Seminera
Fizarana 12: Andro 1, Môsià 7–8


Fizarana 12: Andro 1

Môsià 7–8

Fampidirana

Sary
Nanolotra ny Fanjakana tamin’i Môsià ny Mpanjaka Benjamina

Ny Mpanjaka Môsià dia zanakalahin’ny Mpanjaka Benjamina, izay zanakalahin’ilay Môsià voatonona voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tokony ho 80 taona talohan’ny nahalasa ho mpanjaka an’i Môsià dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Zenifa nitarika andiana Nefita iray avy any Zarahemlà mba hiverina hitoetra any amin’ny tanin’i Nefia (jereo ny Ômnia 1:27–30). Ny Môsià 7 dia manazava fa nanome lalana lehilahy iray “matanjaka sy mahery” nantsoina hoe Amôna ( Môsià 7:3) niaraka tamina andian’olona vitsy ny Mpanjaka Môsià mba handeha any amin’ny tanin’i Nefia (izay nantsoina hoe tanin’i Lehia-Nefia indraindray) ka nahafantatra ny niafaran’ny andiany notarihin’i Zenifa. Nahita ny taranaky ny vahoakan’i Zenifa i Amôna, izay i Limia zafikelin’i Zenifa no mpitarika azy ireo teto. Nitondra fanantenana ho an’i Limia sy ny vahoakany ny fahatongavan’i Amôna satria ny fahotan’izy ireo dia namela azy ireo ho eo ambanin’ny fanandevozan’ny Lamanita. Talohan’izany raha niezaka nitady an’i Zarahemlà sy nangataka fanampiana ny andiany iray avy amin’ny vahoakan’i Limia dia nahita takelaka volamena 24 voasokitra teo amboniny izy ireo. Rehefa nanontany an’i Amôna i Limia raha toa ka afaka nandika ireo soratra voasokitra izy dia nanazava i Amôna fa afaka mandika rakitsoratra tranainy ny mpahita toy ny Mpanjaka Môsià.

Topimaso ny Môsià 7–24

Efa naniry ny ho afaka tamin’ny fahatsapana ratsy, toe-javatra mampijaly, toe-javatra feno olana na misy tsindry, na fahamelohana avy amin’ny fahotana ve ianao? Ny zavatra niainan’ireo vahoaka izay hohalalininao ao amin’ny Môsià 7–24 dia afaka mampianatra anao momba ny fanafahana—ny toerana hikatsahana izany, ny fomba hanasana izany, eny fa na dia ny fomba hiandrasana izany aza. Tadiavo ireo fomba ahafahanao mampihatra eo amin’ny fiainanao manokana ny tantaran’ny vahoakan’i Zenifa sy ny taranany, anisan’izany ny faniriana fanafahana amin’izay zavatra manindry anao.

Alohan’ny handalinana ny Môsià 7 dia hanampy anao ny hahafantatra bebe kokoa ireo karazana dia voarakitra ao amin’ny Môsià 7–24. Ity asa atao manaraka ity dia hanome famintinana ho anao mikasika ireo dia ireo, izay nitranga nandritra ny fotoana teo ho eo amin’ny 80 taona (200 talohan’i J.K. ka hatramin’ny 120 talohan’i J.K.). Ny fampahalalana ao anatin’ireo efitrefitra matromatroka eo amin’ilay tabilao dia manazava ny zava-nitranga teo anelanelan’ireo dia ireo.

Dia

Iza no nandeha Taiza

1

Nandeha avy any Zarahemlà nankany amin’ny tanin’i Nefia, izay nanjary nonenan’ny Lamanita i Zenifa sy ny Nefita hafa. Niady an-trano ireo Nefita ireo ary niverina tany Zarahemlà ireo sisa tsy maty (jereo ny Ômnia 1:27–28; Môsià 9:1–2).

2

Nandao an’i Zarahemlà i Zenifa sy ny hafa ary nitoetra tao amin’ny tanin’i Nefia (jereo ny Ômnia 1:29–30; Môsià 9:3–7).

Taorian’ny nahafatesan’i Zenifa dia nanjaka tao anatin’ny faharatsiana i Noà zanany lahy. Nandefa ny mpaminany Abinadia ny Tompo mba hampitandrina ny vahoaka hibebaka. Nankatò ny hafatr’i Abinadia ary nampianatra izany tamin’ny hafa i Almà, izay iray tamin’ireo mpisoron’ny Mpanjaka Noà (jereo ny Môsià 11–18).

3-4

Nitsoaka tany amin’ny Ranon’i Môrmôna i Almà ary nitarika andiana mpino iray nankany amin’ny tanin’i Helàma taty aoriana (jereo ny Môsià 18:4–5, 32–35; 23:1–5, 19–20).

Nanafika ny vahoakan’i Nôà tany amin’ny tanin’i Nefia ny Lamanita. Voavono i Noà taty aoriana ary nanjaka i Limia zanany lahy. Teo ambany fanandevozan’ny Lamanita ny vahoakan’i Limia (jereo ny Môsià 19–20).

4-5

Naniraka andiana Nefita iray hitady an’i Zarahemlà i Limia. Taorian’ny naha very azy ireo tany an-tany foana dia nahita ny sisa tavela tamin’ny firenena rava iray sy rakitsoratra nosoratana teo ambonin’ny takelaka volamena 24 ilay andiany (jereo ny Môsià 8:7–9; 21:25–27).

6

Nandeha avy any Zarahemlà hitady ireo izay niverina tany amin’ny tanin’i Nefia i Amôna sy ny olona 15 hafa (jereo ny Môsià 7:1–6; 21:22–24).

7

Nandositra niala ny Lamanita i Limia sy ny vahoakany ary notarihin’i Amôna sy ny rahalahiny nankany Zarahemlà (jereo ny Môsià 22:10–13).

Taorian’ny nitsoahan’ny vahoakan’i Limia dia nandefa tafika nanenjika azy ireo ny Lamanita. Very tany an-tany foana ilay tafika tamin’ny fotoana nahitan’izy ireo an’i Almà sy ny vahoakany tany amin’ny tanin’i Helàma. Nentin’ny Lamanita ho babo izy ireo. Nivavaka nangataka fanampiana mba hitsoaka ny vahoakan’i Almà (jereo ny Môsià 22–24).

9

Nanafaka an’i Almà sy ny vahoakany ny Tompo ary nitarika azy ireo nankany Zarahemlà (jereo ny Môsià 24:20–25).

Apetraho ao anatin’ny faribolana mifanaraka amin’izany eo amin’ny sarintany ny laharan’ny dia tsirairay:

Sary
fanehoana an-tsary ireo dia

Môsià 7:1–8:4

Nahita ny tanin’i Nefia (Lehia–Nefia) i Amôna, ary nilazalaza ny fomba nahatonga ny vahoakany ho babo ny Mpanjaka Limia

I Amôna sy ny lehilahy matanjaka 15 hafa ao amin’ny Môsià 7 dia niainga avy ao Zarahemlà mba hamantatra izay zavatra nitranga tamin’ilay vahoaka izay notarihin’i Zenifa nankany amin’ny tanin’i Nefia 80 taona talohan’izany (jereo ny Môsià 7:2; jereo koa ny dia 5 eo amin’ny sarintany). Voasambotra sy nalefa tany am-ponja i Amôna sy ireo rahalahiny telo raha vao tonga tany amin’ny tanin’i Nefia ( jereo ny Môsià 7:6–11). Navoaka ny fonja izy ireo roa andro taty aoriana ary nametrahan’ny Mpanjaka Limia, izay zafikelin’i Zenifa, fanontaniana. Vakio ny Môsià 7:12–15 mba hahitana ny fomba nanazavan’i Amôna ny fahatongavany tao amin’ny tanin’i Nefia sy ny fihetsika nasehon’i Limia taminy.

Vakio ny Môsià 21:25–26 mba hahatakarana bebe kokoa ny antony naha “faly fatratra” an’i Limia raha nahafantatra ny toerana niavian’i Amôna izy.

Hazavao fohifohy amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao tao amin’ny Môsià 21:25–26 ny antony naha heniky ny fifaliana lehibe an’i Limia rehefa nahafantatra izy fa avy any Zarahemlà i Amôna:

Nahita ny sisa tavela tamin’ny firenena Jaredtia ilay andiany izay nirahin’i Limia hitady fanampiana. Noheverin’izy ireo fa Zarahemlà izany ary ringana ireo Nefita tao (jereo ny dia 4 eo amin’ny sarintany). Hianatra momba ny firenena Jaredita ianao ao amin’ny bokin’i Etera.

Namory ny vahoakany mba hampahafantatra an’i Amôna tamin’izy ireo i Limia. Niresaka momba ny fanandevozan’ny Lamanita azy ireo tamin’ny vahoakany i Limia ary naneho fanantenana fa hanafaka azy ireo tsy ho ela Andriamanitra (jereo ny Môsià 7:17–19). Vakio ny Môsià 7:20, 24–26 ary asio marika ireo antony nahatonga ny vahoakan’i Limia ho lasa teo ambany fanandevozana. (I Abinadia, izay nodoran’ny vahoaka mba ho faty nandritra ny fitondran’ny Mpanjaka Noà ratsy fanahy, talohan’ny nahatongavan’i Amôna tao amin’ny tany no ilay mpaminany voalaza ao amin’ny Môsià 7:26.)

Sary
Mandaha-teny ny Mpanjaka Limia

Azonao atao ny manisy marika ilay andian-teny hoe “lehibe ny antony mampitomany antsika” ao amin’ny Môsià 7:24 mba hanampiana anao hahatsiaro fa ny faharatsiana na ny fahotana dia misy vokany. Teto dia maro ireo maty rehefa nanafika ny Lamanita ka nentina teo ambany fanandevozana ny vahoaka. Ny hoe mitomany dia midika ho mahatsapa alahelo na fanenenana. Saintsaino vetivety raha toa ka efa nitomany “noho ny fahotana” ianao.

Na dia tsara kokoa aza ny tsy manota dia mitondra anao akaik’Andriamanitra kokoa ny fianarana avy amin’ny fahadisoanao, ny fitodihana any amin’Andriamanitra mba hahazo fanampiana, ary ny fibebahana. Vakio ny Môsià 7:29–32 ary mitadiava porofo bebe kokoa izay maneho fa takatr’i Limia ny fifandraisana misy eo amin’ny faharatsian’ny vahoakany sy ny fahoriana niainan’izy ireo. (Ny hoe “hijinja ny akofa” ao amin’ny andininy 30 dia midika hoe mandray zavatra tsy misy ilàna azy; ny hoe “hijinja ny rivotra avy any atsinanana” ao amin’ny andininy 31 dia midika hoe hofongorana.)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ireo vokatry ny fahotana manampy antsika eo amin’ny fiainantsika? Ahoana no hampiharantsika ny zavatra nianarantsika ka tsy hamerina intsony ilay fahotana?

    2. Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra sy miaiky ny halehiben’ny fahotantsika? Nahoana no zava-dehibe ny mahatsapa alahelo araka an’Andriamanitra amin’ireo fahotana ireo? (jereo ny 2 Korintiana 7:10; ny alahelo araka an’Andriamanitra dia fahafantarana lalina fa nanafintohina ny Raintsika any An-danitra ny zavatra nataontsika). Nahoana no zava-dehibe ny tsy manemotra ny fanekena sy ny fahatsapana alahelo noho ny fahotantsika?

Rehefa avy nanazava tamin’ny vahoakany ny maha-lehibe ny fahotan’izy ireo i Limia dia namporisihany hanao zavatra maromaro izy ireo. Asio marika ny zavatra nasain’i Limia nataon’ny vahoakany ao amin’ny Môsià 7:33.

Ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’ny vahoakan’i Limia fa ny fanekena ny fahotantsika sy fahatsapana alahelo araka an’Andriamanitra noho izany dia afaka mitarika antsika hitodika amin’ny Tompo hahazo fanafahana.

Alaivo sary an-tsaina hoe mahatsapa fanenenana noho ny fahotany ny namanao iray na olona iray ao amin’ny fianakavianao ary maniry marina ny hibebaka sy hitodika amin’ny Tompo izy, saingy tsy fantany tsara ny fomba hanaovana izany. Vakio ny Môsià 7:33 ary avereno jerena ireo andian-teny izay mampianatra ny fomba “[hitodihana marina] amin’ny Tompo.”

  1. Manorata taratasy ao anatin’ny diary fandalinana ny soratra masina ho an’ity namanao na olona ao amin’ny fianakavianao ity izay mampianatra azy ny fomba hitodihana amin’ny Tompo. Zarao ireo andian-teny telo avy ao amin’ny Môsià 7:33 izay hitanao, ary hazavao ny hevitry ny andian-teny tsirairay amin’ny alalan’ny (1) fanoratana izany amin’ny teninao manokana na (2) fanomezana ohatra iray amin’izay asa na fihetsika mety ho hitantsika eo amin’ny fiainan’ny olona iray izay miezaka mampihatra izany andian-teny izany.

Saintsaino raha toa ka misy fahotanao izay tsy mbola nibebahanao ka mety mahatonga alahelo sy fanenenana ho anao sy ireo olon-tianao. Nanome izao torohevitra manaraka izao momba ny fanombohana ny dingan’ny fibebahana ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Halalino sy saintsaino ny hamaritra ny halehiben’ny hamaritan’ny Tompo ny fandikan-dalàna nataonao. Hitondra alahelo sy fanenenana manasitrana izany. Hitondra faniriana amin-kitsimpo ny mba hiova ihany koa izany ary fahavononana hanoa amin’izay rehetra takiana ho famelan-keloka” (“Finding Forgiveness,” Ensign, mey 1995, 76).

Môsià 8:5–21

Nahafantatra ny amin’ireo takelaka 24 an’ny Jaredita i Amôna ary niresaka momba ny mpahita iray izay afaka mandika izany tamin’i Limia

Ampahatsiahivo avy amin’ny dia faha 4 eo amin’ny sarintany tany am-piandohan’ity lesona ity fa ireo vahoaka izay niezaka nitady ny lalana mankany Zarahemlà dia nahita ny sisa tavela tamin’ny firenena iray manontolo izay fongana. Nahita takelaka volamena 24 izay nentin’izy ireo niverina tany amin’i Limia ihany koa izy ireo (jereo ny Môsià 8:5–9). Nanontany an’i Amôna i Limia raha toa ka nahafantatra olona nanana fahafahana handika ireo takelaka ireo izy (jereo ny Môsià 8:12). Nanazava i Amôna fa misy olona vitsivitsy izay afaka omena fahefana avy amin’Andriamanitra mba handika teny. Vakio ny Môsià 8:13 ary asio marika ny anarana niantsoan’i Amôna ireo izay manana ity fahaiza-manao ity.

Nanazava i Amôna fa i Môsià, izay mpanjaka Nefita any Zarahemlà dia mpahita iray. Vakio ny Môsià 8:16–18 ary asio marika ireo fahaiza-manao omena ny mpahita ankoatra ny fahefana handika teny.

Mampianatra ireo andininy ireo fa manome mpaminany, mpahita ary mpanambara ho tombontsoan’ny olombelona ny Tompo. Amin’izao fotoana izao dia mpaminany, mpahita ary mpanambara ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa: “Ireo lehilahy 15 izay tohanantsika ho mpaminany, mpahita ary mpanambara ireo dia nomena hery avy amin’Andriamanitra mba hahita izay tsy hitan’ny [hafa] indraindray” (“Beware of the Evil behind the Smiling Eyes,” Ensign na Liahona, mey 2005, 47).

Sary
ao anatin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny hevitrao no fahendrena ny mihaino ireo izay afaka mahita zavatra tsy hitanao?

    2. Ahoana no nahazoana tombontsoa avy tamin’ny fihainoana mpaminany, mpahita ary mpanambara maoderina?

    3. Inona avy ireo fomba ahafahanao mianatra avy amin’ireo mpaminany, mpahita ary mpanambara maoderina?

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 7–8 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro:

Hamoaka printy