Seminera
Fizarana 1: Andro 3, Pejin-dohateny, Fanolorana, sy Fijoroana ho vavolombelona


Fizarana 1: Andro 3

Pejin-dohateny, Teny Fanolorana, ary ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona

Fampidirana

Alao sary an-tsaina hoe misy namanao iray manontany anao hoe nahoana ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no mila ny Bokin’i Môrmôna raha toa isika efa manana ny Baiboly. (Mety efa nanana izany traikefa izany ianao!) Inona no ho lazainao ilay namanao?

Ny Bokin’i Môrmôna dia miatomboka amin’ny pejin-dohateny sy teny fanolorana izay manazava ny tanjon’ity boky masina ity, anisan’izany ny vokatra mety ho entiny eo amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona sy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Ny fiatombohan’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa dia ahitana ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona izay nahita ny takelaka volamena izay nandikana ilay boky ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha avy any amin’Andriamanitra azy.

Rehefa mamita ity lesona ity ianao, dia eritrereto ny fomba hanovozanao zavatra betsaka indrindra avy amin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity sy ny fomba afaka hanampian’ny Bokin’i Môrmôna anao mba hanana fijoroana ho vavolombelona bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny filazantsarany tafaverina amin’ny laoniny.

Ny pejin-dohanteny

Sary
I Joseph Smith sy ireo takelaka

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanazava fa i Môrônia, izay mpaminany taloha, dia nanisy pejin-dohateny tao amin’ireo takela-bolamena: “Ny pejin-dohateny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia fandikan-teny ara-bakiteny, nalaina avy amin’ireo ravin-takelaka farany, eo amin’ny lafiny ankavian’ilay rakitsoratra na bokin’ny takelaka, izay mirakitra ny tantara izay nadika, … ary … io pejin-dohateny voalaza io dia tsy soratra natao taty aoriana velively, tsy nataoko sady tsy nataon’olon-kafa izay niaina na miaina amin’ity taranaka ity” ( Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith[2007], 60–61).

Rehefa mamaky ny fizarana voalohany amin’ny lahatsoratra ao amin’ny pejin-dohateny ianao, dia tadiavo ireo teny sy andian-teny izay nampiasain’i Môrônia mba hijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fandraisan’ny Tompo anjara amin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna.

  1. Hazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny maha zava-dehibe aminao ny fandraisan’ny Tompo anjara tamin’ny fanoratana sy ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa mamaky ny fizarana faharoa amin’ny lahatsoratra ao amin’ny pejin-dohateny ianao, dia tadiavo ireo tanjona telo nanoratana ny Bokin’i Môrmôna izay nomen’i Môrônia. (Afaka asianao marika ao amin’ny soratra masinao izany raha tianao.) Ny “mpianakavin’i Isiraely” dia manondro ireo izay taranak’i Jakôba sy ireo izay mpikambana amin’ny fanekempihavanana ao amin’ny fiangonan’ny Tompo (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Isiraely”). Fanampin’izany, tafiditra ao amin’ny andian-teny hoe “Jiosy sy Jentilisa” ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Ataovy ho anao manokana ilay hafatry ny pejin-dohateny ao amin’ny andalan-tsoratra faharoa amin’ny alalan’ny fanoloana amin’ny anaranao ny hoe “ny sisa tavela amin’ny mpianakavin’i Isiraely” sy ny hoe “ny Jiosy sy ny Jentilisa.”

  1. Hazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe tamin’ny fomba ahoana no nahazoana nahatakatra ny maha zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fahafantaranao ireo tanjony ireo.

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nilaza izao fanambarana izao mikasika ny “andraikitra lehibe” na tanjon’ny Bokin’i Môrmôna:

“Ny andraikitra lehiben’ny Bokin’i Môrmôna, araka izay voarakitra ao amin’ny pejin-dohateniny, dia ny ‘handresen-dahatra ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy, Ilay Andriamanitra Mandrakizay, izay maneho ny tenany amin’ny firenena rehetra.’

“Izay mikatsaka amin-kitsimpo ny fahamarinana dia afaka mahazo ny fijoroana ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy rehefa misaintsaina am-bavaka momba ny teny nentanim-panahy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy.

“Mihoatra ny antsasa-manilan’ireo andininy rehetra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no miresaka momba ny Tompontsika. Misy endrika isehoan’ny anaran’i Kristy izay voalaza matetika kokoa isaky ny andininy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna noho ny ao amin’ny Testamenta Vaovao aza” (“Come unto Christ,” Ensign, nôv. 1987, 83).

Araka izay ambaran’ny pejin-dohateniny, ny Bokin’i Môrmôna dia fijoroana ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy. Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao mandritra ity taona ity, dia mifantoha amin’ny zavatra ianaranao momba an’i Jesoa Kristy ary angataho ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka mba hanamafy izay zavatra nianaranao amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Teny Fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Moa ve ianao efa nanontany tena hoe ahoana no hahafahan’ilay andohalambo iray eo amin’ny tetezana na tranobe iray mba tsy hianjera kanefa tsy misy mihazona azy avy ety ambany? Rehefa aorina ny andohalambo iray, dia atsangana miaraka amin’ny fihazonana azy ny sisiny anankiroa. Ny elanelana eo amin’ny faratampon’ilay andohalambo avy eo dia refesina tsara, ary misy vato iray, antsoina hoe “vato ifaharana,” amboarina mba ho tafiditra tsara eo. Rehefa apetraka ilay vato ifaharana, dia afaka mijoro tsy mila fihazonana avy ety ivelany intsony ilay andohalambo. Alaivo sary an-tsaina ny zavatra hitranga amin’ilay andohalambo raha toa ka esorina ilay vato ifaharana.

Sary
andohalambo

Jereo ny teny fanoloran’ny Bokin’i Môrmôna ary vakio ny andalan-tsoratra fahenina, izay miatomboka amin’ny hoe: “Hoy ny Mpaminany Joseph Smith momba io rakitsoratra io: …” Rehefa mamaky io andalan-tsoratra io ianao, dia tadiavo ireo fitsipika telo manan-danja izay nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith momba ny Bokin’i Môrmôna.

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nanazava bebe kokoa momba ny maha vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna… Rehefa mamaky ilay teny ianao, dia tsipiho ireo andian-teny na filazana izay mety hanampy anao hanazava amin’ny olon-kafa ny anjara toerana lehiben’ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny fivavahantsika.

“Misy antony telo mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny fivavahantsika. Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy izany. Vato ifaharan’ny fotopampianarantsika izany. Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona izany.

“Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ary Izy dia vato ifaharan’ny zava-drehetra ataontsika koa. Mijoro ho vavolombelona mazava tsara sy amin-kery momba ny fisiany izany. …

“Araky ny efa voalaza teo aloha dia ny Tompo Tenany mihitsy no nilaza fa ny Bokin’i Môrmôna dia mitahiry ny “fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (F&F 20:9). Tsy midika izany hoe mitahiry ny fampianarana rehetra, na ny fotopampianarana nambara rehetra izany. Midika kosa izany fa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no hahitantsika ny fahafenoan’ireo fotopampianarana takiana amin’ny famonjena antsika. Ary nampianarina amin’ny fomba mazava sy tsotra izy ireo ka na dia ny zaza madinika aza dia afaka ny hianatra ireo lalan’ny famonjena sy ny fisandratana. …

“Farany dia vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna. Toy ny firodanan’ny andohalambo rehefa esorina ny vato ifaharana dia ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa no mampijoro na maharava ny Fiangonana. Takatr’ireo fahavalon’ny Fiangonana tsara izany. Izany no antony mahamaro an’isa ny fanandramana ataon’izy ireo hanaporofo fa tsy marina ny Bokin’i Môrmôna, satria raha very ny hasin’izany boky izany dia ho toy izany koa ny momba ny Mpaminany Joseph Smith. Ary toy izany koa ny fanambarantsika ny fananana ny fanalahidin’ny fisoronana, sy ny fanambarana ary ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny. Saingy tahak’izany koa, raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna—ary an-tapitrisany ireo efa nijoro ho vavolombelona fa nahatsapa ny tenivavolombelon’ny Fanahy fa tena marina tokoa izany—dia tokony hanaiky ny fanambarana mahakasika ny Famerenana amin’ny laoniny sy ireo zavatra rehetra miaraka amin’izany ny olona (Ensign, nôv. 1986, 5–6).

  1. Vakio ny andalan-tsoratra fahavalo ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna, izay miatomboka amin’ny “Manainga ny olona rehetra izahay, na aiza na aiza misy azy … ,” ka fantaro hoe ahoana no ahafahanao mahafantatra fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa avy mamaky io andalan-tsoratra io ianao, dia fenoy izao fehezanteny izao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina Rehefa mamaky, misaintsaina, sy mivavaka, ny Fanahy Masina dia …

Tahaka ny hanohanan’ny vato ifaharana ireo vato hafa ao amin’ny andohalambo, dia toy izany no hanamafisan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ireo fijoroantsika ho vavolombelona momba ny fitsipiky ny filazantsara hafa manan-danja. Vakio ny andalan-tsoratra fahasivy ao amin’ny teny fanolorana, izay miatomboka amin’ny “Ireo izay mandray izany tenivavolombelon’ Andriamanitra izany … ,” ary tsipiho ireo fahamarinana fanampiny anankitelo izay ho ahazoanao fijoroana ho vavolombelona raha manaraka ny torohevitra ao amin’ny andalan-tsoratra fahavalo ianao. Rehefa mamaky, misaintsaina, ary mivavaka momba ny Bokin’i Môrmôna isika, ny Fanahy Masina dia hijoro ho vavolombelona fa marina izany, fa i Jesoa no Kristy, fa i Joseph Smith dia mpaminan’Andriamanitra, ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ny Tompo ety an-tany.

  1. Hazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hiantsoana ny Bokin’i Môrmôna hoe vato ifaharan’ny fivavahantsika.

Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona

Alaivo sary an-tsaina hoe mpitsara ianao ary miezaka ny mamantatra izay marina momba ny zavatra nitranga nandritra ny adin’ny vondrona roa. Inona no maha zava-dehibe ny fisian’ny vavolombelona iray izay nanatrika izay zavatra nitranga? Inona no maha zava-dehibe ny fisian’ny vavolombelona maro?

Sary
Oliver Cowdery

Oliver Cowdery

Sary
David Whitmer

David Whitmer

Sary
Martin Harris

Martin Harris

Nasehon’ny Tompo an’ireo vavolombelona maromaro ireo takela-bolamena izay nandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna. Vakio ny “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo,” ary mariho ny andian-teny telo na efatra izay nampiasain’izy ireo hijoroana ho vavolombelona momba ny takelaka sy ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna. Avy eo dia vakio ny “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo.” Jereo ny fahasamihafana eo amin’ny traikefan’ireo vondrona anankiroa, araka izay aseho amin’ny tabilao etsy ambany.

Vavolombelona Telo

Vavolombelona Valo

  1. Nisy anjely iray nampiseho azy ireo ny takelaka, ny Orima sy Tomima, ny saron-tratra, ny Liahona, ary ny sabatr’i Labana.

  1. Nasehon’i Joseph Smith azy ireo ny takelaka.

  1. Ny feon’Andriamanitra dia nanambara ny maha avy any an-danitra ilay rakitsoratra.

  1. Nikasika tamin’ny tanana (“nanainga tamin’ny tanana”) ireo takela-bolamena izy ireo.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana izao: Nahoana no zava-dehibe ny fisian’ny vavolombelona hafa momba ireo takela-bolamena ankoatran’i Joseph Smith?

  2. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna, Joseph Smith, sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny. Raha tsapanao fa tsy mbola manana ny fijoroana ho vavolombelonao manokana ianao, dia soraty izay zavatra hataonao mba hanananao fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity. Mba hanamafisana ny fijoronao ho vavolombelona, dia zarao amin’ny ray aman-dreninao na olona iray hafa ao amin’ny fianakaviana na namana iray ireo fahatsapana anananao mikasika izay zavatra nosoratanao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diarim-pandalinanao ny filazantsara izao manaraka izao:

    Nianatra ny leson “Pejy Fanolorana ny Bokin’i Môrmôna” aho ary nahavita izany tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy