Seminera
Fizarana 25: Andro 2, 3 Nefia 13


Fizarana 25: Andro 2

3 Nefia 13

Fampidirana

Araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 13 dia nanohy ny lahateniny teo amin’ny tempoly tao an-tanin’i Soafeno ny Mpamonjy. Nampitandrina ny olona Izy mikasika ny fihatsarambelatsihy ary nampianatra azy ireo fa ny asa tsara ataon’izy ireo dia mahafaly ny Ray any an-danitra. Nampianatra ny valalabemandry ihany koa Izy mba hihary harena any an-danitra ary avy eo dia nandidy ireo mpianany roambinifolo hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra aloha izay vao miahiahy ny amin’ireo zavatra ara-nofo manahirana azy ireo manokana.

3 Nefia 13:1–18

Nampitandrina ny Nefita ny Mpamonjy mikasika ny fihatsarambelatsihy ary nampianatra azy ireo hanao asa tsara izay ankasitrahan’ny Ray any an-danitra

Ataovy ao an-tsainao ity tomban’ezaky ny tena manokana ity amin’ny alalan’ny fisafidianana izay fehezanteny tena mahalaza indrindra ny antony manosika anao hanao fanampiana (hanome ny hafa) sy hivavaka ary hifady hanina:

Manao fanampiana aho satria:

  1. Tokony hanao izany.

  2. Tiako ny Tompo ary tiako ny manampy olona hafa.

  3. Tiako ho tsara eo imason’ny hafa aho.

Mivavaka aho satria:

  1. Tsy te handà eo imason’ny olona hafa aho rehefa asaina mivavaka.

  2. Anisan’ny zavatra fanaoko mahazatra isan’andro fotsiny izany.

  3. Te hifandray amin’ny Raiko any an-danitra aho.

Mifady hanina aho satria:

  1. Manampy ahy hanakaiky ny Tompo ny fifadian-kanina.

  2. Hieritreritra ny olona hafa hoe ratsy aho raha tsy manao izany.

  3. Tsy mamela ahy hihinan-kanina ireo ray aman-dreniko rehefa tokony hifady hanina aho.

Ao amin’ny 3 Nefia 13 i Jesoa Kristy dia nampianatra ny valalabemandry Nefita mikasika ny maha zava-dehibe ny antony manosika ny olona iray hanao fanampiana sy hivavaka ary hifady hanina. Ireo valiny voatanisa ao amin’io tomban’ezaky ny tena manokana io dia ahitana taratra ireo antony isan-karazany mety hanosika antsika hanao ireo zavatra ireo na asa hafa maneho fahafoizan-tena eo amin’ny ara-pinoana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto: Zava-dehibe ve ny antony hanaovantsika asa tsara? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

  2. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity, ary fenoy izany amin’ny alalan’ny famakiana ny andinin-tsoratra masina tsirairay sy ny famaliana ireo fanontaniana roa. Rehefa mamaky izany ianao dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny mpihatsaravelatsihy dia olona iray izay mody maneho fahamarinana eo amin’ny endrika ivelany na milaza zavatra iray fa zavatra hafa no ataony.

    Asa atao

    Inona no antony manosika izay nanomezan’ny Tompo fampitandremana tsy ho hatao eo am-panaovantsika ity asa ity?

    Amin’ny fomba ahoana hoy ny Tompo no tokony hanaovantsika ity asa ity?

    Manao fanampiana (3 Nefia 13:1–4)

    Mivavaka (3 Nefia 13:5–6)

    Mifady hanina (3 Nefia 13:16–18)

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba fiantraikan’ny antony manosika antsika hanao asa tsara amin’ny fomba anaovantsika izany?

  • Inona avy ireo antony tsara manosika izay mety hitaona ny olona iray hanao fanampiana, na hivavaka, na hifady hanina ao amin’ny mangingina?

Antony tsara iray manosika hanao ireo zavatra ireo ny manao izay mahafinaritra ny Ray any an-danitra. Vakio ny 3 Nefia 13:4, 6, 18 ary tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay manao asa tsara ao amin’ny mangingina.

Fitsipika iray manan-danja nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo ny hoe: Raha manao asa tsara isika noho ny fitiavantsika ny Ray any an-danitra dia hanome valisoa ho antsika ampahibemaso Izy.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana nahatsapanao fa notahiana noho ny fikatsahanao hanao zavatra mba hahafaly ny Ray any an-danitra fa tsy hoe mba ho hitan’ny olona.

Avereno jerena vetivety ilay tomban’ezakao tany am-piandohan’ny lesona ary tombantombano ireo antony manosika anao hanao fanampiana sy hivavaka ary hifady hanina. Eritrereto ny fomba ahafahanao mampihatra ilay fampianaran’ny Mpamonjy hoe tokony hanatsarana ireo antony manosika anao hanao ireo zavatra ireo, na asa hafa maneho fahafoizan-tena ho an’ny Tompo.

Nanome torolalana fanampiny ho an’ireo Nefita ny Mpamonjy mikasika ny vavaka. Vakio ny 3 Nefia 13:7 ary tadiavo ny fomba namaritan’ny Mpamonjy ny teny averimberina na tsara lahatra izay ambara tsy amin-kitsimpo ao anatin’ny vavaka. Ny teny hoe foana dia midika hoe poaka aty na tsy noeritreretina na tsy tsapa. Ny famerimberenana foana dia mety midika ihany koa hoe mamerimberina tsy am-piheverana ireo teny efa fanonona na mivavaka tsy am-pinoana.

  1. Valio ao anaty diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny miala amin’ny famerimberenana foana ao anatin’ny vavaka ataontsika amin’ny Ray any an-danitra?

    2. Inona avy ireo zavatra azonao atao mba hisorohana ny famerimberenana foana rehefa mivavaka ianao?

Vakio ny 3 Nefia 13:8 ary mitadiava fitsipika iray nolazain’i Jesoa Kristy mikasika ny Ray any an-danitra. Azonao atao ny manisy marika io fitsipika io ao anatin’ny soratra masinao. Tanjona iray amin’ny vavaka ataontsika ny “hahazoantsika sy ny hafa ireo fitahiana izay efa tian’Andriamanitra homena [raha mangataka izany amim-pinoana isika]” (Bible Dictionary, “Prayer”, jereo ihany koa Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Vavaka” ).

Sary
zatovolahy mivavaka

Vakio ny 3 Nefia 13:9–15 ary saintsaino ny zavatra tian’ny Tompo ianaranao mikasika ireo vavakao. Mieritrereta fomba anatsarana ny vavakao amin’ny alalan’ny fampiharana ny zavatra nianaranao avy amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy.

3 Nefia 13:19–24

Nampianatra ny valalabemandry i Jesoa Kristy hihary harena any an-danitra

Efa namaky na nandre tantara mikasika ny harena very na nafenina ve ianao? Ao anatin’ireny tantara ireny indraindray dia tonga any amin’ny tanjony ihany ireo mpitady harena, saingy ny hany hitany dia hoe tsy tao akory ilay harena na tsy nisy mihitsy. Vakio ny 3 Nefia 13:19–20 ary fantaro ireo karazan-karena roa noresahan’ny Tompo. Iza amin’ireo harena ireo no nolazainy fa hijanona ho antsika mandrakizay raha katsahantsika?

  1. Valio ao anaty diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no maha-samihafa ny “harena … ety an-tany” sy ny “harena … any an-danitra”?

    2. Avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny 3 Nefia 13:21–24 dia inona avy ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fikatsahana harena ety an-tany sy harena any an-danitra? (Mety hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ireo andininy ireo ny mahafantatra fa ny teny hoe mamôna dia teny fampiasa hilazana zavatr’izao tontolo izao na ny harena.)

    3. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fikatsahana harena ety an-tany misarika ny saintsika tsy hikatsaka harena any an-danitra?

Tsy nampianatra ny Mpamonjy hoe ratsy ny vola na ny fananana ety an-tany. Saingy noantitranteriny ny maha zava-dehibe ny fametrahana ny fontsika amin’ny harena any an-danitra, izay haharitra, fa tsy amin’ny harena ety an-tany.

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny 3 Nefia 13:19–24 ny hoe: Mba hananantsika an’Andriamanitra ho tompontsika dia tsy maintsy tia sy manompo Azy mihoatra ny zavatra rehetra eto amin’izao tontolo izao isika.

Inona avy ireo ohatra amin’ny fiezahana sady manompo an’Andriamanitra no manompo an’i mamôna? Nahoana no mety ho sarotra ny mitia sy manompo mandrakariva an’Andriamanitra fa tsy ireo zavatr’izao tontolo izao? Nahoana no mendrika hanaovana ezaka ny fametrahana an’Andriamanitra ho lohalaharana?

  1. Vakio ireto ohatra manaraka ireto. Lazao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe iza no tompo tompoin’ilay olona: Andriamanitra sa mamôna (zavatr’izao tontolo izao).

    1. Nandà ny asa izay mitaky ny tsy hanatrehany ireo fivoriam-piangonana alahady ny zatovolahy iray, fa nisafidy kosa asa kely karama kokoa, izay tsy mitaky ny hiasany isaky ny alahady.

    2. Mitaraina matetika amin’ireo ray aman-dreniny ny zatovovavy iray fa mila akanjo vaovao izy. Tsy takatry ny fahefa-mividin’ny fianakaviany ireo akanjo iriany.

    3. Mandoa ny fahafolonkarenany tsy tapaka amin’ny vola raisiny avy amin’ny asany ny zatovolahy iray. Saingy laniany hividianana zavatra hialana voly ny ambin’ny karamany, anisan’izany ny horonan-tsary sy hira tsy mendrika, ary tsy nahatahiry vola ho an’ny asa fitoriana na ny fianarana izy.

    4. Mampiasa matetika ny ampahany amin’ny karamany ny zatovovavy iray mba hividianana fanomezana kely mba hanehoany ny fitiavany ny hafa.

3 Nefia 13:25–34

Nandidy ireo mpianatra roambinifolo ny Mpamonjy mba hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra alohan’ny zavatra manahirana azy ireo eo amin’ny ara-nofo

Sary
Nefita Telolahy

Nanome torolalana ireo mpianany Nefita roambinifolo i Jesoa Kristy rehefa nandeha nanompo teo anivon’ny vahoaka izy ireo mba tsy hiahiahy ny amin’izay zavatra ilain’izy ireo ara-nofo eo amin’ny ara-tsakafo sy ny fitafiana (jereo ny 3 Nefia 13:25–31). Vakio ny 3 Nefia 13:32–33 ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy tamin’ireo mpianany mikasika ny zavatra ilain’izy ireo eo amin’ny ara-nofo. Inona no nampanantenainy amin’ireo izay mametraka an’Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany?

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe: Raha ny fanjakan’Andriamanitra aloha no katsahantsika dia hanampy antsika amin’ny famatsiana izay ilaintsika Izy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no fomba hikatsahan’ny olona iray ny fanjakan’Andriamanitra aloha? (3 Nefia 13:33).

    2. Tamin’ny fomba ahoana no nandraisan’ny Tompo an-tanana ny zavatra nilainao rehefa nametraka Azy ho lohalaharana ianao teo amin’ny fiainanao?

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Ezra Taft Benson mikasika ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fametrahana an’Andriamanitra ho lohalarana eo amin’ny fiainantsika (azonao atao ny manoratra io teny notsongaina io amin’ny taratasy ary mitahiry izany ao anatin’ny soratra masinao mba hovakina na hozaraina amin’ny hoavy):

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Rehefa mametraka an’Andriamanitra ho lohalaharana isika dia mipetrapetraka tsara ny zavatra hafa rehetra na miala tsy ho ao anatin’ny fiainantsika. Ny fitiavantsika ny Tompo no hitantana ireo zavatra tiantsika, ny zavatra ampiasantsika ny fotoantsika, ny zavatra safidiantsika ho atao, ary ny fahaizantsika mandahatra ny zavatra ataontsika araka ny laharam-pahamehana. …

“Tokony omentsika toerana ambony miavaka eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra, ilay Rain’ny fanahintsika” (“The Great Commandment—Love the Lord,” Ensign, mey 1988, 4–5).

Saintsaino ny fomba nitahiana anao na ireo olona fantatrao noho ny fametrahana an’Andriamanitra ho lohalaharana teo amin’ny fiainanareo.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 13 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy