Seminera
Fizarana 30: Andro 2, Etera 6


Fizarana 30: Andro 2

Etera 6

Fampidirana

Taorian’ny fiomanana araka ny didin’ny Tompo dia niditra tao amin’ireo sambofiaran’izy ireo ny Jaredita ary natoky ny Tompo mba hitondra azy ireo tsy ho azon-doza mandritra ny dia sarotra nataon’izy ireo nankany amin’ny tany nampanantenaina. Nandefa rivotra izay nampihilangilana ireo sambo tambonin’ny onja ny Tompo ary nandevina azy ireo imbetsaka tany anaty ranomasina, kanefa izany rivotra izany ihany no nanosika azy ireo nankany amin’ny tany nampanantenaina. Taorian’ny nanorenan’izy ireo ny fonenany teo amin’ilay tany vaovao dia nisafidy mpanjaka ny vahoaka na dia teo aza ny fampitandreman’ny rahalahin’i Jarèda.

Etera 6:1–12

Nentin’ny Tompo nankany amin’ny tany nampanantenaina tamin’ny alalan’ny rivotra ny Jaredita

Misy ireo fotoana izay mety ahatsapantsika fa sarotra ny manao izay angatahin’ny Tompo, toy ny mizara ny filazantsara amin’ny namana iray, mijanona ho madio ara-pitondrantena, misafidy namana izay manaraka fitsipika ambony, ary mametraka laharam-pahamehana mendrika eo amin’ny fiainana. Afaka mieritreritra ohatra hafa ve ianao mikasika ireo fotoana izay mety maha-sarotra ny manao izay angatahin’ny Tompo?

Ny tantaran’ny dian’ireo Jaredita nankany amin’ny tany nampanantenaina dia mampianatra fitsipika maro izay afaka mitarika anao rehefa hitanao fa sarotra ny manao izay andidian’ny Tompo. Vakio ny Etera 2:24–25 ary tadiavo ny zavatra nampitandreman’ny Tompo ny Jaredita fa hanasarotra ny dian’izy ireo mankany amin’ny tany nampanantenaina.

Mba hanoherana ireo fahasarotana ireo dia nandidy ny Jaredita ny Tompo mba hanamboatra sambofiara “nifanizina tahaka ny lovia” (Etera 2:17), izay nasiana lavaka teo amin’ny tendrony ambony sy ny fanambaniny izay azon’izy ireo sokafana mba hampidirana rivotra. Vakio ny Etera 6:1–4 ary fantaro ireo fomba hafa nasain’ny Tompo niomanan’ny Jaredita ho amin’ireo fahasarotan’ny dia.

Mety hanampy ny fahatakarana fa ny hoe “nankininy tamin’ny Tompo Andriamaniny ny tenany” (Etera 6:4) dia midika fa nanankina ny tenan’izy ireo tamin’Andriamanitra ny Jaredita mba ho fikarakarana sy fitsinjovana azy ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no mety ho sarotra ho an’ny Jaredita ny natoky ny Tompo tao anatin’ity toe-javatra ity?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no samy manan-danja ny fiomanana sy ny fanankinana ny tenan’izy ireo tamin’ny Tompo?

Eo am-pamakianao ny Etera 6:5–11 dia ezaho alaina sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana izany nandeha tao anatin’ny sambofiaran’ny Jaredita izany.

  1. Mba hanampiana anao hiomana hamantatra ireo fitsipiky ny filazantsara izay azonao hianarana avy amin’ity tantara ity dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no nanehoan’ny Jaredita ny fitokisan’izy ireo ny Tompo nandritra ny dia sarotra nalehan’izy ireo? (jereo ny Etera 6:7, 9).

    2. Ahoana no fomba nitahian’Andriamanitra azy ireo nandritra ny dian’izy ireo?

Taorian’ny iray taona latsaka teny ambony rano dia tapitra ihany ny dian’ny Jaredita. Vakio ny Etera 6:12 ary fantaro ny zavatra tsapan’izy ireo rehefa tonga tao amin’ny tany nampanantenaina izy ireo. Fintino ny zavatra nianaranao tao anatin’ity lesona ity hatreto amin’ny alalan’ny famenoana ity fitsipika voalaza manaraka ity: Rehefa matoky ny Tompo sy manao ny sitrapony isika, dia … Izy..

Fomba iray hamenoana ity teny ity ny andian-teny hoe “hitarika ny lalan’ny fiainantsika.” Mba hampitomboana ny fahatakaranao ity fitsipika ity dia jerena indray ireo fotoana izay mety hahatsapantsika fa sarotra ny manao izay angatahin’ny Tompo izay voatanisa any amin’ny fiantombohan’ny lesona. Tahaka ny nataony tamin’ny Jaredita dia manomana antsika ihany koa ny Tompo mba handresy ireo zava-tsarotra hatrehantsika eo amin’ny fiainana rehefa mivavaka sy manaraka ny mpaminany ary mitandrina ny didy isika.

  1. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba mety hanehoan’ny olona iray fatokiana ny Tompo. Araka ny ohatry ny Jaredita, inona no tokony ataontsika rehefa miatrika didy sarotra avy amin’ny Tompo isika?

  2. Saintsaino ity fitsipika manaraka ity: Rehefa matoky ny Tompo isika dia afaka manampy antsika handroso sy hahazo ireo fitahiana nampanantenaina ny fahoriana sy ny zava-tsarotra. (Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Etera 6:5–10 izany.) Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no hahatsapanao fa nandroso sy nahazo ireo fitahiana tamin’ny alalan’ny faharetana am-pahatokiana ireo zava-tsarotra natrehanao na mbola atrehanao eo amin’ny fiainanao ianao ankehitriny?

    2. Ahoana no hahafahanao matoky bebe kokoa ny Tompo sy manaraka ny torolalany ao anatin’ny toe-javatra sarotra izay mety hatrehinao?

Etera 6:13–18

Nampianatra ny zanany mba handeha amim-panetrentena eo anoloan’ny Tompo ny Jaredita

Alaivo sary an-tsaina hoe vao niampita ranomasimbe iray tahaka ny Jaredita ianao ka tonga ao amin’ny tany iray izay tena vaovao be ho anao. Vakio ny Etera 6:13–18 ary eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona avy no mety ho ohatra amin’ny hevitry ny hoe mandeha amim-panetrentena eo anoloan’ny Tompo? Ahoana no fomba namporisihan’ny ray aman-dreninao na ny hafa anao mba handeha amim-panetrentena eo anoloan’ny Tompo? Inona araka ny eritreritrao no hifandraisan’ny hoe mandeha amim-panetrentena sy ny nampianarina avy tany ambony? Oviana no nahatsapanao fa “nampianarina avy tany ambony” ianao? (Etera 6:17).

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Etera 6 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy