Seminera
Fizarana 30: Andro 3, Etera 7–11


Fizarana 30: Andro 3

Etera 7–11

Fampidirana

Na dia naminany aza ny rahalahin’i Jarèda fa ny fametrahana mpanjaka Jaredita dia hitarika amin’ny fahababoana dia tsy tanteraka teo no eo ny teniny. Nanjaka tamim-pahamarinana i Ôrihà izay mpanjaka Jaredita voalohany. Kanefa nanjary lasa mpanjaka tamin’ny alalan’ny fananganana tsikombakomba miafina ny lehilahy iray nantsoina hoe Jarèda rehefa nisy taranaka roa nifandimby taty aoriana. Nandritra ny fitondran’ireo mpanjakany dia nihodinkodina imbetsaka tamin’ny fihainoana ny mpaminany sy fiainana tao anatin’ny fahamarinana ary ny fandavana ny mpaminany sy ny fiainana tao anatin’ny faharatsiana maro ny Jaredita.

Etera 7

Naka ny fanjakan’ny rainy i Kôhôra, azon’i Solè rahalahiny indray izany, ary nanameloka ny faharatsian’ny vahoaka ny mpaminany

Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho tsapan’ny olona miaina ao anaty fahababoana? Efa nanana fahatsapana ho voageja koa ve ianao noho ireo safidy diso izay nataonao? Mitadiava hevi-baovao mikasika ny fomba ahafahanao misoroka ny fahababoana ara-batana sy ara-panahy eo am-pandalinanao ny Etera 7–11.

Sary
lehilahy aorian’ny bara vy

Rehefa antitra i Jarèda sy ny rahalahiny dia nangataka mpanjaka ny Jaredita. Nampitandrina ny vahoaka ny rahalahin’i Jarèda fa hitarika azy ireo any amin’ny fahababoana ny fananana mpanjaka ( jereo ny Etera 6:19–23).) Nilaza faminaniana nanohitra ireo asa izay hitarika antsika any amin’ny fahababoana na ara-batana na ara-panahy hatrany ireo mpaminany.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny ohatra iray na roa amin’ireo zavatra atao izay ampitandreman’ireo mpaminany maoderina sy ny fomba ahafahan’ireo zavatra atao ireo mitondra any amin’ny fahababoana ara-batana na ara-panahy.

Na dia teo aza ny fampitandreman’ny rahalahin’i Jarèda dia nisafidy ny hanana mpanjaka ny vahoaka. Vakio ny Etera 7:1–2 mba hianarana raha toa ka tanteraka tamin’ny andron’i Ôrihà, izay zanak’i Jarèda ny faminanian’ny rahalahin’i Jarèda. Eritrereto ny zavatra holazainao amin’ny olona iray izay niaina tamin’ny andron’ny Mpanjaka Ôrihà ka tsy nino fa ho tanteraka ny faminanian’ny rahalahin’i Jarèda.

Tanteraka taorian’ny fifandimbiasan’ny taranaka roa ny fampitandremana ara-paminanian’ny rahalahin’i Jarèda. Vakio ny Etera 7:3–7 ary fantaro ny fomba niainan’i Kiba sy ny vahoakany tao anatin’ny fahababoana teo ambanin’ny fitondran’i Kôrihôra, izay nitondra azy hikomy tamin-drainy ny faniriana feno fitiavan-tena nananany. Vokatry ny fitiavan-tena sy ny fikomiana ity fahababoana ity.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay holazainao amin’ny olona ankehitriny izay tsy mankatò ny torohevitry ny mpaminany kanefa tsy mahatsapa fa ao anatin’ny fahababoana ara-panahy izy ireo. (Azonao ampidirina ao anatin’ny valinteninao ny hevitra hoe ireo izay lasa voasaringotra ao anatin’ny fahababoana ara-panahy no matetika mahatsapa izany farany indrindra. Manomeza toe-javatra maoderina mikasika ny zavatra iray izay mety hametraka ny olona iray ao anatin’ny fahababoana ara-panahy.)

Ity ampahany amin’ny tantaran’ny Jaredita ity dia mampiseho ilay fitsipika fa ny fandavana ny tenin’ireo mpaminany dia mitondra amin’ny fahababoana. Saintsaino ireo fomba mety niainanao fahababoana ara-panahy noho ny tsy fankatoavana ireo didy na torohevitra avy amin’ny faminaniana.

Ny fikomian’i Kôrihôra tamin’i Kiba rainy dia nitarika tamin’ny fifandirana sy ady tsy tapaka. Raha tao amin’ny fahanterany i Kiba dia nanana zanaka lahy hafa—i Solè. Rehefa niha-lehibe i Solè dia niady tamin’i Kôrihôra rahalahiny izay mpikomy.

  1. Alaivo sary an-tsaina hoe mpanao gazety voatendry hiresaka ny tantaran’i Solè ianao. Vakio ny Etera 7:8–13 ary manorata andiam-pehezanteny fohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mitatitra ny zavatra tianao hasongadina ao anatin’ny firesahanao ny fiainan’i Solè.

Nandritra ny fanjakan’i Solè dia nisy mpaminany maro tonga teo anivon’ny vahoaka ka nampitandrina azy ireo ny amin’ny faharatsian’izy ireo. Vakio ny Etera 7:23–25 ary fantaro ny zavatra naminanian’ireo mpaminany sy ny fihetsika nasehon’ny vahoaka. Ahoana ny fihetsika nasehon’i Solè? Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana ny vahoakan’i Solè noho ny fiarovany ireo mpaminany?

Vakio ny Etera 7:26–27 ary tadiavo ny zava-nitranga rehefa nankatò ny tenin’ireo mpaminany ny vahoaka. “Nahatsiaro ny zava-dehibe izay efa nataon’ny Tompo ho an’ny razany” i Solè (Etera 7:27). Rehefa mahatsiaro ireo zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao ianao dia azo antoka kokoa fa hanana fankasitrahana ho Azy ianao ary hiaina am-pahamarinana.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitsipika manan-danja iray ireo zava-nitranga ireo: Rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika isika dia manomboka miroborobo. Ny teny hoe miroborobo dia midika hoe “manantena” sy “mahomby” ihany koa, ary “matetika izany dia ampiasaina amin’ny lafin’ny fahombiazana ara-materialy, [kanefa] tsy voatery midika ho fahabetsahan’ny fananana ara-nofo izany—na koa hilazana fiainana mahafinaritra, tsy misy olana. …

“Ireo tena olon-marina dia miroborobo, rehefa manana fahatokiana izy ireo, izay mitarika ny finoana hanao asa sy miteraka toe-javatra miseho mahasoa avy amin’ireo izay tsy dia nahomby loatra. Tsy miandry ny Tompo hanome na hihazona valisoa izy ireo, fa miantso Azy kosa mba hanome fitarihana mikasika izay ho tena mahasoa tokoa ho azy ireo, na ara-nofo izany na ara-panahy. Ny fitarihana toy izany dia mety hitondra amin’ny fiovan’ny asa atao, fifindrana any amin’ny distrika hafa, fahazoana fiofanana na fahaiza-manao vaovao, na fanekena ny zavatra araka izay fisehony kanefa miasa araka izay azon’ny tena atao sy manaraka ny fitarihan’ny Fanahy amin’ny fomba hafa” (Alan Webster, “I Have a Question,” Ensign, apr. 1990, 52–53).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao tamin’ny fihainoana ny tenin’ireo mpaminany?

    2. Inona no zavatra iray azonao atao mba hihainoana tsaratsara kokoa ny tenin’ireo mpaminany ka ho mendrika ireo fitahian’ny Tompo?

Etera 8:1–9:12

Lasa mpanjakan’ny Jaredita tamin’ny alalan’ny tsikombakomba miafina i Jarèda, dia avy eo i Akisa

Vakio ity lisitra manaraka ity: ny mozika henoinao, ireo eritreritra anananao, ny fomba fihetsikao any an-tsekoly, ireo sarimihetsika jerenao, ny fitondrantenanao rehefa mampiaraka, ireo zavatra ataonao miaraka amin’ny namanao, ny zavatra ataonao rehefa tsy misy olona hafa manodidina anao. Nahoana ny olona izay mirotsaka amin’ny fitondrantena ratsy no te hanafina ny fomba fandraisany anjara amin’ny iray na maromaro amin’ireo zavatra atao ireo amin’ny namany, ny ray aman-dreniny, na ireo mpitarika azy? Inona no loza miandry amin’ny firotsahana ao anatin’ny zavatra atao miafina izay tsy marina?

Araka ny voalazan’ny Etera 8 dia lasa mpanjaka taorian’ny nahafatesan’i Solè i Ômera, kanefa “nikomy tamin-drainy” i Jarèda, zanakalahin’i Ômera (Etera 8:2) ary “nametraka ny fony tamin’ny fanjakana sy ny voninahitr’izao tontolo izao” izy (Etera 8:7). Namolavola drafitra iray niaraka tamin-drainy izay hanome azy ny fanjakana ny zanakavavin’i Jarèda. Vehivavy tsara tarehy izy, ary rehefa nandihy teo anoloan’ny lehilahy iray nantsoina hoe Akisa izy dia nanam-paniriana ny hanambady azy i Akisa. Niteny tamin’i Akisa i Jarèda fa afaka manambady ny zanany vavy i Akisa “raha entinao eto amiko ny lohan’ny mpanjaka raiko” (Etera 8:12). Nanao tsikombakomba miafina niaraka tamin’ny namany i Akisa mba hamono ny mpanjaka Ômera. Ny tsikombakomba miafina iray dia ny fanaovan’ny olona roa na mihoatra voady mba hitazona ireo asa ratsy miafina ataon’izy ireo ho tsiambaratelo mba hialana amin’ny vokatry ny asan’izy ireo.

Vakio ny Etera 8:15–18 ary mitadiava teny na andian-teny izay mamaritra ny sasany amin’ireo antony manosika sy fomba fanao ao ambadik’ireo izay manao ireo tsikombakomba miafina.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no mandray anjara amin’ny tsikombakomba miafina ny olona sasany?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no manimba tokoa ara-panahy ny mino fa afaka manao “ny karazana faharatsiana … rehetra” (Etera 8:16) na “na inona na inona zavatra” izay irianao ianao (Etera 8:17) ka tsy hiatrika na vokatra inona na vokatra inona?

    3. Andian-teny inona ao amin’ny Etera 8:18 no milaza ny zavatra tsapan’ny Tompo mikasika ny tsikombakomba miafina? Nahoana araka ny eritreritrao no raisina ho “ratsy indrindra noho ny rehetra” ny tsikombakomba toy izany?

Vakio ny Etera 8:20–22, 25 sy ny Etera 9:5–6, 11–12 ary tadiavo ireo vokatry ny fanohanana ireo tsikombakomba miafina. Fintino ny zavatra nianaranao:

Iray amin’ireo fahamarinana izay mety ho hitanao ao amin’ireo andininy ireo ny hoe: Mitondra any amin’ny famongorana ny tsirairay sy ny fiaraha-monina maro ny fanohanana tsikombakomba miafina.

Niato tamin’ny fanoratana mikasika ny adin’ny Jaredita i Môrônia mba hiresahana amintsika. Vakio ny Etera 8:23–24, 26 ary fantaro ny fomba namporisihan’i Môrônia ny olona amin’izao androntsika izao mba hampihatra ireo fampitandremany mikasika ny tsikombakomba miafina.

Mieritrereta valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahoana araka ny eritreritrao no ao anatin’ny “toe-javatra mahatsiravina” (Etera 8:24) ny firenena iray, ny fiaraha-monina iray, na ny vondrona hafa iray rehefa misy tsikombakomba miafina eo anivony? Ahoana no hanomezan’ny fanafenana hery ireny tsikombakomba ireny? Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ny fahamarinana mikasika ny tsikombakomba miafina manampy ny olona mba handrava ity faharatsiana ity?

  1. Jereo indray ilay lisitry ny zavatra atao nomena tany amin’ny fiandohan’ity ampahany amin’ny lesona ity. Na dia tsy voatery hosokajiana ho tsikombakomba miafina aza ny fanaovana safidy ratsy amin’ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainanao ireo dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny loza izay tonga avy amin’ny fisafidianana ny hirotsaka amin’ny fanaovana zavatra izay tsapan’ny olona iray fa ilaina ny mihazona izany ho miafina amin’ny hafa.

Etera 9:13–11:23

Nandimby ny mpanjaka iray ny iray hafa—ny sasany dia olo-marina ary ny sasany dia ratsy fanahy

Araka ny voarakitra ao amin’ny Etera 9–11 dia nisy mpanjaka maro nanjaka teo amin’ny Jaredita, ny sasany nanjaka tao anatin’ny fahamarinana ary ny sasany tao anatin’ny faharatsiana. Vakio ny Etera 9:26–35 (nandritra ny fanjakan’i Heta) sy ny Etera 11:1–8 (nandritra ny fanjakan’i Kôma sy Siblôma) ary tadiavo ny porofon’ny fahamarinan’ilay fitsipika hoe ny fandavana ny tenin’ireo mpaminany dia mitondra ho amin’ny fahababoana, izay noresahana teo aloha tao anatin’ity lesona ity.

Sary
satroboninahitra misy vatosoa

Tadidio ilay fomba neritreretinao mba hihainoana tsaratsara kokoa ny tenin’ny mpaminany. Mandritra ny andro vitsivitsy manaraka dia tratraro ity tanjona ity ary mitadiava fahafahana mba hizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny maha zava-dehibe ny fankatoavana ny tenin’ireo mpaminany.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Etera 7–11 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy