova hevitra izy!”

Dia nandeha izahay. Satria nahatsapa ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ireo olona tao am-piangonana aho dia tena nilaina tamin’ny fiovam-poko izy ireo. Tonga tao an-tranonay ireo misiônera taorian’izay. Nahafinaritra izy ireo, nahafinaritra ahy ny fampianarana nozarainy, ary nameno ny foko ny Fanahy (jereo ny Môrônia 10:4–5).

Rehefa nitsidika ny raibeko aho mba hilaza aminy izay hitako dia tsy faly izy. Saingy fantatro fa tsy maintsy nanaraka ny foko aho.

Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho ary tsy ela dia nofehezina tany amin’ny tempoly izahay sy Gina. Nofehezina taminay ny zanakay vavy, ary manan-janaka telo hafa izahay izay teraka tao amin’ny fanekempihavanana.

Naharitra 10 taona vao nanaja ny zavatra inoantsika ao amin’ny Fiangonana ny acheii-ko. Tamin’ny fizarana diplaoman’ny zanako lahy tany amin’ny lise, dia nilaza tamin’ny olona rehetra tao Navajo izy hoe: “Tiako ity fianakaviana ity. Manohana ny zavatra inoany aho. Tena mahay mivavaka ny zanany.”

Izaho irery no mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakaviako, saingy fantatro fa manaiky izy ireo fa tena marina ny fiovam-poko, ary hitan’izy ireo ny soa entin’ny filazantsara ho an’ny vadiko sy ny zanakay ary izaho.