Seminera
Fizarana 22: Andro 3, Helamàna 5


Fizarana 22: Andro 3

Helamàna 5

Fampidirana

Nanohy niaina tao anatin’ny faharatsiana ny Nefita mandra-pahatonga ny ankamaroan’izy ireo hifidy ny faharatsiana toy izay ny fahamarinana. Rehefa nahazo fitaomam-panahy avy amin’ny tenin-drainy i Nefia sy i Lehia dia nanolo-tena hitory ny filazantsara. I Helamàna rain’izy ireo dia nampianatra azy mikasika ny maha zava-dehibe ny fanorenan’izy ireo ny fiainany eo amin’ny fototry ny Mpamonjy. Rehefa avy nampianatra ny Nefita i Lehia sy i Nefia dia nitory tamin’ny Lamanita ary natsipy tao an-tranomaizina. Rehefa avy nanafaka an’i Nefia sy i Lehia avy tao am-ponja tamin’ny fomba mahagaga ny Tompo dia niova fo ho an’ny filazantsara ny ankamaroan’ny Lamanita.

Helamàna 5:1–13

Nampianatra an’i Nefia sy i Lehia zanany lahy i Helamàna mba hahatsiaro ireo didin’Andriamanitra sy ny herin’i Jesoa Kristy mba hanampy azy ireo

Vakio ireto teny sy andian-teny enina manaraka ireto. Mba hanampiana anao hamita ilay asa atao manaraka dia ezaho tadidiana izy tsirairay ireo. Ho angatahina ianao hanoratra azy ireo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ka tsy ankijery: fianakaviana, ray aman-dreny, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, mpaminany, ny fibebahana dia mitondra mankamin’ny famonjena, mitandrina ny didy.

  1. Akombony ny boky torolalanao ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina avy ao an’eritreritra ireo teny na andian-teny enina ireo.

Hamarino ny valinteninao. Eritrereto vetivety hoe mora sa sarotra ny nitadidy ireo andian-teny ireo. Araka ny hevitrao, moa ve nanova zavatra ny nilazana taminao fa ho asaina hanoratra ireo teny ireo tsy ankijery ianao?

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball ary eritrereto ny antony maha tena manan-danja tokoa ny hoe mahatsiaro rehefa miezaka miaina ny filazantsara isika: “Rehefa mijery ilay teny manan-danja indrindra ao amin’ny rakibolana ianareo dia fantatrareo ve hoe inona ilay izy? Mety hoe mahatsiaro izany. Koa satria nanao fanekempihavanana avokoa ianareo rehetra—fantatrareo izay tokony hatao ary fantatrareo ny fomba anaovana izany—dia ny zavatra lehibe indrindra ilaintsika dia ny mahatsiaro” (“Circles of Exaltation” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra ny filazantsara eo anivon’ny DFF, 28 jona 1968], 5).

Anio ianao dia handalina mikasika ny olona roa izay nitondra fiovana teo amin’ny fiainan’ny olona an’arivony noho izy ireo nahatsiaro ireo fahamarinana nampianarin’ny rainy azy ireo. Mandritra ny lesona androany dia saintsaino izay zavatra heverinao fa tian’ny Tompo hotsarovanao.

Araka ny voazava ao amin’ny Helamàna 5:1–4 dia niala tamin’ny naha-lohan’ny mpitsara azy i Nefia satria lasa ratsy fanahy tokoa ny olona. Tian’izy sy i Lehia rahalahiny hatokana ho an’ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra ny fotoan’izy ireo rehetra. Rehefa nanomboka ny asa fonompoany izy ireo dia nahatsiaro ny fampianaran’i Helamàna rainy. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary fintino ao amin’ilay faritra malalaka natokana ho amin’izany ny zavatra nangatahan’i Helamàna mba hotsarovan’ireo zanany. Azonao atao ihany koa ny manisy marika ilay teny hoe tsarovy isak’izay mipoitra ao amin’ireo andininy ireo izany.

  1. Mba hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa ny zavatra izay vao avy novakinao dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatsiarovana ny ohatra tsara asehon’ny olona hafa hanampy anao hisafidy ny “[hanao] izay tsara”? (Helamàna 5:7).

    2. Inona no ataonao mba hahatsiarovana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Avereno vakiana ny Helamàna 5:12 ary tadiavo ireo andian-teny izay manohana ity fitsipika ity: Raha manorina ny fototra iorenantsika eo amin’i Jesoa Kristy isika dia tsy hanana hery amintsika i Satana. (Ny Helamàna 5:12 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahitanao izany amin’ny manaraka.)

Sary
fototry ny rindrin’ny Tempolin’i Nauvoo

Alaivo sary an-tsaina hoe nangatahana ianao hanao ny mari-drafitry ny trano iray izay tsy hianjera mihitsy. Eritrereto ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Fototra tahaka ny ahoana no tokony hananan’ny trano toy izany?

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fototra matanjaka manampy ny trano iray mba hahatanty ny toetr’andro, na ny loza voa-janahary, na ny toe-java-tsarotra hafa?

  • Inona avy ireo teny na andian-teny ao amin’ny Helamàna 5:12 izay milaza fa ny fanorenana eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy, ilay Mpanavotra antsika, dia tsy hanakana ny famelezan’ny fahavalo fa hanome hery anao kosa handresenao azy ireo?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manorina ny fototry ny fiainanao eo amin’ny vatolampin’i Jesoa Kristy? Amin’ny fomba ahoana no hiezahanao hanao izany eo amin’ny fiainanao?

    2. Oviana ianao no afaka nanohitra fakam-panahy na fitsapana satria i Jesoa Kristy no fototry ny fiainanao?

    3. Ahoana no hanatsaranao ny fanaovana ny Mpamonjy ho fototry ny fiainanao?

Helamàna 5:14–52

Niaro an’i Nefia sy i Lehia tao am-ponja ny Tompo ary nampisava ny haizina tsy hanarona ireo izay nisambotra azy ireo rehefa nitalaho taminy izy ireo ary nibebaka

Araka izay voasoratra ao amin’ny Helamàna 5:14–19 dia nitory ny filazantsara tamin-kery lehibe tao amin’ny tanin’i Zarahemlà i Nefia sy i Lehia ary nanao batisa olona an’arivony tao. Nandeha tany amin’ny tanin’i Nefia izy ireo avy eo, izay tanin’ny Lamanita. Ity asa atao manaraka ity dia natao mba hanampiana anao hahatakatra ny zavatra mahatalanjona niainan’i Nefia sy i Lehia teo anivon’ny Lamanita.

  1. Ataovy sary amin’ny pejy iray manontolo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Vakio avy eo ireo andinin-tsoratra masina ao anatin’ny efa-joro tsirairay ary manaova sary tsotra na manorata famintinana fohy momba ny zavatra resahan’ny andininy tsirairay.

    I Nefia sy i Lehia teo anivon’ny Lamanita

    Helamàna 5:20–21

    Helamàna 5:22–25

    Helamàna 5:26–28

    Helamàna 5:29–34

    Helamàna 5:35–39

    Helamàna 5:40–44

Nandritra ity zavatra niainana ity dia afaka maneho ny fahotana ilay rahon’ny haizina ary ilay andry afo nanemitra manodidina ny olona tsirairay dia afaka maneho ny Fanahy Masina.

Avereno jerena ny andininy 28 sy 34, ary soraty ny zavatra tsapan’ny vahoaka rehefa tao anatin’ny rahon’ny haizina izy ireo:

Avereno jerena ny andininy 43 sy 44, ary soraty ny zavatra tsapan’ny vahoaka rehefa nanemitra azy ireo manodidina ilay andry afo:

Avereno jerena ny andininy 41 sy 42, ary soraty ny zavatra nataon’ny vahoaka mba hanaisorana ilay rahon’ny haizina, na raha lazaina amin’ny fomba hafa, mba hibebahany tamin’ny fahotany:

Vakio ny Helamàna 5:45–47 ary saintsaino ireo fahamarinana nianaranao mikasika ny fibebahana avy amin’io zavatra niainana io. Fitsipika iray ny hoe: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika ka mibebaka amin’ny fahotantsika dia mameno ny fontsika amin’ny fiadanana sy fifaliana ny Fanahy Masina.

Mianatra isika ao amin’ny Helamàna 5:48–52 fa Lamanita tokotokony ho 300 teo no nahita ity fahagagana ity ary niova fo tanteraka ho an’ny filazantsara. Nandeha izy ireo ary nanompo ny olony mandra-pahatongan’ny “ankamaroan’ny Lamanita” hiova fo ihany koa (Helamàna 5:50). Avy eo ireo niova fo ireo dia “namela ny fitaovam-piadiany” (Helamàna 5:51) ary “[nanolotra] ny Nefita ny tany fananany” (Helamàna 5:52). Amin’ny ankamaroan’ny tranga ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nahazo indray ny taniny tamin’ny alalan’ny ady ny vahoaka, kanefa tamin’ity indray mitoraka ity dia azon’ny Nefita indray ny taniny satria nibebaka sy nanaiky ny filazantsara ireo fahavalony.

  1. Eritrereto raha toa ianao ka mahatsapa fiadanana sy fifaliana eo amin’ny fiainanao na tsia. Eritrereto izay mety ho rahon’ny haizina eo amin’ny fiainanao, toy ny fahotana tsy nibebahana, na fifandirana amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana na amin’ny namana, na tsy fanaovana fotsiny ny zavatra toy ny mamaky soratra masina sy ny mivavaka tsy tapaka. Manorata iray amin’ireo zavatra ireo na mihoatra izany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hanarahana ny ohatra nasehon’ny Lamanita ao amin’ny Helamàna 5, ary soraty ny zavatra azonao atao mba hanasana ny Mpamonjy hampisava ireo rahon’ny haizina izay mety mandrakotra anao. Amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga ny fibebahana ho isan’ny vahaolana izay tadiavinao? Ahoana no fomba ahafahan’ny fibebahana manampy anao hiorina eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy?

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—Helamàna 5:12

Vakio ny Helamàna 5:12 ary tadiavo ireo teny izay maneho sary aminao (ohatra, vato, fototra, rivotra, havandra, tafiotra). Mba hanampiana anao hitadidy io andininy io dia mandraisa taratasy kely ary soraty eo amin’izany ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ilay andininy, raha tsy maneho sary ny teny iray. Avy eo dia manaova sary tsotra maneho ilay teny eo amin’ny toeran’ny litera iray. Ataovy tsianjery ilay andininy amin’ny fampiasana fotsiny ihany ilay taratasikelinao. Apetraho amin’ny toerana ahitanao izany matetika ilay taratasinao mba hanampiana anao hitadidy ireo fahamarinana ao anatin’io andininy io.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Helamàna 5 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy