Seminera
Fizarana 21: Andro 4, Almà 59–63


Fizarana 21: Andro 4

Almà 59–63

Fampidirana

Nanoratra taratasy ho an’ny Kapiteny Môrônia i Helamàna, izay nilaza taminy momba ireo ezaka ataon’ny tafika ary nangataka fanampiana tamin’ny governemanta Nefita. Nifaly tamin’ny fahalalana momba ireo fahombiazan’i Helamàna ny Kapiteny Môrônia, kanefa tezitra tamin’ny governemanta izy noho ny tsy niraharahiany handefa miaramila fanampiny. Nanoratra taratasy naneho fahatezerana tamin’ny lohan’ny mpitsara, dia i Pahôrana ny Kapiteny Môrônia. Nilaza mikasika ny fikomiana natao tamin’ny governemanta i Pahôrana tao anatin’ny valinteniny. Nandeha nanampy azy sy nandresy ireo mpikomy i Môrônia. Ary afaka nandresy ny Lamanitra tamin’ny firaisan-kina ireo miaramila Nefita avy eo. Nisy fandriampahalemana indray teo amin’ny tanin’ny Nefita, izay namela an’i Helamàna sy ireo rahalahiny hifantoka amin’ny fananganana Fiangonana taorian’ny ady nandritra ny 14 taona.

Almà 59

Namoy toeram-pamaharana iray ny Nefita, ary nalahelo mafy noho ny faharatsian’ny vahoaka ny kapiteny Môrônia

Rehefa naharay taratasy avy amin’i Helamàna izay namariparitra ireo fahombiazan’ny miaramilany ny Kapiteny Môrônia dia nifaly izy sy ny vahoakany. Nandefa taratasy tany amin’i Pahôrana, izay mpitarika Nefita tao Zarahemlà, i Môrônia avy eo, nangataka azy handefa miaramila fanampiny sy vatsy ho an’i Helamàna. Tsy nisy miaramila fanampiny nalefa anefa. Noho izany dia voatery nitsoaka ny vahoakan’i Nefihà rehefa nanafika ny tanànan’i Nefihà ny Lamanita ary naka ny tanàna ny Lamanita.

Vakio ny Almà 59:9–12 ahafantarana ny fihetsik’i Môrônia tamin’ny fandresen’ny Lamanita. Asio marika ao amin’ny soratra masinao ity fehezanteny ao amin’ny Almà 59:9 ity: “Mora kokoa ny mitàna ny tanàna tsy hianjera an-tanan’ny Lamanita toy izay ny maka izany indray aminy.” Afaka mianatra ity fitsipika ity isika avy amin’izany fehezanteny izany: Mora kokoa ny mijanona ho mahatoky noho ny miverina amin’ny finoana rehefa avy nania.

  1. Halalino ilay fehezanteny nasianao marika tao amin’ny Almà 59:9 sy ilay fitsipika miavaka nantitranterina ao amin’ny andiam-pehezanteny teo aloha. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no mora kokoa ny misoroka ny fiankinan-doha amin’ny zavatra manimba noho ny miala amin’ny fiankinan-doha?

    2. Nahoana no mora kokoa ny mihazona fijoroana ho vavolombelona iray noho ny mahazo izany indray aorian’ny nahaverezany?

    3. Nahoana no mety ho mora kokoa ho an’ny olona iray ny mijanona ho mazoto ato amin’ny Fiangonana noho ny miverina ato am-piangonana rehefa avy nangatsiaka?

Sary
zatovolahy iray miankina amin’ny larimoara

Almà 60–62

Nanontany an’i Pahôrana mikasika ny anton’ny tsy firaharahian’ny governemanta i Môrônia

Nanapa-kevitra ny hanoratra fangatahana tamin’i Pahôrana, ilay lohan’ny mpisorona tao Zarahemlà ny kapiteny Môrônia taorian’ny nambaboan’ny Lamanita ny tanànan’i Nefihà. Vakio ny Almà 60:17–24, ary tadiavo ireo fiampangana izay nataon’i Môrônia momba an’i Pahôrana sy ny vahoakan’i Zarahemlà.

Vakio indray ny Almà 60:23, ary raiso an-tsoratra ny firesahan’ny Kapiteny Môrônia ny hoe fanadiovana ny “atin’ny vazy” aloha. Ny filàna ny fanesorana ny kolikoky tao amin’ny governemanta Nefita sy ny vahoakany no tiany hambara. Mihatra amin’ny fiainantsika ihany koa anefa ity andininy ity. Alaivo sary an-tsaina ny fametrahana loto sy fotaka ao anaty kaopy iray. Na dia nosasanao aza ny ivelan’ny kaopy, hahazo aina ve ianao hisotro zavatra amin’ilay kaopy?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Raha toa ka eritreretintsika hoe “vazy” ny tenantsika, inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manadio ny atin’ny vazy?

    2. Nahoana no ho fanompoana lehibe kokoa ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny fanadiovana atin’ny vazy?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 60:33–36, nilaza haingana tamin’i Pahôrana mba handefa vatan-dehilahy sy vatsy ho an’ny miaramilany sy ho an’ny miaramilan’i Helamàna ny kapiteny Môrônia. Nilaza i Môrônia fa raha tsy hanao izany i Pahôrana dia hitondra ny herin’ny tafika ho any Zarahemlà izy ary hanery azy hanao ireo zavatra ireo. Voarain’i Pahôrana ny taratasin’i Môrônia ary namaly azy haingana izy. Vakio ny Almà 61:1–5 ahitana ny zava-nitranga tao Zarahemlà.

Vakio ny Almà 61:9–14, ary mieritrereta mikasika ny fomba namalian’i Pahôrana ireo fiampangan’i Môrônia. Asio marika ireo fanambarana ireo, izay maneho ny hatsaran-toetran’i Pahôrana. Raha tokony ho tezitra i Pahôrana dia nanasa an’i Môrônia kosa izy mba hikambana aminy amin’ny herin’ny Tompo mba hiady amin’ireo fahavalo. Vakio ny Almà 62:1 ahitana ny zavatra tsapan’i Môrônia rehefa naharay ny valintenin’i Pahôrana izy.

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fahamarinana manaraka ireto: Azontsika atao ny misafidy ny tsy ho tezitra amin’ny teny na ny zavatra ataon’ny hafa. Matanjaka kokoa isika amin’ireo ady ataontsika amin’ny ratsy rehefa miombona amin’ny fahamarinana amin’ny hafa.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Afaka ny hotahiana amin’ny fisorohana sy fandresena ny fahatezerana izaho sy ianao amin’ny alalan’ny hery mampatanjaky ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. ‘Be fiadanana izay tia ny lalànao, ary tsy misy mahatafintohina azy’ (Salamo 119:165). …

“… nanoratra tamin’i Pahôrana ‘tamin’ny fomban’ny fanamelohana’ (Almà 60:2) i Môrônia ary niampanga mafy azy ho maneho tsy firaharahiana, fahalainana, ary tsirambina. Mety ho sosotra mora foana tamin’i Môrônia sy ny hafany i Pahôrana, kanefa nisafidy ny tsy ho tezitra izy. …

“Miseho amin’ny fomba hamaliantsika ny fahalemen’ny hafa, ny tsy fananany traikefa, sy ireo fihetsika mety hahatohina ataony ny iray amin’ireo zavatra lehibe indrindra maneho ny fahamatorana ara-panahintsika. Mety hanohina ny zavatra iray, na ny fiteny iray, kanefa afaka misafidy ny tsy ho tohina izaho sy ianao—ary hiteny toa an’i Pahôrana manao hoe: ‘tsy maninona izany’ [Almà 61:9]” (“And Nothing Shall Offend Them,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 90–91).

  1. Mieritrereta fotoana iray izay nisafidiananao ny tsy ho tohina tamin’ny teny na zavatra nataon’ny hafa. Manoratra andinin-tsoratra fohy momba ny maha zava-dehibe ny tsy ho tohina.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 62 dia nitondra ny miaramilany tany Zarahemlà mba hanampy an’i Pahôrana hanongana ireo mpomba ny mpanjaka—mpiendaka Nefita izay nitady hanangana mpanjaka sy hanao fanekempihavanana tamin’ny Lamanita. Nanakana an’i Pahôrana tsy handefa vatan-dehilahy sy vatsy mba hanampiana an’i Môrônia sy Helamàna ireo mpomba ny mpanjaka ireo. Nanambatra ny heriny i Môrônia sy i Pahôrana avy eo ary nahazo fanampiana avy tamin’ny tafika Nefita hafa handroahana ireo Lamanita hiala ny tany. Betsaka tamin’ireo Lamanita no nibebaka sy nikambana tamin’ny vahoakan’i Amôna nandritra ity fotoana ity.

Alaivo sary an-tsaina ny sasany amin’ireo zava-tsarotra izay efa mety ho nisy teo amin’ny fianakaviana sy ny tsirairay tamin’ny fiafaran’ny ady toy izany. Vakio ny Almà 62:39–41 ahitana ny fiantraikan’ireo fitsapana avy amin’ny ady tamin’ireo Nefita. Tadiavo ireo fahamarinana izay azonao fantarina ao amin’ireto andininy ireto eo am-pamakianao izany.

Soraty eo akaikin’ny Almà 62: 39–41 ao amin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika na fahamarinana manaraka ity: Afaka manakaiky hatrany ny Tompo isika mandritra ireo fizahan-toetra antsika.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no manakaiky bebe kokoa ny Tompo ny olona sasany rehefa miatrika fisedrana raha toa kosa ka miala Aminy ny hafa?

    2. Inona no nampianarin’ireo toko miresaka ady ireo anao mikasika ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ao anatin’ny fotoan-tsarotra na fisedrana?

Almà 63

Mandeha any amin’ny tany avaratra ny Nefita maro

Taorian’ny nahafatesan’i Helamàna (jereo ny Almà 62:52) dia naka ireo rakitsoratra masina i Siblôna rahalahiny. Vakio ny Almà 63:1–2 ahitana hoe karazan’olona toy ny ahoana i Siblôna. Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 63 dia maty i Môrônia sy i Siblôna, ary nandray ny fitondrana ny tafika Nefita i Môrônihà, zanakalahin’i Môrônia.

Vakio ny Almà 63:10–13. Nomen’i Siblôna an’i Helamàna, izay zanakalahin’i Helamàna ny fiandraiketana ireo rakitsoratra masina taorian’ny nahafatesany. Nitahitry ireo rakitsoratra izay efa voasoratra i Helamàna ary nanomboka nanoratra ilay rakitsoratra izay lasa bokin’i Helamàna.

Ny Almà 63:5–8 dia mirakitra ny hoe betsaka tamin’ireo Nefita no nandeha tamin’ny sambo nankany amin’ireo tany avaratra ary tsy heno intsony ny momba azy ireo. Ny fiafaran’ny Almà 63 ihany koa dia manambara fa nanomboka nisy fifandirana indray teo amin’ny Lamanita sy ny Nefita, ary izany no namarana ny boky lava sy feno fitaomam-panahin’i Almà.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 59–63 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy