Seminera
Fizarana 24: Andro 4, 3 Nefia 11:1–17


Fizarana 24: Andro 4

3 Nefia 11:1–17

Fampidirana

Fotoana vitsy taorian’ilay faharavana lehibe sy ireo telo andro nisian’ny haizina dia lehilahy sy vehivavy ary ankizy tokotokony ho 2.500 no niara-tafavory manodidina ny tempoly tao an-tanin’i Soafeno (jereo ny 3 Nefia 17:25). Nahare feo izy ireo, izay tsy azony tamin’ny voalohany. Rehefa niezaka nihaino izy ireo dia nahatakatra fa feon’ny Ray any an-danitra izany izay nampahafantatra an’i Jesoa Kristy Zanany Lahy. Niseho ny Mpamonjy an’izao tontolo izao. Nanasa ny vahoaka i Jesoa Kristy mba hijery mivantana tsirairay fa novonoina tokoa Izy noho ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny fitsapana ny holatra teo amin’ny lanivoany sy ny diam-pantsika teo amin’ny tanany sy ny tongony.

3 Nefia 11:1–7

Ren’ny vahoaka ny feon’ny Ray nanambara ny fisehoan’ny Zanany Lahy

Mivoaha any ivelany miaraka amin’ny pensilihazo sy ity boky torolalana ity ary mihainoa mandritra ny 60 segondra. Soraty eo amin’ny faritra natokana ho amin’izany ireo feo rehetra izay renao, betsaka araka izay vitanao:

Asio kintana eo akaikin’ny feo tsirairay izay heverinao fa sarotra ny mamantatra azy na tsy ho tsikaritrao akory raha tsy miezaka mihaino. Miverena avy eo ao amin’ny efitrano fianarana.

Fotoana fohy taorian’ilay fandravana lehibe sy ny haizina izay nanambara ny fahafatesan’i Jesoa Kristy dia niara-tafavory teo amin’ny tempoly tao an-tanin’i Soafeno ny Vahoaka. Raha mbola niady hevitra mikasika ny zava-niseho izy ireo dia nisy traikefa mahatalanjona niseho, izay tsy azon’izy ireo tamin’ny voalohany. Vakio ny 3 Nefia 11:1–3 ary tadiavo ny zavatra izay nanahirana ny olona ny nahatakatra azy. Azonao atao ny manisy marika ny fomba namaritana ny feon’Andriamanitra sy ny fiantraikan’io feo io tamin’ireo izay nandre izany.

Makà fotoana hieritreretana mikasika ny fitovian’ny toetran’ilay feo ren’ny vahoaka amin’ny bitsika azontsika avy amin’ny Fanahy Masina. Inona no fahamarinana azonao ianarana avy amin’ny 3 Nefia 11:1–3 mikasika ny fomba iresahan’ny Tompo sy ny Fanahy Masina amintsika matetika? Fotopampianarana iray izay hitantsika haseho ao amin’ireo andininy ireo ny hoe: Ny Fanahy Masina matetika dia miresaka amintsika amin’ny feo tony sy malefaka izay tsapantsika ao am-pontsika.

Ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apostôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba fiasan’ny feon’ny Tompo, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, eo amin’ny saintsika sy ny fontsika:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Angamba ny zavatra lehibe indrindra nianarako avy tamin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna dia hoe ho tonga toy ny fahatsapana ny feon’ny Fanahy fa tsy toy ny feon-javatra. Hianatra ianareo, tahaka ny nianarako, ‘hihaino’ io feo io izay tsapa fa tsy re. …

“Ny fanomezana ny Fanahy Masina … dia hitarika sy hiaro ary hanitsy mihitsy ny fihetsikareo. Feo ara-panahy izay tonga ao an-tsaina izany toy ny eritreritra na fahatsapana tsapa ao am-po” (“Torohevitra ho an’ireo Tanora,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 17–18).

  1. Mieritrereta fotoana iray izay nahatsapanao ny feon’ny Tompo na ny fitaoman’ny Fanahy izay tonga tao an-tsainao na tao am-ponao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra niainanao sy ny fahatsapanao izany.

Nandre ilay feo indroa ny Nefita nefa tsy nahatakatra izany. Vakio ny 3 Nefia 11:4–7 ary tadiavo ny zavatra hafa nataon’ny Nefita tamin’ny fanintelony mba hahazoana ilay feo. Inona aminao no hevitry ny hoe nanokatra “ny sofiny [ny vahoaka mba] handre” ilay feo? (3 Nefia 11:5).

Nanome ity torohevitra manaraka ity ny Filoha Boyd K. Packer, izay mikasika ny zavatra tokony hataontsika mba hahenoana sy hahazoana ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tsipiho ireo teny na andian-teny izany manampy anao hahafantatra izay tokony hatao, na izay tsy tokony hatao, mba handrenesana tsara kokoa ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

“Tsy misarika ny saintsika amin’ny fitenenana mafy ny Fanahy. Tsy manozongozana mafy antsika amin’ny tanana na oviana na oviana Izy. Mibitsibitsika ny Fanahy. Manafosafo mora dia mora tokoa Izy, ka raha be zavatra eritreretina isika, dia mazava ho azy fa tsy hahatsapa Azy mihitsy.

“Indraindray, ny Fanahy dia hanindry mafy araka izay ilaina na matetika araka izay ilaina mba hihainoantsika Azy; kanefa avy amin’ny zavatra niainako, amin’ny ankamaroan’ny fotoana, raha tsy mihaino ilay fahatsapana malefaka isika, raha tsy mihaino amin’ny alalan’ireo fahatsapana ireo isika, dia hisintona ny Fanahy ary hiandry mandra-pahatongan’ny fotoana hanatonantsika mba hikatsaka sy hihaino amin’ny fomba fanaontsika sy ny fitenintsika” (“How Does the Spirit Speak to Us?” New Era, feb. 2010, 3).

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 3 Nefia 11:5–6 sy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina: Rehefa mianatra mihaino ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika dia ho afaka mahatakatra ny hafatra ampitainy amintsika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no manampy anao hanomana ny sainao sy ny fonao hihaino sy hahazo ny feon’ny Tompo?

    2. Oviana ianao no nahatakatra hafatra avy amin’ny Tompo, izay mety ho tsy renao raha tsy niezaka nihaino izany ianao?

    3. Oviana ianao no nandray bitsika avy amin’ny Fanahy Masina mihoatra ny indray mandeha alohan’ny nahatakaranao sy nanarahanao izany?

3 Nefia 11:8–17

Niseho i Jesoa Kristy ary nanasa ny vahoaka hanatona tsirairay mba hikasika ny holatra teny Aminy

Sary
Niseho tamin’ireo Nefita i Jesoa Kristy

Ezaho alaina sary an-tsaina ireo zava-nitranga ao amin’ny 3 Nefia 11:8–10 eo am-pamakianao izany.

  1. Eo am-pieritreretanao ny hoe mety ho toy ny ahoana izany nanatri-maso ny fisehoan’i Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny maty izany tamin’ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritra sy fahatsapana izay ho nanananao raha toa ka nanatrika teo ianao.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka mikasika ny maha zava-dehibe ny fisehoan’ny Mpamonjy tamin’ny Nefita:

“Io fisehoana io sy io fanambarana io no zavatra fototra sy fotoana lehibe indrindra ao amin’ny tantara manontolo voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Io no fisehoana sy lalàna izay nampahafantatra sy nitaona ny fanahin’ny mpaminany Nefita rehetra tao anatin’ireo eninjato taona taloha an’io, raha tsy ho tanisaina ireo Israelita sy Jaredita razamben’izy ireo nandritra ny anarivo taonany talohan’izany.

“Niresaka momba Azy avokoa ny rehetra, nihira momba Azy, nanofy Azy, ary nivavaka mba hisehoany—fa tamin’ity indray mitoraka ity dia tonga marina tokoa Izy. Ilay andro lehibe indrindra! Tonga ilay Andriamanitra izay manova ny alina maizina rehetra ho hazavan’ny maraina” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 250–51).

Tadidio fa vao avy niaina fandravana nahatsiravina sy telo andro tao anatin’ny haizin-kitroka ireo Nefita sy Lamanita sisa tavela ireo. Vakio ny 3 Nefia 11:10–12 ary tadiavo izay tian’i Jesoa Kristy ho fantatry ny olona mikasika Azy sy mikasika ny zavatra nataony nandritra ny asa fanompoana nataony teto an-tany. Inona tamin’ireo zavatra nolazain’ny Mpamonjy no heverinao fa ho nampionona anao indrindra ny fandrenesana azy raha nanatrika teo ianao tamin’izany? Saintsaino ny antony mahatonga io teny voalaza io ho nanan-danja lehibe tokoa taminao. Azonao atao ny manisy marika ny andian-teny izay manan-danja indrindra aminao ao amin’ny soratra masinao.

Vakio ny 3 Nefia 11:13–15 ary asio marika izay zavatra nasain’i Jesoa Kristy hataon’ny vahoaka mba handraisany ilay fahalalana ho an’ny tena manokana izay tian’i Jesoa Kristy ho azon’izy ireo mikasika Azy. Eritrereto ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 11:14, inona no tian’ny Mpamonjy ho fantatry ny vahoaka avy amin’ity traikefa ity? Eritrereto hoe nisy olona tokotokony ho 2.500 nanatrika teo tamin’io fotoana io (jereo ny 3 Nefia 17:25), mety ho hafiriana no naharetan’izany? Mampianatra anao inona mikasika ny Mpamonjy izany?

Sary
Tsirairay
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo hikasika Azy “tsirairay” ny vahoaka? (3 Nefia 11:15).

    2. Ahoana no mety hampisy fiantraikany eo aminao ny fikasihana ny holatra azon’ny Mpamonjy nandritra ny sorona nataony noho ny fahotanao?

Soraty ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 3 Nefia 11:11–15 ity fahamarinana manaraka ity, na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina: Manasa ahy i Jesoa Kristy handray fijoroana ho vavolombelona izay ahy manokana fa izy no Mpamonjy ahy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Manao ahoana no fahatsapanao ny tanjaky ny fijoroanao ho vavolombelona manokana ny amin’ny Mpamonjy? Ahoana no fitombony sy nahalasanany ho natanjaka kokoa tao anatin’ireo fotoana vitsy lasa?

    2. Inona avy no zavatra niainana izay nahatonga anao nahazo ny fijoroanao ho vavolombelona manokana ny amin’ny Mpamonjy, na inona no azonao atao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa?

    3. Ahoana no ahafahanao mahalala fa mahafantatra anao manokana ny Mpamonjy?

Vakio ny 3 Nefia 11:16–17 ary tadiavo izay zavatra nataon’ny vahoaka taorian’ny niainan’izy ireo ity traikefa ara-panahy niaraka tamin’ny Mpamonjy ity. Mety hanampy ny mahatakatra fa ny hoe “Hosana” dia hiakam-piderana ho an’ny Tompo.

Jereo akaiky kokoa ny 3 Nefia 11:15, ary fantaro ny zavatra nataon’ny vahoaka rehefa avy nahatsapa tamin’ny tanany ireo holatra teo amin’ny Mpamonjy izy ireo. Koa satria tsy teo ianao mba hitsapa tamin’ny tananao ireo holatry ny Mpamonjy, tahaka ny vahoaka tantaraina ao amin’ny 3 Nefia, dia ahoana no ahafahanao mahafantatra fa i Jesoa no Kristy? (Jereo ny Jaona 20:30–31; Môrônia 10:3–7; F&F 46:13–14 mba hahitana valiny vitsivitsy azo omena.)

Mba hampiharana ny 3 Nefia 11:15 amin’ny tenanao dia fenoy ity fehezanteny manaraka ity: Rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona izay ahy manokana momba an’i Jesoa Kristy aho dia manana andraikitra .

Eritrereto ireo fomba izay ahafahan’ny olona iray manana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ho “vavolombelona manambara” Azy.

Nampianatra izao manaraka izao mikasika ny fijoroana ho vavolombelona ny Filoha Boyd K. Packer: “Tsy afaka manery ny zavatra ara-panahy ianao. Tsy tonga tampoka eo aminao ny fijoroana ho vavolombelona; mitombo tsikelikely izany. Ary ny fijoroana ho vavolombelona dia fijoroana ho vavolombelona, ary tokony hajaina izany, na kely na lehibe. Mihalehibe isika amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona, tahaka antsika izay mihalehibe ara-batana ary zara raha mahafantatra fa mitranga izany, satria tonga amin’ny alalan’ny fitomboana izany” (“How Does the Spirit Speak to Us?” 3).

  1. Farano ity lesona ity amin’ny alalan’ny fanoratana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Azonao soratana ao koa ny zavatra nataonao ka nahazoanao ny fijoroanao ho vavolombelona na ny zavatra omaninao hatao mba hampatanjahana izany. Raha mahazo fitaomam-panahy ianao dia vakio amin’ny olona hafa izany, na manasà olona iray hamaky izany.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 11:1–17 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy