Fizarana 2: Andro 3
1 Nefia 3–4
Fampidirana
Nodidian’ny Tompo i Lehia handefa ireo zanany lahy hiverina any Jerosalema mba haka ireo takela-barahina any amin’i Labana. Raha toa ka tsy hitan’i Lamana sy i Lemoela izay fomba ahafahan’izy ireo manatanteraka ity didy ity, i Nefia kosa dia nanam-pinoana fa ny Tompo dia hanomana lalana hahazoana manatontosa izay notakiany. Na dia teo aza ny fahasarotana niverimberina, dia niezaka tamim-pahatokiana hatrany i Nefia tamin’ny fanaovana izay zavatra nandidian’ny Tompo. Vokatr’izany dia notarihin’ny Fanahy Masina izy ary nahazo ireo takelaka tamim-pahombiazana. Ny traikefa niainan’i Nefia dia maneho fa ny fiezahana hankato hatrany no mahatonga antsika ho mendrika ny fanampian’ny Tompo mandritra ny fotoan-tsarotra.
1 Nefia 3:1–9, 19–20
Niverina tany Jerosalema ireo zanakalahin’i Lehia
Efa niatrika toe-javatra sarotra iray ve ianao ary nanontany tena mikasika ny fomba hamahana izany? Ny lesona anio dia hanampy amin’ny fanamafisana orina ny finoanao sy ny fahavononanao ho mpankato rehefa miatrika toe-javatra sarotra. Atombohy amin’ny famakiana ny 1 Nefia 3:1–6, ary lokoy ao anatin’ny soratra masinao ny didy izay nomen’ny Tompo an’i Lehia mba ho tanterahan’ireo zanany lahy. Mariho ihany koa ny fahasamihafana teo amin’ny fihetsika nasetrin’i Lamana sy i Lemoela teo anatrehan’ny didin’ny Tompo raha ampitahaina amin’ny fihetsik’i Nefia.
Mba hahafahana mahazo tsara ny fahasarotan’ilay didy nomen’ny Tompo, dia mety hanampy ny fahafantarana fa ny halaviran-dalana avy any Jerosalema mankany amin’ny Ranomasina Mena (ny eladranon’i Akaba) dia mirefy eo ho eo amin’ny 300 kilaometatra ao anatin’ny tany mahamay sy karankaina feno mpangalatra maro. Efa nanao dia nandritra ny telo andro mihoatran’io toerana io i Lehia sy ny fianakaviany (jereo ny 1 Nefia 2:5–6), ary ankehitriny ny Tompo dia nilaza fa tokony hiverina any Jerosalema ireo zanany lahy. Vakio ny 1 Nefia 3:7–8, ary tadiavo ny antony naroson’i Nefia fa nahatonga ny fahavononany hankato ny didin’ny Tompo.
Nijoro ho vavolombelona i Nefia ny amin’ilay fitsipika hoe rehefa manao izay andidian’ny Tompo isika, dia hanomana làlana Izy ahafahantsika manatontosa izany. Rehefa manohy mandalina ny 1 Nefia 3 ianao, dia eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny ohatra feno risi-po sy fahavononana nasehon’i Nefia mitaona antsika ho tonga mpankato kokoa sy haneho finoana lehibe kokoa ho an’ny Tompo. Asio lanjany manokana ny fomba niatrehan’i Nefia ireo zava-tsarotra. Na dia tsy maintsy hiatrika fitsapana aza i Nefia rehefa niezaka naka ireo takela-barahina izy sy ny rahalahiny, dia nisafidy ny tsy himonomonona izy (jereo ny 1 Nefia 3:6).
Ireo takela-barahina dia ahitana ny “rakitsoratry ny Jiosy” (1 Nefia 3:3), izay tsy inona fa ny soratra masin’izy ireo. Hita ao ny sasany amin’ireo soratra sy fampahalalana izay hita ao amin’ny Testamenta Taloha ankehitriny, ary soratra hafa miendrika faminaniana ihany koa. Vakio ny 1 Nefia 3:19–20, ary tsipiho ireo zavatra hita ao amin’ny takela-barahina izay nahatonga izany ho zava-dehibe ho an’ny fianakavian’i Lehia sy ireo taranany.
Soratra Masina Fehezina—1 Nefia 3:7
Vakio in-telo ny 1 Nefia 3:7 (azonao ovaovaina ny fomba famaky azy raha tianao: mafy na mangina). Akombony ny soratra masinao, ary ezaho soratana ny valin’ireto fanontaniana ireto, tsy mijery ilay andinin-tsoratra masina:
-
Iza no niresahin’i Nefia?
-
Inona no nolazain’i Nefia fa ho ataony?
-
Inona no zavatra fantatr’i Nefia fa ho ataon’ny Tompo?
Sokafy ny soratra masina, ary avereno jerena ny 1 Nefia 3:7 sy ny valin-teninao.
Hoy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Nataoko ho fitsipika iainako izao: Rehefa mandidy ny Tompo, dia ataovy izany” (ao amin’ny History of the Church, 2:170). Diniho ny hanoratana io fanambarana io eo amin’ny soratra masinao, eo akaikin’ny 1 Nefia 3:7.
1 Nefia 3:10–31
Nangalatra ny fananan’i Lehia i Labana ary niezaka ny hamono an’i Nefia sy ireo rahalahiny
Mitahy antsika amin’ny fomba maro samihafa ny Tompo rehefa mankato ny didiny isika. Ny traikefan’i Nefia tamin’ny nahazoany ireo takela-barahina dia manohana ny fijoroana ho vavolombelona nananany fa Andriamananitra dia manomana lalana ho an’ireo Zanany mba hahafahan’izy ireo manatotontosa ny didiny (jereo ny 1 Nefia 3:7). Ampiasao ity tabilao manaraka ity mba handalinana ny andrana roa voalohany nataon’ireo zanakalahin’i Lehia mba hahazoana ireo takela-barahina. Soraty eo amin’ny tsanganana misy ny andrana tsirairay ny valin’ireo fanontaniana, na azonao atao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ihany koa ity asa ampanaovina ity.
Fanamarihana: Tamin’ny andron’i Nefia, ny an-tsapaka (jereo ny 1 Nefia 3:11) dia fomba iray nahazatra izay atao rehefa hanao safidy. Tamin’ny alalan’ny an-tsapaka no nikatsahan’i Nefia sy ny rahalahiny ny fitarihan’ny Tompo teo amin’ny fanatanterahana ny didiny hoe tokony hangalana ireo takela-barahina (jereo ny Ohabolana 16:33; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “An-tsapaka”).
Fanontaniana |
Andrana Voalohany |
Andrana Faharoa |
---|---|---|
| ||
| ||
|
-
Rehefa tsy nahomby ny andrana voalohany hangalana ireo takela-barahina, dia “nalahelo fatratra” i Nefia sy ny rahalahiny (1 Nefia 3:14). Avereno jerena ny 1 Nefia 3:15–16, dia farito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny nahasamihafa ny fihetsik’i Nefia tamin’ny an’ireo rahalahiny teo anatrehan’ny tsy fahombiazan’ny andrana voalohany.
-
Aorian’ny fandalinana ny andrana faharoa (jereo ny 1 Nefia 3:21–31), dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana ny fahatezerana sy ny fimonomononana ary ny tsy finoana no manakana antsika tsy haheno an’Andriamanitra?
1 Nefia 4:1–26
Azon’i Nefia ireo takela-barahina
Mariho ny fanontaniana izay napetrak’i Lamana sy i Lemoela ao amin’ny 1 Nefia 3:31. Raha toa ka teo amin’ny toeran’i Nefia ianao dia inona no navalinao ireo fanontaniana ireo? Vakio ny 1 Nefia 4:1–3, ary jereo ireo valiny namalian’i Nefia ny fanontanian’ireo rahalahiny. Nahoana araka ny hevitrao no nisafidy ny ohatr’i Mosesy sy ny Ranomasina Mena mba hamaliana ny fanontanian’izy ireo i Nefia? Manorata teny avy ao amin’ny valin-tenin’i Nefia tamin’ireo rahalahiny izay hitanao fa manainga fanahy:
I Mosesy ihany koa dia niatrika asa toa tsy azo tanterahina rehefa nasaina hitarika ny zanak’i Isiraely hiala tany Egypta. Na dia teo aza ireo andrana maromaro, dia tsy nahavita nandresy lahatra an’i Farao izy handefa ny Isiraelita. Na izany aza, dia niezaka hatrany i Mosesy nanao izay nandidian’ny Tompo azy, ary avy eo ny Tompo dia nanomana fomba ahafahany manafaka ny Isiraelita.
Nampiharin’i Nefia tamin’ny toe-javatra niainany manokana ny ohatr’i Mosesy, ary nahatoky izy fa Andriamanitra dia hanomana lalana ho azy ihany koa mba hahafahany mahazo ireo takela-barahina. Rehefa mandalina ny ampahany sisa ao amin’ilay tantara ianao dia jereo ny vokatry ny faharetana sy ny fahavononan’i Nefia hankato na dia teo aza ireo sakantsakana tany amboalohany.
Efa nisy zavatra tianao natao ve na nahazoanao fahatsapana fa tokony atao kanefa tsy mbola hainao avy hatrany hoe inona no anton’izany, ary rahoviana sy ahoana no fomba hanatanterahana izany? Ny Filoha Harold B. Lee dia nahatsikaritra fa matetika amin’ireny tranga ireny, dia “tiantsika ho hita eny am-boalohany ny fiafarany” mialohan’ny hanarahantsika ny fitarihan’ny Tompo, ary dia nanome izao torohevitra manaraka izao izy: “Tsy maintsy mianatra mandeha amin’ny sisin’ny faritry ny hazavana ianao, ary avy eo dia manao dingana vitsivitsy mankao amin’ny haizina, ary avy eo dia hipoitra ny hazavana ka haneho ny làlana eo anoloanao” (nolazaina tao amin’ny Boyd K. Packer, “The Edge of the Light,” BYU Today, mar. 1991, 23).
Vakio ny 1 Nefia 4:4–7, ary mariho ny fomba nanaovan’i Nefia dingana tamim-pinoana tao anatin’ny haizina (ny zavatra mbola tsy fantatra).
Inona no zava-dehibe ao amin’ny teny hoe “Na dia teo aza izany, dia nandroso aho” (1 Nefia 4:7)?
-
Manorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, trangan-javatra iray izay niangaviana zatovolahy na zatovovavy iray mba hanao zavatra iray, na naha voatariky ny Fanahy Masina azy hanao zavatra iray kanefa tsy fantany mialoha akory izay mety ho vokatr’izany. Angamba mety efa nisy fotoana izay nandrosoanao tamim-pinoana kanefa tsy nahafantatra mialoha akory hoe ahoana na rahoviana Andriamanitra no hanampy. Raha efa nisy ny toy izany, dia raiso an-tsoratra ao anatin’ny diarinao izany zavatra niainana izany. Azonao atao ihany koa ny mizara izany mandritra ny fotoam-pianarana.
Tsy fantatr’i Nefia ny antony sy ny fotoana ary ny fomba tokony hanampian’ny Tompo azy hanatontosa ny didy hoe haka ireo takelaka raha tsy taorian’ny namelany ny Fanahy Masina hitarika azy sy taorian’ny nanapahany hevitra handroso am-pinoana. Vakio ny 1 Nefia 4:8–26, ary jereo ny fomba nanampian’ny Tompo azy hahazo ireo takela-barahina.
-
Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo antony nomen’ny Fanahy an’i Nefia hamonoana an’i Labana (jereo ny 1 Nefia 4:8–13).
-
Valio ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana ity manao hoe: Inona no nianaranao avy amin’ny ezaka farany nataon’i Nefia mba hahazoana ireo takela-barahina, ka afaka hanampy anao hahita fahombiazana amin’ireo fanamby izay atrehanao na vao hatrehanao eo amin’ny fiainanao?
Raha toa ianao ka manoloana ireo fotoana eo amin’ny fiainanao manokana izay tsy ahafantaranao ny hoe fomba ahoana sy nahoana ary rahoviana, dia tsarovy ilay fitsipika asehon’ny zavatra niainan’i Nefia manao hoe: Raha toa isika ka mampihatra finoana an’Andriamanitra ary mikatsaka hanao izay lazainy, na dia tsy afaka mahita mialoha izay hitranga aza isika, dia hitarika antsika Izy amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
Fanazavana sy Fampahalalana ny Zava-miseho
Ilay Didy mba Hamonoana an’i Labana
Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa anjaran’ny Tompo ny mametraka ny fenitry ny marina sy ny diso: “Hoy Andriamanitra, ‘Aza mamono olona’ [Eksodosy 20:13]; ary tamin’ny fotoana hafa dia hoy Izy ‘Haringano tokoa ireo’ [Deoteronomia 20:17]. Izany no fitsipika itantanana ny fanjakan’ny lanitra—avy amin’ny alalan’ny fanambarana mifanaraka amin’ny zava-mitranga izay ametrahana ireo zanaky ny fanjakana. Na inona na inona angatahan’Andriamanitra dia marina avokoa, na inona izany na inona, na dia tsy hitantsika aza ny antony raha tsy fotoana ela aorian’ny hisehoan’ilay zava-mitranga. Raha toa ka mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra aloha isika, dia hanampy ho antsika ny zava-drehetra” (ao amin’ny History of the Church, 5:135).
Mety hanampy antsika hahatakatra ny antony nanirahan’ny Tompo an’i Nefia hamono an’i Labana ny fieritreretantsika ity teny ity: Ny Tompo dia nanome fahafahana an’i Labana, farafahakeliny in-droa mba hanome an-tsitrapo an’ireo takela-barahina, kanefa i Labana dia “tsy nety nihaino ny didin’ny Tompo” (1 Nefia 4:11). Mpandainga sy mpangalatra i Labana, ary nikatsaka ny hamono an’i Lamana izy ary tiany koa ny hahafaty ireo zanakalahin’i Lehia efatra, izay tokony ahazoany fanamelohana ho faty raha araka ny lalàn’i Mosesy (jereo ny Eksodosy 21:14). Fantatry ny Tompo fa tena zava-dehibe ho an’i Lehia sy ny taranany ny tokony hananany ny rakitsoratra masina, na dia “ahafaty ny olona iray” (1 Nefia 4:13) aza no ahatanteraka izany.
Tsy hoe nitondra fitahiana ho an’ny olona sy ireo firenena tao amin’ny Bokin’i Môrmôna fotsiny ihany ireo takela-barahina, fa nitahy sy nanome ireo fampianaran’ny Mpaminany fahiny mba ho antsika amin’izao andro izao, rehefa nadika tao amin’ireo takela-bolamena izay nandikana ny Bokin’i Môrmôna ny sasany amin’ireo soratra ireo (toy ireo teny avy tao amin’i Isaia sy ny fanoharan’i Zenôsa). Ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna manontolo, dia efa nitahy ary mbola hitahy ny fiainan’ireo vahoaka an-tapitrisany maro sy ireo firenena manerana izao tontolo izao ireo fampianarana avy ao amin’ireo takela-barahina ireo. Tamin’ny farany, dia ireo rehetra ireo no nosandaina rehefa nitsangana nanoloana an’i Labana i Nefia ka nanaraka ny feon’ny Fanahy Masina.
Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nanome ireto “sedra telo fohifohy” ireto mba hanampiana antsika tsy ho voafitaka mandritra ireo fotoan-tsarotra:
“1. Inona no voalazan’ny soratra masina nankatoavina mikasika izany? ‘Ho amin’ny lalàna sy ny teny vavolombelona ihany: raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy hiposahan’ny fahazavan’ny maraina,’ hoy i Isaia ( Isaia 8:20.) …
“Tokony handalina amim-pahazotoana ny soratra masina isika. Manan-danja manokana ho antsika ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. …
“2. Ny torolalana faharoa dia hoe: inona no voalazan’ireo Filohan’ny Fiangonana amin’ny andro farany mikasika io resaka io—indrindra fa ny Filoha velona? …
“Tsy misy afa-tsy olona iray ihany eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao no miteny ho an’ny Fiangonana (Jereo ny F&F 132:7; 21:4). Izany olona izany dia [ny] Filoha[n’ny Fiangonana]. Koa satria izy manome ny tenin’ny Tompo ho antsika amin’izao andro izao, dia ny teniny no manan-danja avy hatrany kokoa noho ny an’ireo mpaminany efa maty. Rehefa miteny eo ambany fanentanan’ny Fanahy Masina izy, dia atao hoe soratra masina ireo teniny (Jereo ny F&F 68:4). …
“Ny Filoha dia afaka miresaka momba izay mety ho lohahevitra tsapany fa ilaina ho an’ireo Olomasina. …
“3. Ny sedra fahatelo sady farany dia ny Fanahy Masina—ny sedran’ny Fanahy. Amin’ny alalan’io Fanahy io no ahazoantsika ‘… [mahafantatra] ny fahamarinan’ny zavatra rehetra’ (Môrônia 10:5). Tsy afaka ny hahomby tanteraka ity sedra ity raha tsy madio sy feno hasina ary tsy voatohintohin’ny fahotana ny zotram-pifandraisana amin’Andriamanitra” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1963, 16–17).
-
Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Nianatra ny 1 Nefia 3–4 aho ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).
Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: