Seminera
Môsià


Fampahafantarana ny Môsià

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Rehefa mandalina ny bokin’i Môsià ianao dia hamaky fijoroana ho vavolombelona mahery vaika ny amin’ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy. Hianatra momba ny vahoaka izay nafahan’ny Tompo tamin’ny fangejan’ny fahotana na faneriterena ara-batana koa ianao. Ankoatra izany dia hianatra ny fomba nitondran’ny ezaka feno fahamarinana nataon’ireo olona tsirairay tahaka ny Mpanjaka Benjamina sy i Abinadia ary i Almà fitahiana goavana ho an’ny hafa ianao. Mifanohitra amin’izany dia ho hitanao ny fomba nitondran’ny safidy ratsin’ireo olona toa an’i Zenifa sy ny Mpanjaka Nôà zanany lahy vokatra ratsy teo amin’ny tenan’izy ireo sy ny vahoakany.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Nandrafitra sy namintina ireo rakitsoratry ny mpanoratra maro i Môrmôna mba hamoronana ny bokin’i Môsià. Nampitondraina ny anaran’i Môsià izay zanakalahin’ny Mpanjaka Benjamina ilay boky. Mpaminany, mpahita, mpanambara ary mpanjaka izay nanjaka tao Zarahemlà i Môsià nanomboka teo ho eo amin’ny 124 ka hatramin’ny 91 talohan’i J…. Nampitondraina ny anaran’i Môsià raibeny izay mpanjakan’i Zarahemlà ihany koa izy (jereo ny Ômnia 1:12–13, 19).

Naka zavatra avy amin’ny rakitsoratra maro i Môrmôna mba hamoronana ny bokin’i Môsià. Namintina sy namerina teny avy tamin’ny rakitsoratra notanan’i Môsià tao amin’ny takelaka lehiben’i Nefia izy, izay ahitana ny antsipirian’ny tantaran’ny Nefita tany amin’ny tanin’i Zarahemlà (jereo ny Môsià 1–7; 25–29). Naka zavatra avy tamin’ny rakitsoratr’i Zenifa ihany koa izy, izay mitantara ny tantaran’ny vahoakan’i Zenifa hatramin’ny fotoana nandaozan’izy ireo an’i Zarahemlà ka hatramin’ny fotoana niverenan’izy ireo (jereo ny Môsià 7–22). Ho fanampin’izany dia namerina teny sy namintina ampahany maromaro tamin’ny asa soratr’i Almà izay nitahiry ny tenin’i Abinadia izy (jereo ny Môsià 17:4) ary nitana rakitsoratra momba ny olony (jereo ny Môsià 18; 23–24).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Ireo rakitsoratra voalohany nampiasaina ho toy ny loharanon’ny bokin’i Môsià dia nosoratana tokotokony ho teo anelanelan’ny 200 talohan’i J.K. sy 91 talohan’i J.K. Namintina ireo rakitsoratra ireo teo anelanelan’ny 345 sy 385 taorian’i J.K. i Môrmôna. Tsy nosoratan’i Môrmôna ny toerana nisy azy tamin’ny nandrafetany ity boky ity.

Hamoaka printy