Seminera
Fizarana 32: Andro 1, Môrônia 7:20–48


Fizarana 32: Andro 1

Môrônia 7: 20–48

Fampidirana

Araka ny voarakitra ao amin’ny Môrônia 7:20–48 dia nanohy ny toriteniny tao amin’ny sinagôga i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fampianarana ireo mpihaino azy ny fomba “hihazonana avokoa ny zavatra tsara”(Môrônia 7:20–21, 25). Nanazava ny maha-zava-dehibe ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana izy. Namarana ny toriteniny tamin’ny fangatahana iray izy dia ny mba hivavahan’ireo mpihaino azy amin’ny Ray amin’ny herin’ny fon’izy ireo manontolo mba hahazoana ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana izay nofaritan’i Môrmôna ho “ny fitiavana madion’i Kristy” (Môrmôna 7:47).

Môrônia 7:20–39

Nampianatra momba ny finoana an’i Jesoa Kristy i Môrmôna

Avereno jerena ny Môrônia 7:12–13 ary saintsaino izay nianaranao tao anatin’ny lesona teo aloha mikasika ny fomba hanavahana ny zavatra tsara amin’ny zavatra ratsy. Tanisao eo amin’ilay toerana malalaka nomena ireo zavatra tsara (zavatra izay avy amin’Andriamanitra sy mandresy lahatra antsika mba hino an’i Kristy) sy ireo zavatra ratsy (zavatra izay mandresy lahatra antsika tsy hino an’i Kristy sy tsy hanompo an’Andriamanitra):

Zavatra Tsara

Zavatra Ratsy

Diniho fa namporisika antsika mba “hihazona avokoa ny zavatra tsara” i Môrmôna (Môrônia 7:19). Saintsaino izay eritreretinao fa dikan’ny hoe mihazona avokoa ny zavatra tsara.

Nametraka fanontaniana manan-danja iray tamin’ny mpihaino azy i Môrmôna, izay notohizany tamin’ny famaliana izany avy eo. Vakio nyMôrônia 7:20 ary tadiavo ilay fanontaniana nomanin’i Môrmôna hapetraka? Dia vakio avy eo ny Môrônia 7:21–26 eo am-pitadiavana ny valin’ity fanontaniana ity.

Eo am-pijerenao ny Môrônia 7:21, 25 dia asio marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra ity fitsipika ity: Afaka mihazona avokoa ny zavatra tsara isika rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny Môrônia 7:22–26 amin’ny fomba ahoana no entin’ny Ray any an-danitra mba hanampiana antsika hanorina finoana an’i Jesoa Kristy?

    2. Oviana no nanampy anao mba hihazona ny tsara na nanampy anao nandà zavatra ratsy ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

Nanohy nanambara ny maromaro amin’ireo zavatra tsara izay tonga amin’ireo izay mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy i Môrmôna. Vakio ny Môrônia 7:32–34 ary asio marika ny fitahiana iray farafahakeliny ao amin’ireto andininy tsirairay ireto izay vokatry ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy.

  1. Mieritrereta ary mivavaha momba ny zavatra iray izay azonao atao mba hampiasana finoana an’i Jesoa Kristy lehibe kokoa. Rehefa manana tanjona ao an-tsaina ianao dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izany. Izany tanjona izany dia mety hoe, hanao zavatra iray manokana izay hanampy anao hanaraka ny tenin’ny mpaminany (jereo ny Môrônia 7:23), na hivavaka amim-pinoana lehibe kokoa (jereo ny Môrônia 7:26), na hibebaka amin’ny fahotana iray (jereo ny Môrônia 7:34). Eo am-panoratanao ny tanjonao dia soraty amin’ny antsipiriany koa ny fomba hanatanterahanao izany. Soraty ihany koa ny fomba hitondran’izany tanjona izany zavatra tsara eo amin’ny fiainanao.

Môrônia 7:40–43

Nampianatra momba ny fanantenana i Môrmôna

Ao anatin’ilay toriteny voarakitra ao amin’ny Môrônia 7 dia nilaza fitsipika masina telo izay ilaina amin’ny fiainana mandrakizay i Môrmôna. Nampianatra ny Loholona M. Russell Ballard avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “ireo fitsipika masina telo ireo dia mametraka fototra iray izay ahafahantsika manorina ny andry ijoroan’ny fiainantsika.” Nolazainy fa ireo fitsipika telo ireo “rehefa miaraka dia manome antsika fototra iray ianteherana toy ireo tongotry ny sezabory manana tongotra telo” (“The Joy of Hope Fulfilled,” Ensign, Nôv. 1992, 33).

Sary
sezabory manana tongotra telo

Ireto zavatra manaraka ireto dia hanampy anao hahita ireo fitsipika telo izay nolazain’i Môrmôna. Ny fitsipika voalohany dia finoana, izay vao nianaranao tao amin’ny Môrmôna 7:20–39. Asio anarana hoe Finoana an’i Jesoa Kristy ny iray amin’ireo tongotr’ilay sezabory.Tadiavo hoe maneho inona ilay tongotra faharoa amin’ny alalan’ny famakiana ny Môrônia 7:40. Soraty eo akaikin’ny iray amin’ireo tongotra hafan’ilay sezabory izany fitsipika izany.

Vakio ny Môrônia 7:41–42 ary fantaro izay zavatra nampianarin’i Môrmôna fa tokony hantenaintsika. (Soratra masina fehezina nyMôrônia 7:41.) Mety ho tianao ny hanampy hoe “hahazo fiainana mandrakizay’ eo amin’ilay soratra napetrakao teo amin’ilay tongotra faharoan’ilay sezabory mba hovakiana hoe “Fanantenana hahazo fiainana mandrakizay” izany.

Niresaka momba ilay fanantenana izay nolazain’i Môrmôna ny Filoha Dieter F. Uchtdorf:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ny fanantenana dia fanomezan’ny Fanahy. Izany dia fanantenana fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny herin’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty isika ho amin’ny fiainana mandrakizay ary izany dia noho ny finoantsika ny Mpamonjy. …

“Ny fanantenana dia tsy fahalalana fa kosa fahatokiana maharitra fa ny Tompo dia hanatanteraka ny fampanantenany amintsika. Izany dia fahatokiana fa raha manana fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra sy ny tenin’ireo mpaminany isika amin’izao fotoana izao dia handray ireo fitahiana irintsika amin’ny ho avy. Izany dia finoana sy fiandrandrana fa hivaly ny vavaka ataontsika. Izany dia miseho ao anatin’ny fananana fahatokiana, toe-tsaina tia mijery ny lafy tsaran-javatra, fientanentanana ary fikirizana amim-paharetana” (“Ny Hery Mandrakizain’ny Fanantenana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 21–22).

Fitsipika iray izay ianarantsika avy amin’ny Môrônia 7:40–42 ny hoe: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia mahazo fanantenana iray amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fa hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Vakio ny Môrônia 7:43 ary fantaro ireo toetra izay takiana mba hahazoan’ny olona iray ilay finoana sy fanantenana izay noresahin’i Môrmôna.

Ny atao hoe “malemy fanahy sy mietry am-po” dia manetry tena marina sy tso-po ary mankato ny sitrapon’ny Tompo. Nahoana araka ny eritreritrao no ilaina mba hananana finoana sy fanantenana amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fahalemem-panahy sy fietrem-po

  1. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny fomba nanomezan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany fanantenana ho anao.

Moroni 7:44–48

Mampianatra momba ny fiantrana i Môrmôna

Ivereno ilay sarina sezabory tany amin’ny fiandohan’ny lesona. Vakio ny Môrônia 7:44 ary fantaro ilay fitsipika fahatelo nampianarin’i Môrmôna. Soraty eo amin’ny tongotra farany an’ilay sezabory ity fitsipika farany ity.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Môrônia 7:44–48 dia nanome fanazavana mahery vaika mikasika ny fiantrana i Môrmôna. Vakio ny Môrônia 7:45–47 ary mariho ireo teny na andian-teny izay nampiasain’i Môrmôna mba hamaritana ny fiantrana. (Soratra masina fehezina nyMôrônia 7:45, 47–48.) Mba hanampiana anao hahatakatra tsara izay nampianarin’i Môrmôna dia mety ho tianao ny hanoratra ny sasany amin’ireto famaritana ireto ao amin’ny soratra masinao: ny “mahari-po” dia midika hoe mikiry amim-paharetana, ny “tsy mialona” dia midika hoe tsy mitsiriritra, ny “tsy mieboebo” dia midika hoe manetry tena sy malemy fanahy, ny “tsy mikatsaka ny ho azy” dia midika hoe mametraka an’Andriamanitra sy ny hafa ho lohalaharana, ny “tsy mora hantsina” dia midika hoe tsy mora tezitra, ary ny “mino ny zavatra rehetra” dia midika hoe manaiky ny fahamarinana rehetra.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny famaritana ao amin’ny Môrônia 7:45–47, nahoana araka ny eritreritrao no ilazana fa ny fiantrana no ilay fanomezam-pahasoavana ara-panahy lehibe indrindra afaka omena antsika?

    2. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe ny fiantrana dia tsy ho levona mandrakizay?

    3. Nahoana araka ny eritreritrao no tsinontsinona isika raha tsy manana fiantrana?

Taorian’ny nilazany ny fampianaran’ny Apôstôly Paoly momba ny fiantrana ao amin’ny 1 Korintiana 13dia nanome izao fanazavana izao ny Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny antony tsy maha levona mandrakizay ny fiantrana sy ny antony maha lehibe kokoa ny fiantrana noho izay mety ho asa tena tsara indrindra notanisainy dia satria ilay fiantrana , ‘ny fitiavana madion’i Kristy’(Moro. 7:47) dia tsy asa iray fa toetry ny tena. Tratra amin’ny alalan’ny fitohitohizan’ny fanaovana asa izay miteraka fiovam-po ny fiantrana. Ny fiantrana dia zavatra lasa toetran’ny olona iray. Noho izany, araka ny nambaran’i Môrônia, dia ‘raha tsy manana fiantrana ny olona dia tsy afaka mandova’ ilay fitoerana izay efa nomanina ho azy ireo any amin’ny fonenan’ny Ray (Etera 12:34; nampiana fanamafisana)” (“The Challenge to Become,” Ensign, Nôv. 2000, 34.)

Vakio ireto toe-javatra manaraka ireto ary saintsaino ny mety ho fomba fihetsikao raha toa ka tsy manana ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana ianao sy ny mety ho fomba fitsehikao raha toa ka feno fiantrana ianao:

  • Manakora anao na ankizy iray hafa any an-tsekoly ireo mpianatra hafa.

  • Manana mpiray tampo iray izay manorisory anao matetika ianao.

  • Tsy tianao tahaka ilay mpitarika teo aloha ny iray amin’ireo mpanorohevitra vaovao ao amin’ny kôlejinao na kilasinao.

Taorian’ny fanazavany ny maha-zava-dehibe ny fananantsika fiantrana eo amin’ny fiainantsika dia nanazava ny fomba hahazoantsika ity toetra manan-danja ity i Môrmôna. Vakio ny Môrônia 7:48 ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra ity fitsipika ity: Afaka ny ho feno fiantrana isika rehefa mivavaka amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo sy miaina toy ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy. Saintsaino ny antony maha-zava-dehibe ny mangataka ilay fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana amin’ny herin’ny fo manontolo fa tsy hoe mangataka tsotsotra fotsiny ity fanomezam-pahasoavana ity.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny momba ny fotoana iray izay nahatsapanao fa nanampy anao mba ho be fiantrana ny Tompo. Na manorata mikasika ny fotoana iray izay nahitanao olona iray naneho fiantrana. Ho fanampian’izany dia mametraha tanjona manokana iray hoentina hivoarana amin’ny iray amin’ireo toetry ny fiantrana izay voatanisa ao amin’ny Môrônia 7:45. Angataho ilay fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana rehefa miezaka manatanteraka ny tanjonao ianao.

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—Môrônia 7:41

Soraty eo amin’ny taratasy iray ilay andininy iray manontolo. Tanisao imbetsaka ilay andininy. Fafao (na tsipiho) ireo teny na andian-teny mandra-pahaizanao tsianjery ilay andininy manontolo.

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina— Môrônia 7:45, 47–48

Soraty eo amin’ny taratasy iray ny tarehintsoratra voalohan’ny teny tsirairay ao amin’ireto andininy telo ireto. Jereo ilay taratasy mba hanampiana anao hitanisa ireo andininy. Aorian’ny hitanisao imbetsaka ireo andininy ireo dia fafao na tsipiho ireo tarehintsoratra mandra-pahaizanao tsianjery ireo andininy. Dia misafidiana iray amin’ireto vondron’olona manaraka ireto izay tianao hanehoana fiantrana bebe kokoa: fianakaviana, mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy any am-piangonana, mpiara-mianatra, namana, na mpifanolobodirindrina. Mieritrereta momba ilay olona izay nofinidinao eo am-pamakianao ny Môrônia 7:45ary saintsaino ireo fomba hoentinao hanehoana fitiavana araka an’i Kristy bebe kokoa amin’ireo olona ireo.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny fomba iray na roa hanehoanao fiantrana bebe kokoa amin’ireo olona ireo. Mandritra ny herinandro manaraka dia mangataha fanampiana avy amin’ny Tompo mba hananana fiantrana lehibe kokoa amin’izy ireo. Rehefa any amin’ny faran’ny herinandro dia zarao amin’ny namana iray na mpikambana ao amin’ny fianakaviana ny zavatra niainanao.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Môrônia 7:20–48 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy