Seminera
Fizarana 23: Andro 2, Helamàna 11–12


Fizarana 23: Andro 2

Helamàna 11–12

Fampidirana

Ny Helamàna 11–12 dia mirakitra 14 taona teo amin’ny tantaran’ny Nefita ary maneho ny vahoaka miaina ao anatin’ny fifandimbiasan’ny fahamarinana sy ny faharatsiana. Noho ny avonavon’izy ireo dia nandà ny hibebaka tamin’ny faharatsiany ny vahoaka. Nanidy ny lanitra i Nefia ka nahatonga hain-tany sy mosary. Nampietry ny vahoaka ilay hain-tany sy ilay mosary ka nibebaka sy nitodika tamin’ny Tompo izy ireo. Koa satria tsy nifidy ny hanetry tena ny vahoaka dia nanomboka nanadino mora foana ny Tompo Andriamaniny izy ireo mandrapahatonga azy ireo hahatsapa fa tena mila tokoa ny fanampian’ny Tompo. Nanafay ny olony tao anatin’ny famindrampony Andriamanitra mba hitondrana azy ireo ho amin’ny fibebahana sy ny famonjena.

Helamàna 11

Niaina tao anatin’ny fifandimbiasan’ny fahamarinana sy faharatsiana ny Nefita

  1. Ataovy sary ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fifandimbiasan’ny fahamarinana sy faharatsiana ity. Ity fifandimbiasana ity matetika dia antsoina hoe ny “hodin’ny avonavona.” Jereo fa tsy hita ao anatin’ny fanehoana an-tsary ny singa laharana 4 ao amin’ilay hodina. Araka ny hevitrao dia inona no ilaina mba hanarenana ny vahoaka iray avy amin’ny faharavana sy ny fijaliana ho amin’ny fahamarinana sy ny firoboroboana? Eo am-pandalinanao ny Helamàna 11 dia mitadiava fampahalalana mba hanampy anao hameno io dingana io ao amin’ilay hodina.

    Sary
    Rightous Cycle

Araka ny hita ao amin’ny Helamàna 10 dia tsy nety nihaino ny tenin’Andriamanitra nambaran’ny mpaminany Nefia ny vahoaka. Avereno jerena ny Helamàna 10:18 ary fantaro hoe taiza ho aiza teo amin’ilay hodin’ny avonavona no nisy ireo Nefita tamin’io fotoana io (fiafaran’ny faha 71 taona nitondran’ny mpitsara).

Ity asa atao avy amin’ny soratra masina manaraka ity dia hanampy anao hahita io fifandimbiasan’ny fahamarinana sy ny faharatsiana io teo anivon’ny vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nandritra ny 14 taona teo amin’ny tantaran’izy ireo. Vakio ireto andinin-tsoratra masina ireto ao anatin’ity tabilao manaraka ity, izay notsongaina tao amin’ny Helamàna 11, manorata famaritana fohifohy momba ny toe-javatra niainan’ny Nefita, ary soraty eo ny laharana izay hametrahanao azy ireo eo amin’ilay hodin’ny avonavona. Omena ohatra roa ianao. Mitadiava teny hanampiana anao hameno ny dingana fahefatra izay banga eo amin’ilay hodina izay nataonao sary ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Taonan’ny Fitondran’ny Mpitsara

Helamàna 11

Famaritana Fohy Momba ny Toe-javatra Niainan’ny Nefita

Toerana misy azy ao amin’ilay Hodina

72–73

andininy 1–2

Nitombo ny fifandirana sy ny ady; nanohy ny asa fandravana ilay tarika miafin’ireo jirika.

2, 3

73–75

andininy 3–6

75

andininy 7, 9–12

76–77

andininy 17–18, 20–21

Nifaly sy nankalaza an’Andriamanitra ny vahoaka; marina izy ireo ka dia niroborobo indray.

4, 1

78–79

andininy 22–23

80

andininy 24–26

80–81

andininy 27–30, 32–35

82–85

andininy 36–37

Araka izay hita ao amin’ilay asa atao avy amin’ny soratra masina dia “fanetren-tena sy fibebahana” ilay singa 4 ao amin’ilay hodina. Soraty ao amin’ilay tabilao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina io.

  1. Tsy entina maneho fiaraha-monina iray fotsiny ny hodin’ny avonavona. Mety ho hita ao anatin’ny fianakaviana iray koa izany na eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Ny fahatakarana ny mahatonga azy io dia afaka manampy antsika hisoroka azy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra heverinao fa ilainao mba tsy hidiranao ao anatin’ireo dingan’ny “avonavona sy faharatsiana” na “faharavana sy fijaliana” ao amin’ilay hodina.

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao anatin’ny soratra masinao ao amin’ny Helamàna 11: Afaka miala amin’ny avonavona sy ny faharavana isika amin’ny alalan’ny fanetren-tena sy ny fibebahana. Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny Helamàna 11:4 ny zavatra nantenain’i Nefia fa hoentin’ny mosary ho an’ny olony.

Eritrereto ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Mila manaraka ny hodin’ny avonavona ve ny fiaraha-monina na fianakaviana na olona iray?

  • Araka ny hevitrao dia inona no tokony hataon’ny fiaraha-monina na fianakaviana na olona iray mba tsy ho voafandrika ao anatin’ny hodin’ny avonavona?

Nilaza izao manaraka izao ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny vavaka nataon’i Nefia: “Nahare ny fitalahoan’ny mpanompony ny Tompo [ao amin’ny Helamàna 11:10–14] ary nampitsahatra ny mosary, saingy tsy nanao izany raha tsy tamin’ilay taona manaraka. Ity zava-nitranga ity dia maneho fa mandre avy hatrany ny fitalahoantsika ny Tompo kanefa tsy mamaly raha tsy amin’ny fotoana izay heveriny araka ny fahendreny fa hahazoantsika tombony be indrindra avy amin’ny valiny izay omeny” (“Nefia, Zanakalahin’i Helamàna,” ao amin’ny Heroes from the Book of Mormon [1995,] 154.)

Nampianatra mikasika ny zavatra azontsika hatao ny Filoha Ezra Taft Benson mba tsy ho voafandrika ao anatin’ny hodin’ny avonavona:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Hanana vahoaka manetry tena Andriamanitra. Na isika afaka misafidy ny hanetry tena na isika voatery hanetry tena. Hoy i Almà hoe ‘Hotahiana izay manetry ny tenany, rehefa tsy terena hanetry tena.’ (Almà 32:16.)

“Andeha isika hisafidy ny hanetry tena.

“Afaka misafidy ny hanetry tena isika amin’ny alalan’ny fandresena ny fankahalana ny rahalahintsika sy anabavintsika, ka mandray azy ireo ho toy ny tenantsika ary manome azy ireo toerana ambony tahaka antsika na ambony kokoa noho ny tenantsika. …

“Afaka misafidy ny hanetry tena isika amin’ny fandraisana torohevitra sy famaizana. …

“Afaka misafidy ny hanetry tena isika amin’ny famelana ireo izay nanao ratsy tamintsika. …

“Afaka misafidy ny hanetry tena isika amin’ny fanaovana asa fanompoana tsy misy takalony. …

“Afaka misafidy ny hanetry tena isika amin’ny fandehanana manao asa fitoriana ary mitory ny teny izay afaka mampietry ny hafa. …

“Afaka misafidy ny hanetry tena isika amin’ny fandehanana matetika kokoa any amin’ny tempoly.

“Afaka misafidy ny hanetry tena isika amin’ny fibabohana sy ny fialana amin’ny fahotantsika ary aterak’Andriamanitra. …

“Afaka misafidy ny hanetry tena isika amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, amin’ny fampanarahana ny sitrapontsika amin’ny sitrapony ary amin’ny fametrahana Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika. …

“Andeha isika hisafidy ny hanetry tena. Afaka manao izany isika. Fantatro fa afaka isika” (“Beware of Pride,” Ensign, mey 1989, 6–7).

Helamàna 12

Nanazava ny antony hamaizan’ny Tompo ny vahoaka i Môrmôna

Alaivo sary an-tsaina hoe ny mpaminany Môrmôna ianao ary avy nanoratra mikasika ireo 14 taona tamin’ny tantaran’ny Nefita izay hita ao amin’ny Helamàna 11. Ahoana no hanohizanao ity fehezanteny manaraka ity: “Ary dia toy izany no ahafahantsika mahita .”

Vakio ny Helamàna 12:1 ary fantaro ny zavatra tian’i Môrmôna ho hitantsika. Eritrereto ny zavatra mety ho tian’i Môrmôna nambara tamin’ny hoe “tsy fitombenan’ny fon’ny zanak’olombelona.”

Halalino ny Helamàna 12:2–3 ary tadiavo ireo lesona hafa tian’i Môrmôna hianarantsika. Jereo akaiky ny andian-teny hoe “ahazoantsika mahita” (andininy 2) sy “toy izany no ahitantsika” (andininy 3).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny hevitrao no mora tokoa ho an’ireo izay miroborobo ny manadino ny Tompo?

    2. Inona avy ireo karazan-javatra mampiadana sy firoboroboana amin’izao androntsika izao, izay mety hitarika ny olona iray hanadino an’Andriamanitra?

    3. Inona no toe-javatra nisy fantatrao, izay nahitana fa nanadino ny Tompo ny olona iray na ny andian’olona maromaro tao anatin’ny firoboroboan’izy ireo?

Anisan’ireo lesona tian’i Môrmôna hianaran’ny olona mamaky ny asa sorany ireto manaraka ireto: Raha tsy mitandrina isika dia mety hitarika antsika hanadino ny Tompo ny firoboroboantsika, ary manafay ny vahoakany ny Tompo mba hanairana azy ireo ho amin’ny fahatsiarovana Azy.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Nampianarin’ny Loholona D. Todd Christofferson, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny antony hamaizan’ny Tompo antsika:

“Na dia sarotra aza matetika ny miaritra dia tokony ho faly isika fa mbola raisin’Andriamanitra ho zava-tsarobidy ka handaniany ny fotoany ary mbola ahitsiny.

“Misy tanjona telo farafahakeliny ny famaizana avy amin’Andriamanitra: (1) handresena lahatra antsika fa mila mibebaka isika, (2) hanadiovana sy hanamasinana antsika, ary (3) hamerenana antsika amin’ny lalam-piainana izay fantatr’Andriamanitra fa tsara kokoa ho antsika” (“Izay Rehetra Tiako no Anariko sy Faiziko,” Ensign na Liahona, mey 2011, 98).

Iza amin’ireo tanjona ireo no tsapanao fa ahitana taratra ny fikasan’ny Tompo tamin’ny namaizany ireo Nefita sy Lamanita ao amin’ny Helamàna 11–12? Inona avy ireo tanjona nampiasany famaizana teo amin’ny fiainanao?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Vakio ny Helamàna 12:4–6 ary tadiavo ireo famaritana fanampiny mikasika ireo izay manadino an’Andriamanitra. Inona avy ireo fihetsiky ny tena izay manakana ny olona tsirairay tsy hahatsiaro an’Andriamanitra?

    2. Vakio ny Helamàna 12:7–13. Nahoana i Môrmôna no nilaza hoe “ny zanak’olombelona … dia ambany noho ny vovoky ny tany”? Inona no ataon’ny vovoka kanefa tsy tian’ny olona atao indraindray?

Sary
Nahary ny Tany i Jehovah
Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Izao anefa, ny tian’io mpaminany [Môrmôna] io holazaina dia tsy hoe mitsinjo sy tia bebe kokoa ny vovoka ny Tompo mihoatra noho ny hitsinjovany sy ny hitiavany ireo zanany. … Ny tiany ho marihana dia hoe mpankatò ny vovoky ny tany. Mihetsika manketsy sy mankeroa noho ny didin’ny Tompo izany. Mirindra mifanaraka amin’ny lalàny ny zava-drehetra. Mankatò ny lalàna omena azy ny zavatra rehetra manerana an’izao rehetra izao, araka ny fantatro, afa-tsy ny olombelona ihany. Ahitanao lalàna sy filaminana avokoa na aiza na aiza jerenao, mankatò ny lalàna omena azy ny singa rehetra, manatanteraka tsara ny antsony. Ny olombelona kosa dia mikomy, ary amin’izay lafiny izay dia ambany noho ny vovoka ny olona satria tsipahiny ny torohevitry ny Tompo” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1929, 55).

Takatr’ i Môrmôna fa ny olona izay manaiky ny hanana an’Andriamanitra ho mpitarika azy dia lehibe kokoa noho ny vovoky ny tany. Nataony izany fampitahana izany mba hisarihana ny saintsika ho amin’ireo izay mpiavonavona sy mandà ny feon’ny Tompo ary manana fo tsy mitombina tsara. Araka izay voarakitra ao amin’ny Helamàna 12:9–20 dia nampahatsiahivin’i Môrmôna antsika ny hery lehibe ananan’ny Tompo amin’ny zavatra azo tsapain-tanana—mihetsika araka ny baiko omeny izy rehetra ireny. Makà fotoana hisaintsainana hoe hatraiza ny fankatoavanao ny didin’ny Tompo. Ahoana no ahitana fa maneho fanetrentena ny fahavononanao hankatò ny didiny? Ahoana no ahitana fa maneho avonavona ny fampiasantsika ny fahafahantsika misafidy hisafidianana ny tsy hankatò ny didiny?

  1. Soraty ary fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fehezanteny manaraka ireto:

    1. Ary dia toy izany no nahitako ao amin’ny Helamàna 11–12 …

    2. Noho izany aho dia …

Rehefa mahatsiaro ny Tompo isika, ka mihaino ny feony ary mibebaka dia maneho ny fanetrentsika tena sy ny finoantsika Azy. Ary ho setrin’izany dia mitana ny toky nomeny Izy hoe hitahy sy hampiroborobo antsika ary hanome antsika ny fiainana mandrakizay amin’ny farany.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Helamàna 11–12 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy