Fizarana 16: Andro 2
Almà 12
Fampidirana
Nahatonga saina an’i Zezrôma ny amin’ny fahamelohany noho ny fandaingana sy ny famitahana ny vahoaka ireo tenin’i Amioleka ao amin’ny Almà 11. Nijoro teo anoloan’ny vahoakan’i Amônihà i Alma taorian’ny niresahan’i Amioleka tamin’izy ireo. Nifantoka tamin’ireo fahamarinana izay hanampy ireo vahoaka tao Amônihà hibebaka amin’ny hamafin’ny fony sy ireo fahotany hafa i Almà satria nanjary ratsy fanahy izy ireo. Nanantitrantitra momba ny fandrik’i Satana, ny fitsarana izay hihatra amin’ireo ratsy fanahy, ary ny drafitry ny fanavotana nomena tamin’ny alalan’ny Zanak’Andriamanitra izay hahafahan’ireo izay mibebaka hiverina eo anatrehan’Andriamanitra izy.
Almà 12:1–7
Nampiharihary ireo fikasana ratsin’i Zezrôma i Almà
Eritrereto ny fomba fiasan’ny fandrika hisamborana biby iray: Apetraka manodidina ny sakafo iray ny tady natao faribolana. Rehefa tonga eo amin’ilay faribolana haka ilay sakafo ilay biby, dia sintonina hangeja ilay tady, ary voafandrika ilay biby.
Jereo ny fomba niezahan’i Zezrôma hisambotra an’i Amioleka tao anatin’ny vela-pandrika ao amin’ny Almà 11:21–25. Taorian’ny nahitan’i Amioleka ny fikasan’i Zezrôma sy ny namaliany azy, dia nijoro hiresaka tamin’i Zezrôma sy ny vavalabemandry izay nanatrika teo i Almà (jereo nyAlmà 12:1–2). Jereo ao amin’ny Almà 12:3–6 ireo teny na fehezanteny nampiasain’i Almà hamaritana ny tetik’i Zezrôma, izay nolazain’i Almà fa avy amin’ny devoly (jereo ny Almà 12:5).
Araka ny voalazan’ny Almà 12:3, tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’i Almà nahafantatra ny drafitr’i Zezrôma?
Inona ny nolazain’i Almà fa fikasan’ny devoly ao amin’ny Almà 12:6?
Nampianatra i Almà fa ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika hahafantatra ireo fakam-panahin’ny fahavalo. Ao anatin’ny lesona momba ny Almà 11, dia nianatra ianao fa afaka mandresy ny fakam-panahy isika rehefa miantehitra amin’ny Fanahy Masina. Ny lafiny manan-danja amin’ny fandresena ny fakam-panahy dia ny fananana ny Fanahy hanampy antsika hahafantatra ilay fakam-panahy sy ny fahavoazana mety aterak’izany amintsika. Afaka misafidy ny hitoetra madio sy mahatoky isika noho izany, amin’ny alalan’ny fanalavirana ny fakam-panahy. Efa nanana traikefa ve ianao, izay nanampian’ny Fanahy Masina anao hahafantatra sy hanalavitra ny iray amin’ireo fakam-panahin’ny devoly?
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra afaka ataonao sy hataonao hampitomboana ny fahafahanao mahafantatra sy manaraka ireo bitsiky ny Fanahy Masina mba hahafahanao mahafantatra sy miala amin’ireo “fandriky” ny fahavalo.
Almà 12:7–18
Mampianatra momba ny fitsarana farany ny olombelona rehetra i Almà
Mieritrereta momba ny asa iray izay mahaliana anao hanao azy. Tombantombano ny vola mety ho alohanao amin’ny saram-pianarana any amin’ny sekoly na fandaharam-panofanana ahazoana ny fahalalana takiana mba hahatonga anao ho lasa mahomby amin’io asa io.
Vakio ity teny notsongaina naverina ity mba hitadiavana ny “saram-pianarana” nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa tsy maintsy aloha ahazoana fahalalana ara-panahy: “Tsy afaka omena tsotra izao ny [hafa] ny fahatakarana ara-panahy izay nomena ahy sy ianao, sy nohamafisina fa marina tao am-pontsika. Tsy maintsy aloha ny saram-pianaran’ny fahazotoana sy fianarana amin’ny alalan’ny fandalinana ary koa amin’ny alalan’ny finoana ahazoana sy ‘hananana’ manokana ny fahalalana toy izany. Amin’izany fomba izany ihany no hahatsapana koa ao am-po izay fantatra ao an-tsaina ” (“Watching with All Perseverance,” Ensign na Liahona, Mey 2010, 43).
Mikaroha porofo ao amin’ny Almà 12:7–8 fa nanomboka nanana fahavononana hividy ny “saram-pianarana” ara-panahy nilaina ahazoana fahalalana ara-panahy i Zezrôma. Inona ny zavatra hitanao izay maneho fa nanomboka nanova ny fony i Zezrôma mba hahafahany mianatra ireo fahamarinana ara-panahy?
Tadiavo ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Zezrôma mikasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy rehefa mamaky ny Almà 12:9–11 ianao. Mety hanampy ny mahafantatra fa “ireo misterin’Andriamanitra dia ireo fahamarinana ara-panahy tsy fantatra raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana ihany. Manambara ny misteriny amin’ireo izay mankatò ny filazantsara Andriamanitra” (Guide to the Scriptures, “Mysteries of God,” scriptures.lds.org). Azonao atao ny manoratra eo akaikin’ny soratra masinao ao amin’ny Almà 12:9 ity famaritana ity. Ao amin’ny Almà 12:9, dia manazava i Almà hoe arakaraka ny inona no hanomezan’ Andriamanitra ampahany amin’ny teniny ho an’ny olona?
Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 12:10–11, inona no fifandraisana misy eo amin’ny toetry ny fontsika sy ny fahazoana ireo fahamarinana ara-panahy?
Inona no dikan’ny hoe “manamafy” ny fonao (jereo ny Almà 12:10–11), ary ahoana araka ny eritreritrao ny hanehoana ny toetra toy izany eo amin’ny fiainan’ny olona iray?
Mampianatra ity fitsipika manaraka ity ny hafatr’i Almà ho an’i Zezrôma: Manambara fahamarinana ara-panahy amintsika ny Tompo arakaraka ny fihainoana sy fahazotoana asehontsika manoloana ny teniny.
-
Manorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny didy iray na torohevitra iray avy amin’ny Tompo izay nezahanao narahina tamin’ny alalan’ny fanehoana “fihainoana sy fahazotoana” tamin’izany. Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Tompo anao tamin’ny fitarihana fanampiny, fahatakarana, na ireo bitsiky ny Fanahiny noho ny fanatanterahanao ny zavatra nampianariny anao?
Niroso tamin’ny famaliana ny fanontanian’i Zezrôma izay napetrany tao amin’ny Almà 12:8 momba ny fomba hitsarana antsika i Almà taorian’ny nanazavany ny fomba hahafantarana ny fahamarinana ara-panahy. Tadiavo ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Zezrôma ao amin’ny Almà 12:12–15 momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana. Fenoy ireto banga manaraka ireto: Hotanana ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra isika noho ny , , sy.
Saintsaino ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra hiova eo amin’ny safidinao isan’andro raha tadidinao fa hotanana ho tompon’andraikitra ianao amin’ny teninao, ny asanao, ary ny eritreritrao?
Mariho ny soratra masina mifandray ao amin’ny fanovozan-kevitra eo amin’ny farany ambanin’ny pejy 14a amin’ny soratra masina fehezina Môsià 4:30, ary vakio na ataovy tsianjery avy eo ny Môsià 4:30.
-
Jereo ny zavatra nosoratanao tao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ho amin’ny asa nampanaovina 1 ao amin’ny lesona androany—mikasika ny fomba hahafahanao ho mora mahatsapa misimisy kokoa ny Fanahy Masina. Ampio zavatra mikasika ny fomba mety hampitomboan’ny fahatakaranao ny maha-tompon’andraikitra anao manokana eo anatrehan’Andriamanitra ny fanirianao hahafantatra sy hanalavitra ny fakam-panahy ireo eritreritrao.
Almà 12:19–37
Manazava ny fomba handresen’ny olombelona ireo vokatry ny Fahalavoana amin’ny alalan’ny drafitry ny fanavotana i Almà
Tsy nino fa afaka ny ho tonga tsy mety maty ny olona iray ny lohan’ny mpifehy anankiray nantsoina hoe Antiônà, izay nanambara fa nahatonga izany ho tsy azo tanterahina ny Fahalavoana (jereo ny Almà 12:20–21). Vakio ireo andininy ao amin’ny Almà 12 izay voatanisa ato amin’ity tabilao manaraka ity, ary soraty ao anatin’ny tabilao eo ambanin’ny lohateny ny zavatra nampianarin’i Almà:
Ireo vokatry ny Fahalavoana Almà 12:22, 24 |
Ny zavatra nataon’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fanavotana antsika Almà 12:24–25, 28–33 |
Ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba ho avotra (Almà 12:24, 30, 34, 37) |
---|---|---|
-
Rehefa vitanao ny mameno ny tabilao, dia valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika handresy ireo vokatry ny Fahalavoana?
-
Araka ny voalaza ao amin’nyAlmà 12:24, inona no zavatra nampianarin’i Almà fa tanjon’ny fiainana ankehitriny, izay notanterahin’ny Mpamonjy mba handresentsika ireo vokatry ny Fahalavoana?
-
Ny andianteny hoe “fotoana fizahan-toetra” ao amin’ny Almà 12:24 dia andianteny nampiasain’i Almà irery ihany ao anatin’ny Bokin’ny Môrmôna (jereo ihany koa ny Almà 42:4, 10, 13). Namaritra ity fotoana fizahan-toetra ity ny Loholona L. Tom Perry avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Rombinifolo manao hoe: “Ny tena tanjon’ny fiainana an-tany dia ny hamela ny fanahintsika, izay nisy talohan’ny nisian’izao tontolo izao, mba hikambana amin’ny vatantsika ka hiaina mandritra ny fotoan’ny fahafahana lehibe eto an-tany. Ny fikambanan’ireo roa ireo miaraka dia nanome antsika tombontsoa hitombo, handroso, ary hihamatotra, izay tsy afaka nataontsika afa-tsy tamin’ny alalan’ny fanahy sy vatana miaraka irery ihany. Mandalo amin’ny fisedrana maromaro amin’ny vatantsika isika mandritra ny fotoana antsoina hoe fotoana fizahan-toetra eo amin’ny fiainantsika. Fotoana fianarana sy fisedrana ity fotoana ity hanaporofoana fa mendrika ireo fahafahana mandrakizay ny tenantsika. Anisan’ny drafitra masin’ilay Ray ho an’ny zanany avokoa izany. (“Proclaim My Gospel from Land to Land,” Ensign, Mey 1989, 14).
Nijoro ho vavolombelona i Almà fa ny fiainana an-tany dia fotoana hiomanantsika hihaonana amin’Andriamanitra.Azonao marihina ireo andianteny izay mampianatra ity fotopampianarana ity ao amin’ny Almà 12:24. Vakio ny Almà 34:32, ary ampifandraiso amin’ny Almà 12:24 izany.
-
Ho fampiharana ny zavatra nianaranao dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahafantarana ny tanjon’ny fiainana an-tany hitarika anao amin’ny fiainana?
-
Ahoana no hanampian’ny finoanao ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy anao mandritra ny fizahan-toetra anao eto an-tany?
-
Vakio ny Almà 12:33–35, ary jereo ny fahasamihafana misy eo amin’ny zavatra hitranga amin’ireo izay mibebaka sy ireo izay tsy mibebaka. Mety hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ireto andininy ireto ny fahafantarana fa mitaky fahazoana famelana amin’ny fahotana ny fidirana ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo ary indrindra fa ny fidirana amin’ny voninahitry ny fitsaharan’ny Tompo (jereo ny F&F 84:24).
-
Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:
Nandalina ny Almà 12 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).
Fanontaniana, eritreritra, sy hevitra fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: