Seminera
Fizarana 1: Andro 4, Fampahafantarana fohy mikasika ny Bokin’i Môrmôna


Fizarana 1: Andro 4

Fampahafantarana fohy mikasika ny Bokin’i Môrmôna

Fampidirana

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nitantara ny zava-nitranga manodidina ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa mandalina ity tantara ity ianao, dia afaka mihalalina kokoa ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny antsony amin’ny maha mpaminany azy sy ny anjara asa masin’ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity koa dia hanampy hanao hifankazatra bebe kokoa amin’ny fomba nanoratana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny vanim-potoana taloha. Ny mpaminany Môrmôna sy Môrônia dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitarihan’ny Tompo azy ireo nandritra ny fanoratany sy ny fanangonany ireo rakitsoratr’ireo mpaminany maro hafa teo amin’ny takela-bolamena. Rehefa mandalina ianao, dia tadiavo ireo porofo maneho ny tanan’ny Tompo tamin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna sy ny mety ho anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fitarihina ny fiainanao.

“Ny Fijoroana ho Vavolombelon’ny Mpaminany Joseph Smith”

Ahoana no hamalianao ny fanontaniana hoe “Ahoana no nahazoan’ny Fiangonanareo ny Bokin’i Môrmôna?”

Ny “Fijoroana ho Vavolombelon’ny Mpaminany Joseph Smith,” izay hita ao amin’ny teny fanolorana ao amin’ny fiandohan’ny Bokin’i Môrmôna, dia ahitana santionany avy amin’ny Joseph Smith—Tantara, izay hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Izany dia mitantara ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny tenin’ny Mpaminany manokana. Amporisihana ianao hamaky tanteraka ny tantara ao amin’ny Joseph Smith—Tantara mandritra ny fandalinanao ny soratra masina isan’andro.

“Ny Fanambaran’ny Mpaminany Joseph Smith” dia tsy ahitana laharan’ny andininy, noho izany ity lesona ity dia hampiasa ny Joseph Smith—Tantara mba hanamorana ny fahitanao ireo asa famakiana izay ampanaovina. Rehefa mandalina ny fijoroana ho vavolombelon’ny Mpaminany Joseph ianao, dia tadiavo ireo porofo maneho fa ny Bokin’i Môrmôna dia navoaka tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra.

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:29–35, 42–43, ary tsipiho ireo antsipirihan’ny famangian’i Môrônia an’i Joseph Smith izay ho ampiasainao raha toa ianao hanazava ny zava-niseho amin’olon-kafa. Ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:34, inona no nolazain’i Môrônia fa voarakitra ao amin’ny takela-bolamena?

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana izao: Inona ilay zavatra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:29–35, 42–43 izay tianay avoitra raha mizara io tantara io amin’ny olon-kafa ianao? Nahoana izany no manan-danja ho anao?

  2. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:51–54, ary tantarao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo eritreritrao mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no nianaran’i Joseph Smith nandritra ny fitsidihana voalohany niarahany tamin’ny anjely Môrônia? Nahoana ianao no mieritreritra fa zava-dehibe ho an’i Joseph ny nandray ilay fampianarana nandritra ny efa-taona mialohan’ny nahazoany sy nandikany ireo takelaka?

Taorian’ny vanim-potoana niomanana sy nianarana, dia nomena an’i Joseph Smith ireo takelaka tamin’ny 1827 niaraka tamin’ny andraikitra handika azy ireo amin’ny fanomezana sy herin’Andriamanitra. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:59–60, ary tadiavo ny andraikitra izay nomena mikasika ireo takela-bolamena.

“Fanazavana Fohy Momba ny Bokin’i Môrmôna”

Sary
Manambatra ireo Takelaka i Môrmôna

Mba hahatakarana ny fomba firafitry ny Bokin’i Môrmôna, dia vakio ny “Fanazavana fohy momba ny Bokin’i Môrmôna,” izay hita aorian’ny “Fijoroana ho Vavolombelon’ny Mpaminany Joseph Smith.” Ampitahao izay vakianao amin’ireo sary hita any amin’ny faran’ity lesona ity, izay maneho ny fomba fitambaran’ireo karazana takelaka mba hanome ny Bokin’i Môrmôna.

Maro ireo olona izay nitana ny anjara asan’ny mpitahiry ireo raki-tsoratra nandritra ny tantaran’ireo Nefita sy Lamanita, niatomboka tamin’i Lehia ary nifarana 1.000 taona mahery taty aoriana tamin’i Môrmôna mpaminany mpahay tantara sy ny zanany Môrônia. Notarihin’ny Tompo i Môrmôna mba hamintina ny rakitsoratr’ireo mpaminany taloha ireo sy ilay tantaran’io vahoaka io nandritra ny 1.000 taona. Ny famintinana izay nataony dia voarakitra ao anatin’ny takelak’i Môrmôna, izay antsoina koa hoe takela-bolamena. Taorian’ny nahafatesan’i Môrmôna, dia nofaranan’ny zanany Môrônia ilay rakitsoratra ary nafenina ireo takelaka mandra-panomezana azy ireo an’ny Mpaminany Joseph Smith.

Helamàna 3:13–15 no anisan’ireo andalan-tsoratra masina maro izay hitantaran’i Môrmôna ny fanaovana ny famintinana ny tantaran’ny Nefita. Rehefa mamaky izany ianao dia jereo fa maro tokoa no voasoratra mihoatra noho izay afaka nampidirin’i Môrmôna sy Môrônia tao amin’ny takela-bolamena.

Vakio ny Tenin’i Môrmôna 1:9 sy Môrmôna 8:34–35. Lokoy miavaka ireo teny na andian-teny izay maneho ny fomba nanampian’ny Tompo sy nitarihany an’i Môrmôna sy i Môrônia tamin’ny fanatambaran’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana izao: Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Môrmôna na i Môrônia ka nanana ny andraikitra hamintina ireo soratry ny mpaminany ho lasa rakitsoratra iray, ahoana no hifantenanao izay tokony hampidirina ao amin’ny famintinana ataonao?

Ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no ahitantsika fa ireo nanoratra ny Bokin’i Môrmôna dia nahita izao vanim-potoana iainantsika izao ka nanoratra izay mety ho fanampiana ilaintsika indrindra. Mety ho tianao ny hanoratra izany ao amin’ny soratra masina eo akaikin’ny Môrmôna 8:35.

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nijoro ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia “nosoratana ho an’ny vanim-potoanantsika” ary nanazava izy fa ny fahafantarana izany dia afaka manampy antsika rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna isika.

“Tsy nanana izany boky izany na oviana na oviana ny Nefita, na koa ireo Lamanita tamin’ny fahiny. Natao ho antsika izany. Taty amin’ny faramparan’ny sivilizasiôna Nefita no nanoratra i Môrmôna. Nanambatra ireo rakitsoratra tao anatin’ny taonjato maro izy, nisafidy ireo tantara, lahateny ary zava-nitranga izay hanampy antsika bebe kokoa, teo ambany fitaomam-panahin’Andriamanitra, izay mahita ny zava-drehetra hatrany am-piandohana. …

“Raha toa ka nahita ny androntsika izy ireo ary nisafidy ireo zavatra izay hanan-danja kokoa ho antsika, moa ve tsy izany no antony tokony handalinantsika ny Bokin’i Môrmôna? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: “Inona no antony nitaoman’ny Tompo fanahy an’i Môrmôna (na an’i Môrônia na an’i Almà) hampiditra izany ao amin’ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin’izany izay hanampy ahy eo amin’ny fiainako amin’izao andro izao sy amin’izao vanimpotoana izao?” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 6).

Ny fametrahana izany karazana fanontaniana izany rehefa mandalina ianao dia hanampy anao hahita ireo fitsipika sy fotopampianarana izay fantatry ny Tompo fa hitondra fanampiana lehibe indrindra amin’ny fiainanao.

Eritrereto ny fiainanao amin’izao. Eritrereto ireo fanontaniana izay anananao na toe-javatra atrehanao ka tianao hahazoana fitarihana avy amin’Andriamanitra. Soraty ny iray na roa amin’izany ao amin’ny diarinao (tsy ilay diary fandalinanao soratra masina izay asehonao ny mpampianatra anao). Mandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna isan’andro, dia tadiavo ireo fitsipika izay manome fitarihina sy torohevitra mifandray amin’ireny toe-javatra ireny.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

Mikasika ny fandalinana ny soratra masina isan’andro, ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nilaza hoe: “Mety hieritreritra ianao hoe sahirana loatra. Folo na dimy ambinifolo minitra isan’andro hamakiana soratra masina, indrindra ny Bokin’i Môrmôna, dia afaka hanome fahatakarana mahagaga ho anao mikasika ireo fahamarinana lehibe sy mandrakizay izay notehirizina tamin’ny herin’Ilay Mahery mba ho fitahiana ho an’ireo zanany. Rehefa mamaky ianao … , dia hanakaiky bebe kokoa an’Ilay mpanefa ny famonjena antsika” (“Rise to the Stature of the Divine within You,” Ensign, nôv. 1989, 97).

  1. Saintsaino izay tanjona afaka apetrakao ka hanampy anao hahazo tombontsoa betsaka indrindra amin’ny famakianao ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny tanjonao. Mety ho tianao ny hametraka vanim-potoana voafaritra handrefesanao ny fivoaranao.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nianatra ny lesona “Fampahafantarana fohy mikasika ny Bokin’i Môrmôna” aho ary nahavita izany tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy