Seminera
Fizarana 4: Andro 4, 1 Nefia 18–19


Fizarana 4: Andro 4

1 Nefia 18–19

Fampidirana

Rehefa nanaraka ny torolalan’ny Tompo i Nefia sy ny fianakaviany dia nahavita ny fanamboarana ilay sambo ary nizotra nihazo ny tany nampanantenaina. Nandritra ny dian’izy ireo dia maro tamin’ireo tao anaty sambo no voatarik’i Lamana sy i Lemoela hikomy. Vokatr’izany dia nitsahatra tsy nandeha ilay Liahona ary nisy tafio-drivotra mahery nanambana ny haningotra ny ain’ireo olona rehetra tao anaty sambo. Rehefa nibebaka ireo mpikomy ary nivavaka tamim-pinoana i Nefia, dia nanomboka nandeha ilay Liahona ary nampitony ny tafiodrivotra ny Tompo ary nanohy nitarika ny dian’izy ireo indray. Rehefa tonga teo amin’ny tany nampanantenaina izy ireo dia nentanin’i Nefia ny fianakaviany mba hahatsiaro ny Tompo ary hampihatra ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo. Rehefa mandalina ny 1 Nefia18–19 ianao dia ampifandraiso amin’ny zavatra niainan’i Nefia tamin’ny nihatrehany fitsapana ireo fanamby izay hiatrehanao ireo fitsapana eo amin’ny fiainanao manokana. Katsaho ny hanaraka ny ohatr’i Nefia.

1 Nefia 18:1–8

Niomana ny hanainga ho any amin’ny tany nampanantenaina ny fianakavian’i Lehia

Nahoana no zava-dehibe ny miasa amim-pahazotoana sy ny mikatsaka fitarihana avy amin’ny Tompo? Ahoana no fomba nanehoan’i Nefia ireo toetra tsara roa ireo teo am-pananganana ilay sambo? Vakio ny 1 Nefia 18:1–8.

  1. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo teny na andian-teny rehetra ao amin’ny 1 Nefia 18:1–8 izay manoritsoritra ny ezaka nataon’i Nefia sy ny fianakaviany. Tadiavo daholo avy eo ireo teny na andian-teny izay maneho ny fomba nitarihan’ny Tompo sy nanampiany azy ireo. Inona no fifandraisana misy hitanao eo amin’ny ezaka nataon’i Nefia sy ny fanampiana azony avy tamin’ny Tompo?

Ny zavatra niainan’i Nefia dia maneho amintsika fa mba hanatanterahana izay andidian’ny Tompo, dia mila ny fanampiana avy Aminy isika ary manao izay ezaka vitantsika.

  1. Mieritrereta toe-javatra iray izay hiainanao amin’izao fotoana izao ka ilanao ny fanampian’Andriamanitra. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra izay azonao atao mba hikatsahana ny fitarihan’ny Tompo, sy ny ezaka izay tokony ataonao.

1 Nefia 18:8–25

Nitarika fikomiana tao anaty sambo i Lamana sy i Lemoela ka nampihemotra ny dia nankany amin’ny tany nampanantenaina

Rehefa mandalo fitsapana na ady mafy isika eo amin’ny fiainana dia mahazatra ny manontany tena hoe nahoana isika no miatrika olana tahaka izany. Angamba ianao na ny olom-pantatrao mety efa nametra-panontaniana hoe “Nahoana?” nandritra ny andro sarotra iray.

Ny Loholona L. Whitney Clayton ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia nitanisa loharano telo ho an’ireo ady mafy atrehantsika. Rehefa mamaky izany ianao dia tsipiho ireo loharano izay nosoritany.

Sary
Loholona L. Whitney Clayton

“Amin’ny ankapobeny, ireo enta-mavesatra eo amintsika dia avy amin’ny loharano telo. Ny enta-mavesatra sasany dia vokatra voa-janahary ateraky ny zava-misy eo amin’ny tontolo izay iainantsika. Ny aretina, ny kilema ara-batana, ny rivo-doza sy ny horohorontany dia tonga ombieny ombieny tsy avy amin’ny fahadisoan’ny tenantsika manokana. …

“Ny enta-mavesatra hafa indray dia mitambesatra amintsika noho ny fitondran-tena ratsin’ny olon-kafa. Ny herisetra sy ny fahazaran-dratsy mampiankin-doha dia mety ahatonga ny tokantrano ho lasa zavatra hafa ankoatran’ny lanitra eto an-tany ho an’ireo olona tsy manan-tsiny ao anatin’ny fianakaviana. Ny fahotana, ny fomban-drazana diso, ny fanagejana, ary ny heloka be vava dia mitambesatra amin’ireo iharan’izany mandritra ny lalam-piainana rehetra eny. Eny fa na dia ny fihetsika tsy voahevitra kely toy ny fosafosa sy ny haratsiam-panahy aza dia mety miteraka fijaliana tokoa ho an’ny hafa.

“Ireo fahadisoan’ny tenantsika manokana sy ny tsy mety ataontsika dia miteraka ny ankabeazan’ireo olana ananantsika ary mety mametraka enta-mavesatra lehibe eo an-tsorotsika ihany. Ny enta-mavesatra lafo [sarotra] indrindra izay ampitondraintsika ny tenantsika ihany dia ny enta-mavesatry ny fahotana. Isika rehetra efa samy nahafantatra ny fanenenana sy ny fanaintainana izay tsy maintsy manaraka ho azy ny tsy fahavitantsika nitandrina ireo didy” (“That Your Burdens May Be Light,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 12–13).

Sary
I Nefia voafatotra teo amin’ny andrin’ny sambo

Rehefa nanomboka niantsambo nihazo ny tany nampanantenaina i Nefia sy ny fianakaviany dia nandia fahasarotana maro izy ireo. Rehefa mandalina ny 1 Nefia 18 ianao dia mitadiava iray amin’ireo karazana fijaliana noresahan’ny Loholona Clayton. Vakio ny 1 Nefia 18:9–11, ary mitadiava ohatra amin’ny safidy ratsy izay nataon’ireo olona sasany tao anatin’ilay sambo.

Na dia tsy ratsy aza ny mandihy na ny mihaino hira na ny miala voly, ny 1 Nefia 18:9 dia manazava fa nanao ireo zavatra ireo “tamin’ny teny kivalavala be izy ireo.” Ny teny hoe kivalavala dia midika hoe: maniratsira, na miteniteny foana, na miteny ratsy. I Satana dia afaka mampiasa ny fandihizana sy ny mozika na ny fomba fitenintsika mba handotoana ny fo sy ny saintsika ka mahatonga antsika hamery ny fiarahan’ny Fanahy Masina.

Araka ny hita ao amin’ny 1 Nefia 18:10, dia inona no atahoran’i Nefia hitranga raha toa ka tsy mibebaka ireo izay mikomy? .

Inona no nataon’i Nefia mikasika izany? Inona no mety ho ataonao raha toa misy ray aman-dreninao iray na mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana mangataka anao mba hanova ny hira izay henoinao, na ny fomba fandihinao, na mba hitsaharanao tsy hiteniteny foana? Moa ve ianao ho vonona ny hihaino sy hiova?

Vakio ny 1 Nefia 18:12–14, 17–19, dia tadiavo ny vokatry ny fikomian’izy ireo. Ahoana no fomba nijalian’i Nefia sy ireo olon-kafa tao amin’ny fianakaviana vokatry ny zavatra nataon’ireo hafa? Mariho hoe ahoana no fiantraikan’ireo fihetsika feno fikomiana nataon’ny sasany teo amin’ny fahafahan’ilay vondron’olona iray manontolo handray fitarihana avy amin’Andriamanitra.

Ny zavatra ataon’ireo izay nikomy dia maneho amintsika fa ny fahotana dia miteraka fijaliana ho an’ny tenantsika ary indraindray ho an’ny hafa ihany koa.

  1. Ny fakam-panahy sasantsasany mahazatra atrehan’ireo tanora ankehitriny dia ahitana ny tsy fanajana ray aman-dreny sy ny mpitarika, ny fangalarana any am-pianarana, ny fifosafosana, ny fiakanjo tsy maontina, ny fandikana ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena, ny fandikana ny Tenin’ny Fahendrena (paraky, alikaola, ary rongony), ary ny fijerena pôrnôgrafia. Misafidiana roa na maromaro kokoa amin’ireo fakam-panahy ireo, ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe ahoana no fomba mety ho fiantrainkan’izy ireo tsirairay eo amin’ny fianakaviana sy ny naman’ilay olona izay voan’ilay fakam-panahy.

Ny ambiny sisa ao amin’ny 1 Nefia 18 dia mampianatra antsika ny fomba fihetsika rehefa tonga ny ady mafy, na tonga noho ny fanaovana safidy ratsy izany na noho ny tsy fahadisoana avy amintsika. Vakio ny 1 Nefia 18:15–16, 20–23, ary asio marika ireo andian-teny izay mampianatra antsika ny tokony atao amin’ny ireo toe-javatra roa ireo.

Misy fotopampianarana sy fitsipika maro hita taratra ao amin’ireo andininy ireo. Soraty eo aorian’ireto fanambarana tsirairay ireto hoe firy ny laharan’ilay andininy na ireo andininy ao amin’ny 1 Nefia 18:15–16, 20–23 izay tsapanao fa maneho ohatra amin’izany fahamarinana izany:

  • Afaka miandrandra any amin’Andriamanitra isika ary mitoetra ho mahatoky mandritra ireo fitsapana atrehantsika.

  • Ny vavaka dia afaka manampy antsika ahita fiadanana mandritra ny fitsapana atrehantsika.

  1. Mifidiana iray amin’ireo andininy izay nampiasainao teo amin’ny fampiasana tetsy ambony ka tena manan-danja aminao, ary hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hitiavanao izany. Ampiaraho amin’izany izay zavatra nianaranao tao amin’io andininy io sy izay zavatra nampianarin’izany anao mikasika ny fihetsika hiatrehana ny fijaliana. Raha toa ka nahita ohatra iray mikasika ny zavatra ampianarin’io andininy io teo amin’ny fiainanao manokana ianao na teo amin’ny fiainan’olon-kafa, dia soraty ihany koa ny mikasika izany.

Sary
Tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina i Lehia sy ny Vahoakany

Na dia teo aza ny ady mafy natrehan’izy ireo, dia tonga soa aman-tsara tany amin’ny tany nampanantenaina ihany i Nefia sy ny fianakaviany. Rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ihany koa ianao sy miasa mafy mba hanarahana izany, dia afaka ny hahomby ihany koa amin’ny famitana ny dia izay nandefasan’ny Tompo anao mba ho tanterahanao eto an-tany.

Nanolotra izao fijoroana ho vavolombelona izao ny Loholona L. Whitney Clayton :

“Na toy inona na toy inona ireo enta-mavesatra izay atrehantsika eo amin’ny fiainana vokatry ny toe-javatra voa-janahary, na noho ny fitondran-tena ratsy afitsoky ny hafa, na noho ny fahadisoantsika sy ny faharatsiantsika manokana, dia zanaky ny Ray any An-danitra izay tia antsika avokoa isika rehetra, izay nandefa antsika tety an-tany, izay anisan’ny ao anatin’ny Drafiny ho an’ny fitomboantsika sy ny fivoarantsika. Ireo traikefantsika manokana ho an’ny tenantsika dia afaka manampy antsika hiomana hiverina any Aminy. Ny fahoriantsika sy ny fijaliantsika, na dia sarotra zakaina toy ny ahoana aza, dia tsy maharitra, raha jerena amin’ny fijerin’ny lanitra, afa-tsy ‘fotoana fohy; ary avy eo, raha iaretan[tsika] tsara izany, dia hanandratra [antsika] ho amin’ny avo Andriamanitra’ [F&F 121:7–8]. Tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao isika mba hahazakana ‘tsara’ ny enta-mavesatsika na manao ahoana na manao ahoana ny halavan’ny ‘fotoana fohy’ hizakantsika azy ireny. …

“… Fantatro fa raha mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny fanekempihavanantsika isika, dia hanampy antsika Izy amin’ny enta-mavesatra zakaintsika. Mampahatanjaka antsika Izy. Rehefa mibebaka isika dia hamela heloka antsika Izy ary hitahy antsika amin’ny fiadanan-tsaina sy ny fifaliana” (“That Your Burdens May Be Light,” 13–14).

1 Nefia 19

Noraketin’i Nefia ireo faminaniana mikasika an’i Jesoa Kristy mba handresen-dahatra antsika hahatsiaro Azy

Rehefa tonga tao amin’ny tany nampanantenaina i Nefia dia naminany mikasika ny fiavian’ny Mpamonjy sy ny fomba handraisan’ny Vahoakany Azy. Vakio ny 1 Nefia 19:8–10, ary tadiavo ireo andian-teny izay mampianatra ny toetoetran’i Jesoa Kristy sy ny toetra ananany.

  1. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nampitombo ny fitiavanao ny Mpamonjy noho ny zavatra izay nianaranao tao amin’ny 1 Nefia 19:8–10.

Farano amin’ny famakiana ny 1 Nefia 19:18–19, 23 ny lesona androany sy amin’ny fanipihana ny zavatra izay nirian’i Nefia handresena lahatra ny vahoaka sy ny olona rehetra izay mamaky ny Bokin’i Môrmôna. Mijere fotoana androany ahafahanao mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy amin’ny namana na ny fianakavianao, na zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mandritra ny fivoriana iray karakarain’ny Fiangonana. Ny fanaovanao izany dia mety hahafahanao hanampy azy ireo hahatsiaro sy hino ny Mpanavotra azy.

  1. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba hahafahanao manaraka ny ohatr’i Nefia eo amin’ny fiainanao manokana.

  2. Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nianatra ny 1 Nefia 18–19 aho ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy