Seminera
Fizarana 6: Andro 1, 2 Nefia 4–5


FIZARANA 6: ANDRO 1

2 Nefia 4–5

Fampidirana

Ao amin’ny 2 Nefia 4 ianao dia hamaky ny niantsoan’i Lehia ny taranany rehetra mba hanomezany azy ireo ny toroheviny farany sy ny tsodranony alohan’ny hahafatesany. Taorian’ny nahafatesan’i Lehia dia tezitra tamin’i Nefia i Lamàna sy i Lemoela noho ny fitoriany tamin’izy ireo ny “fananaran’ny Tompo” (jereo ny 2 Nefia 4:13–14). Noho izy sahiran-tsaina tamin’ny toetra sy ny fihetsika nasehon’ireo rahalahiny ary tamin’ny fahalemena sy fahotan’ny tenany manokana dia noraketin’i Nefia tamin’ny alalan’ny fiteny maneho fihetseham-po sy miendrika tononkalo ny zavatra tsapany (jereo ny 2 Nefia 4:15–35). Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 5, dia nampilaza mialoha an’i Nefia sy ireo izay nanohana azy ny Tompo mba handositra an’i Lamàna sy i Lemoela ary ireo zanakalahin’i Isimaela. Taorian’io fisarahan’izy ireo io dia niaina tao anatin’ny fahamarinana sy fifaliana ny Nefita ary ireo izay nijanona niaraka tamin’i Lamàna sy i Lemoela kosa dia nampisaraka ara-panahy ny tenany tamin’ny Tompo. Ny fanoloran-tenan’i Nefia tamin’ny Tompo dia nanome hery azy handresena ny fahotana sy ny fahakiviana. Dia noraketin’i Nefia ny niainan’izy sy ny olony “tao amin’ny toetry ny fahasambarana” (2 Nefia 5:27).

2 Nefia 4:3–11

Nanoro hevitra sy nitsodrano ny fianakaviany i Lehia

Mieritrereta fotoana iray izay nandraisanao torohevitra avy amin’ny reninao na ny rainao na ireo mpitarika anao. Moa ve narahanao ilay torohevitra? Nahoana no narahanao na tsy narahanao ilay torohevitra? Manenina ve ianao? Ao amin’ny 2 Nefia 4:1–11, no niraketan’i Nefia ny torohevitra farany sy tsodrano nomen’i Lehia ny fianakaviany. Vakio ny 2 Nefia 4:4–5, ary tadiavo ny torohevitra nomen’i Lehia ny zanany izay afaka miantefa any aminao koa. Moa ve efa nanome torohevitra mitovy amin’izany ny ray aman-dreninao na ny olona ao amin’ny fianakavianao na ireo mpitarika anao?

Sary
I Lehia mihazona ny takela-barahina
  1. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo fitahiana izay tonga teo amin’ny fiainanao avy amin’ny fihainoana ny torohevitr’ireo olona izay tia anao. Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fankatoavana ny didin’ny Tompo?

2 Nefia 4:12–35

Naneho ny fahatokiany ny Tompo i Nefia ary niaiky ny fahalemeny

Ao amin’ny 2 Nefia 4:12–35, no nanoratan’i Nefia “ny zavatry ny fanahi[ny]” (2 Nefia 4:15). Vakio ny 2 Nefia 4:15–16, ary tadiavo ny zavatra izay mahafinaritra an’i Nefia.

Eritrereto ireo zavatra mahasoa izay mitondra fifaliana lehibe ho anao. Fenoy amin’ny alalan’ny valiny maro ity andian-teny manaraka ity: ny fanahiko dia finaritra amin’ny .

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny dikan’ny hoe finaritra amin’ny zavatry ny Tompo araka ny eritreritrao.

Nolazain’i Nefia fa “[ny fony dia misaintsaina]” (2 Nefia 4:15) ny soratra masina. Ny hoe misaintsaina dia tsy midika hoe mandinika sy mieritreritra lalina fotsiny momba ny soratra masina fa manokatra koa ny fontsika hahazo fanambarana sy fahatakarana.

Niaina fotoam-pifaliana lehibe i Nefia teo amin’ny fiainany, kanefa nandalo fotoan-tsarotra koa izy. Ivereno ny 2 Nefia 4:12–13 mba hahitana ireo olana sarotra natrehan’i Nefia nandritra izany fotoana izany teo amin’ny fiainany.

Vakio ny 2 Nefia 4:17–18, ary tadiavo izay zavatra hafa nampalahelo an’i Nefia. Rehefa mamaky izany ianao dia tazony ao an-tsaina ireto famaritana manaraka ireto: Ny hoe fadiranovana dia midika hoe ory. Ny hoe nofoko dia ilazana ny fahelementsika amin’ny maha-olona mety maty antsika. Na dia nahatsapa alahelo noho ny fahotany aza i Nefia dia tsy tokony ho eritreretina mihitsy izany hoe nahatsapa ho meloka noho ny fandikan-dalàna lehibe izy.

Mieritrereta fotoana iray teo amin’ny fiainanao izay nahatsapanao zavatra nitovy tamin’ny an’i Nefia (toy ny fotoana namoizanao olona iray akaikin’ny fo, na nahatezitra ny hafa taminao noho ny fanarahanao ny Tompo, na niatrehanao fitsapana na fahadisoam-panantenana, na nahatsapanao alahelo noho ireo fahotanao sy fahalemenao ary fakam-panahy). Vakio ny 2 Nefia 4:19, ary tadiavo ny andian-teny izay maneho ny fanantenan’i Nefia na dia teo aza ny fahoriany. Inona araka ny eritreritrao no tian’i Nefia holazaina rehefa niteny izy hoe: “Fantatro izay efa nitokiako”? Ahoana no ahafahanao manana fahatokiana lehibe kokoa an’Andriamanitra?

Rehefa manohy ny fandalinanao ianao dia mitadiava porofo ao amin’ny fitsipiky ny filazantsara izay maneho fa manampy izay mametraka ny fahatokiany eo Aminy Andriamanitra.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fanontaniana ao anatin’ity tabilao manaraka ity:

Soratra Masina

Ny Fiantefan’ireo Andininy ireo tamin’i Nefia

Ny Fiantefan’ireo Andininy ireo Aminao

2 Nefia 4:20–25

  1. Inona no fitahiana azon’i Nefia tamin’ny Tompo taloha ka nahatonga azy nametraka fitokiana taminy?

  1. Inona no fitahiana azonao avy amin’ny Tompo rehefa natoky Azy ianao?

2 Nefia 4:26–30

  1. Ahoana no fiantraikan’ny fahatsiarovan’i Nefia ny fitahiana azony teo amin’ny faniriany ho marin-toetra?

  1. Ahoana no fiantraikan’ireo fitahiana nomen’ny Tompo anao teo amin’ny fanirianao ho marin-toetra?

2 Nefia 4:31–33

  1. Inona no nangatahin’i Nefia tao anatin’ny vavaka?

  1. Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo andinin-tsoratra masina ireo ao anatin’ny vavaka ataonao?

Vakio ny 2 Nefia 4:34–35, ary asio marika ireo andian-teny izay maneho ny fahatokian’i Nefia ny Tompo.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao avy amin’ny fandalinana ny 2 Nefia 4:17–35 ary ireo fomba tianao hampitomboana ny fahatokianao ny Tompo.

2 Nefia 5:1–8

Nosarahan’ny Tompo tamin’ny Nefita ny Lamanita

Rehefa mandalina ny 2 Nefia 5 ianao dia mieritrereta olana na fanapahan-kevitra sarotra izay mety atrehanao na efa natrehanao. Nohazavain’i Nefia ato anatin’ity toko ity fa ny rahalahiny dia “nitady ny handatsaka ny ai[ny]” (2 Nefia 5:2). Jereo ao amin’ny 2 Nefia 5:1 ny zavatra nataon’i Nefia mba hamahana izany olana izany. Dia asio marika ao anatin’ny soratra masinao ny zavatra nataon’ny Tompo mba hanampiana an’i Nefia ao anatin’ny 2 Nefia 5:5.

Sary
andiana Nefita

Noho izany fampitandremana izany dia nandao ilay tany lovany voalohany i Nefia sy “ireo … rehetra izay nino ny fampitandremana sy ny fanambaran’Andriamanitra” (2 Nefia 5:6). Nanao dia “nandritra ny andro maro” (2 Nefia 5:7) izy ireo ary nipetraka tao amin’ny toerana iray nantsoin’izy ireo hoe Nefia. Izany zava-nitranga izany dia mampiseho fa ny fiarovana dia tonga amin’ny alalan’ny fankatoavana ny fanambaran’Andriamanitra.

Vakio ity fijoroana ho vavolombelon’ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy ity: “Tsy mahagaga raha toa ka tsy mamela antsika irery hitady ny lalantsika ny Tompo eo anatrehan’ny ratsy sy ny fakam-panahy lehibe. Raha ny marina dia misy fitarihana ampy tsara ho antsika tsirairay raha toa isika ka mihaino. Nomena ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao mba hitarika sy hanentana ny fanahinao. Manana ny soratra masina, ny ray aman-dreny sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary ny mpampianatra ianao. Manana ireo tenin’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara izay miaina amin’izao androntsika izao koa ianao. Tena betsaka tokoa ny fitarihana ka tsy tokony hanao fahadisoana lehibe ianao raha tsy hoe inianao tsy raharahiana ilay fitarihana azonao” (“The Blessings of General Conference,” Ensign, nôv. 2005, 51).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fampitandremana iray azonao avy amin’ny Tompo na ny mpaminaniny na ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana. Inona no ataonao mba hanarahana izany fampitandremana izany? Ahoana no fomba nanampian’izany fanarahana ilay fampitandremana izany anao teo amin’ny fiainanao ary ahoana no fomba hanampian’izany anao amin’ny ho avy?

2 Nefia 5:9–18, 26–27

Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana ny Nefita

Rehefa avy nitantara ny toe-javatra niteraka ny fisaratsarahan’ny fianakavian’i Lehia i Nefia dia namaritra ny karazam-piainana teo anivon’ny “olon’i Nefia” (2 Nefia 5:9). Vakio ny 2 Nefia 5:27, ary asio marika ilay andian-teny izay maneho ny fomba niainan’ny Nefita. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe miaina “ao amin’ny toetry ny fahasambarana”?

  1. Vakio tsara ny 2 Nefia 5:10–18, 26, ary asio marika ao anatin’ny soratra masinao ny zavatra nananan’ny Nefita na nataony ka nahatonga ilay fahasambarany. Fidio ny iray amin’ireo zavatra ireo ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nitondran’izany zavatra natao na toetra izany fahasambarana ho anao. Ohatra, raha toa ianao ka nisafidy ilay hoe nanorina tempoly iray ny Nefita (jereo ny 2 Nefia 5:16), dia azonao soratana ny fomba nitondran’ny tempoly fahasambarana ho anao sy ny fianakavianao.

Ireo fihetsika sy toetra hitanao dia tafiditra ao anatin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 2 Nefia 5:27: Rehefa lasa fomba fiainantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mampitombo ny fahasambarantsika isika. Zava-marina izany ho an’ireo Nefita na dia nandritra ny fotoana iray nisian’ny fahasarotana lehibe aza. Diniho ny fiainanao ary mivonona hanao zavatra iray mba hiainana feno kokoa ao amin’ny toetry ny fahasambarana. Soraty ao anatin’ny diarinao manokana izany na ao anatin’ny soratra masinao. Ny fitsipika izay nianaranao androany dia mitondra any amin’ny fahasambarana.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 4–5 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy