Seminera
Fizarana 28: Andro 2, Môrmôna 1–2


Fizarana 28: Andro 2

Môrmôna 1–2

Fampidirana

Na dia nihalehibe tao anatin’ny fotoan’ny faharatsiana lehibe aza i Môrmôna dia nisafidy ny ho mahatoky izy. Nampandraiketina azy ny fikarakarana ireo rakitsoratry ny Nefita noho ny fahatokiany. “Novangian’ny Tompo, sy nanandrana ary nahafantatra ny amin’ny hatsaram-pon’i Jesoa” i Môrmôna teo amin’ny faha-15 taonany (Môrmôna 1:15). Tamin’io taona io ihany dia notendren’ny Nefita hitarika ny miaramilany izy (jereo ny Môrmôna 2:1). Naniry ny hanampy ny Nefita hibebaka izy, saingy nandrara azy tsy hitory teny tamin’izy ireo ny Tompo noho ny fikomian’izy ireo an-tsitrapo. Very ny Fanomezana ny Fanahy Masina noraisin’ny Nefita sy ireo fanomezam-pahasoavana hafa avy amin’Andriamanitra ary voatery niantehitra tamin’ny herin’ny tenany samirery izy ireo rehefa niady tamin’ny Lamanita.

Môrmôna 1:1–5

Nampandraiketina an’i Môrmôna ireo rakitsoratra masina

Inona avy ireo teny izay tianao ampiasain’ny olona rehefa milazalaza ny momba anao izy ireo?

Efa nofaritana toy ny Môrmôna ve ianao? Midika inona aminao izany hoe faritan’ny olona ho toy ny Môrmôna ianao?

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia niresaka mikasika ilay anaram-bosotra hoe Môrmôna, izay ampiasain’ny olona sasany rehefa miresaka mikasika ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Raha toa ka malahelo aho indraindray fa tsy antsoin’ny olona amin’ny tena anarany ity fiangonana ity, dia faly aho satria iray amin’ireo voninahitra lehibe natolotra avy tamin’ny lehilahy iray mendri-piderana sy avy amin’ny boky iray izay manome fijoroana ho vavolombelona tsy manam-paharoa mikasika ilay Mpanavotra izao tontolo izao izany anaram-bosotra ampiasain’izy ireo izany.

“Na iza na iza no lasa mahafantatra an’i Môrmôna amin’ny alalan’ny famakiana sy fandalinana ny teniny, na iza na iza no mamaky ity asa soratra sarobidy mirakitra tantara nangonina ity izay nakambany sy notehiriziny tsara tokoa, dia hahafantatra fa tsy teny mahamenatra akory ny hoe Môrmôna, fa maneho kosa ny tsara indrindra izany—ilay tsara izay avy amin’Andriamanitra izany” (“Mormon Should Mean ‘More Good,’” Ensign, nôv. 1990, 52–53).

I Môrmôna, ilay mpaminany, dia teraka tamin’ny fotoana izay niainan’ny ankamaroan’ny olona rehetra teo amin’ny tany tao anatin’ny faharatsiana. Tamin’izany fotoana izany dia nisy mpaminany iray nantsoina hoe Amarôna izay nodidiana mba hanafina ireo rakitsoratra masina rehetra (jereo ny 4 Nefia 1:47–49). Nitsidika an’i Môrmôna, izay vao 10 taona monja tamin’izany fotoana izany i Amarôna ary nanome azy torolalana mikasika ny andraikiny atsy ho atsy amin’ireo rakitsoratra. Vakio ny Môrmôna 1:2, ary mitadiava teny na andian-teny nampiasain’i Amarôna hamaritana an’i Môrmôna fony izy mbola kely.

Teny iray nampiasain’i Amarôna hamaritana an’i Môrmôna ny hoe matotra. Ny teny matotra dia midika hoe marina, na manana toetra araka an’Andriamanitra. Azonao atao ny manoratra ity famaritana ity eo amin’ny sisin’ny soratra masinao. Inona avy ireo lohahevitra na toe-javatra miseho eo amin’ny fiainana izay eritreretinao fa tokony hahamatotra anao? Zava-dehibe ny mahatakatra fa afaka mifaly sy mihomehy ny olona matotra, kanefa takatr’izy ireo hoe rahoviana no mety ny mifalifaly ary rahoviana no mety ny manao matotra kokoa.

Nofaritan’i Amarôna ho “faingam-pandinika” ihany koa i Môrmôna (Môrmôna 1:2). Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe faingam-pandinika? Nanazava ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny teny hoe mandinika dia ampiasaina amin’ny fomba roa ao anatin’ny soratra masina:

“Ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy [iray] izay toa tsotra ary angamba tsy dia raharahiana loatra—ilay fahafahana mba ho ‘faingam-pandinika’ (Môrmôna 1:2)—dia tena manan-danja ho ahy sy ho anao eto amin’ity tontolo izay hiainantsika ankehitriny sy mbola hiainantsika ity. …

“Aoka hosaintsaininareo ny dikan’ity fanomezam-pahasoavana ara-panahy manan-danja ity. Araka izay hita ao amin’ny soratra masina, dia misy fomba roa lehibe ampiasana azy ny teny hoe mandinika. Ny fampiasana iray dia midika hoe ‘mijery’ na ‘mahita’ na ‘mahatsikaritra’—araka ny ianarantsika ao amin’ny Isaià 42:20. …

“Ny fampiasana faharoa ny teny hoe mandinika dia manoro hevitra mba ‘hankatò’ na ‘hitandrina’ —araka ny hita ao amin’ny [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:6]. …

“Noho izany dia mijery na mahatsikaritra ary mankatò haingana isika rehefa faingam-pandinika. Ireto singa fototra roa ireto—mijery sy mankatò—dia samy manan-danja avokoa amin’ny maha-faingam-pandinika. Ary ohatra miavaka ny amin’ny fiasan’ity fanomezam-pahasoavana ity ny mpaminany Môrmôna” (“Quick to Observe,” Ensign, des. 2006, 31–32).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo eritreritrao mikasika ny fomba mety hanampian’ity toetra maha-faingam-pandinika ity anao eo amin’ny fiainanao isan’andro.

Vakio ny Môrmôna 1:3–5, ary fantaro ireo torolalan’i Amarôna ho an’i Môrmôna. Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ireto toetra matotra sy faingam-pandinik’i Môrmôna ireto azy amin’ireo andraikiny ireo?

Môrmôna 1:6–19

Noraran’ny Tompo tsy hitory teny i Môrmôna noho ny fikomiana amin-kitsimpon‘ireo vahoaka

Sary
Môrmôna

Efa very zavatra tena sarobidy ve ianao? Raha mbola tao anatin’ny fahazazany i Môrmôna dia nahita ady maro teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita sy ny fipariahan’ny faharatsiana lehibe teo amin’ny tany (jereo ny Môrmôna 1:6–13). Koa satria nanjary lehibe tokoa ny faharatsian’ny Nefita dia nanoratra i Môrmôna fa fanomezam-pahasoavana sarobidy maro avy amin’ny Tompo no votsotra teo amin’izy ireo.

  1. Manaova tsanganana roa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Omeo ny lohateny hoe “Ireo Fanomezam-pahasoavana Votsotra teo amin’ny Nefita” ny tsanganana voalohany. Vakio ny Môrmôna 1:13–14, 18, ary tadiavo ireo fanomezam-pahasoavana izay nesorin’ny Tompo teo amin’ny Nefita. Soraty ao anatin’ilay tsanganana voalohany ny zavatra hitanao. Omeo ny lohateny hoe “Nahoana no Nesorin’ny Tompo ireo Fanomezam-pahasoavany” ny tsanganana faharoa. Vakio ny Môrmôna 1:14, 16–17, 19, ary tadiavo ireo antony nanesoran’ny Tompo ireo fanomezam-pahasoavana teo amin’ny Nefita. Soraty ao anatin’ilay tsanganana faharoa ny zavatra hitanao.

Afaka mianatra isika avy amin’ireo andininy ireo fa ny faharatsiana sy ny tsy finoana dia manaisotra ireo fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Na dia goavana aza ny fikomian’ny Nefita, dia mihatra amin’ny tsirairay amintsika ihany koa ity fitsipika ity rehefa mandika ny didin’Andriamanitra isika na inona izany na inona.

Raha toa ka niaina tamin’ny andron’i Môrmôna ianao dia inona amin’ireo fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra izay voatonona ao amin’ny Môrmôna 1:13–14, 18 no hanenenanao indrindra raha votsotra eny aminao?

Vakio ny Môrmôna 1:15, ary tadiavo ny zavatra niainan’i Môrmôna raha toa kosa ka votsotra teo amin’ireo Nefita sisa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina sy ireo fanomezam-pahasoavana hafa avy amin’Andriamanitra. Tamin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no nahafahan’i Môrmôna nanana traikefa ara-panahy na dia teo anivon’ny faharatsiana lehibe aza izy?

Môrmôna 2:1–15

Nitarika ny miaramila Nefita i Môrmôna ary nalahelo tamin’ny faharatsian’izy ireo

Saintsaino ity toe-javatra miseho manaraka ity: Misy lehilahy iray 30 taona izay miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny ary misafidy ny tsy hitady asa izy. Aleony kosa mivelona amin’ny fisasaran’ny ray aman-dreniny ary mandany ny fotoany amin’ny zavatra tsy mitondra na aiza na aiza toy ny mandany ny ankamaroan’ny fotoany amin’ny filalaovana jeux vidéo. Ampitahao amin’ny famaritana an’i Môrmôna ilay zazalahy kely ity toe-javatra miseho ity eo am-pandalinanao ny Môrmôna 2.

Vakio ny Môrmôna 2:1–2, ary tadiavo ny andraikitra nomena an’i Môrmôna sy ny taonany tamin’ny nandraisany izany.

Tsy ela akory taorian’ny nanendrena an’i Môrmôna ho mpitarika ny miaramila Nefita, dia tonga teo amin’ny Nefita tamin-kery lehibe ny Lamanita ka nahatonga ny Nefita ho natahotra sy nitsoaka an-daharana. Nanery azy ireo hifindrafindra tanàna ny Lamanita ambara-pivondronan’ny Nefita tamin’ny toerana iray. Taty aoriana dia nanohitra ny Lamanita ny miaramilan’i Môrmôna ka nahatonga azy ireo handositra (jereo ny Môrmôna 2:3–9).

  1. Vakio ny Môrmôna 2:10–15, ary tadiavo ny toe-panahin’ny Nefita taorian’ireo ady ireo. Dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no antony nampalahelo ny Nefita?

    2. Araka ny Môrmôna 2:14, ahoana no nahafantaran’i Môrmôna fa tsy fanehoana fibebahana marina ny alahelon’izy ireo?

    3. Inona avy ireo fahasamihafana hitanao ao amin’ny Môrmôna 2:13–14 teo amin’ireo izay nankamin’ny fibebahana ny alahelony sy ireo izay notarihin’ny alahelony ho amin’ny ozona (izay natsahatra tao amin’ny fivoarany)?

Mampianatra antsika ireo andininy ireo fa raha toa ka mitondra amin’ny fibebahana ny alahelontsika noho ny fahotana dia hitarika antsika ho any amin’i Kristy miaraka amin’ny fo mietry izany. Izy ireo ihany koa dia maneho ilay fitsipika hoe ny alahelo noho ireo vokatry ny fahotana fotsiny ihany dia mitarika any amin’ny ozona (na atsahatra amin’ny fivoarana mankany amin’ny fiainana mandrakizay).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny olona iray izay nanota alahelo araka izao tontolo izao—ilay karazana alahelo izay mitondra any amin’ny ozona?

    2. Amin’ny fomba ahoana no mety hanehoan’ny olona iray izay nanota ilay karazana alahelo izay mitarika ho amin’ny fibebahana?

Saintsaino ny fihetsika asehonao rehefa tonga saina ianao fa nanao fahadisoana na nanota. Afaka miaina fiadanana sy miombona amin’Andriamanitra ianao raha toa ka manatona ny Mpamonjy amin’ny fo mietry sy mibebaka.

Môrmôna 2:16–29

Nandray ireo takelaka i Môrmôna ary nirakitra ny fitantarana ny faharatsian’ny vahoaka

Raha nitohy ireo ady tamin’ny Lamanita, dia tonga teo akaikin’ilay havoana izay nanafenan’i Amarôna ireo rakitsoratry ny Nefita i Môrmôna. Nalainy tao ireo takelak’i Nefia ary nanomboka nanoratra ny zavatra tsikariny teo anivon’ny vahoaka hatramin’ny fotoana naha-zaza azy izy (jereo ny Môrmôna 2:16–18). Vakio ny Môrmôna 2:18–19, ary asio marika ny sasany amin’ireo andian-teny izay mamaritra ireo toe-javatra niainana ara-panahy izay nisy nandritra ny fotoana nitomboan’i Môrmôna.

Avy tamin’izay nianaranao mikasika an’i Môrmôna, nahoana izy araka ny eritreritrao no nahatoky fa “hasandratra … amin’ny andro farany”? (Môrmôna 2:19). (Eto amin’ity toe-javatra ity dia midika hoe hasandratra—hatsangana amin’ny maty miaraka amin’ny vatana selestialy ary entina eo anatrehan’Andriamanitra mba hiara-mitoetra Aminy mandrakizay ny hoe “hasandratra … amin’ny andro farany.”)

Ny fiainan’i Môrmôna dia fijoroana ho vavolombelona fa afaka misafidy ny hiaina am-pahamarinana isika na dia ao anatin’ny fiaraha-monina ratsy fanahy aza.

Saintsaino ity toro-hevitra manaraka ity: “Tompon’andraikitra amin’ireo safidy ataonao ianao. Mieritreritra anao Andriamanitra ary hanampy anao hanao safidy tsara Izy, na dia mampiasa ny fahafahany misafidy amin’ny fomba tsy marina aza ny fianakavianao sy ireo namanao. Manàna herimpo ara-môraly hijoro tsy mihozongozona amin’ny fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra, na dia mila mijoro irery aza ianao. Rehefa manao izany ianao dia maneho ohatra iray mba harahin’ny hafa” (Ry Tanora Mahereza [kiboky, 2011], 2).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nahitanao namana iray na olona iray ao amin’ny fianakavianao nijoro tsy nihozongozona tamin’ny fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra na dia tsy nanao toa izany aza ireo hafa. Soraty ihany koa ny eritreritrao mikasika ny fomba nanampian’ny ohatra nasehon’izany olona izany sy ny ohatra nasehon’i Môrmôna anao.

Teny filamatry ny Zatovovavy ny hoe “Miaro ny Fahamarinana sy ny Fahitsiana.” Na zatovolahy ianao na zatovovavy dia mieritrereta lafin-javatra manokana iray eo amin’ny fiainanao izay hahafahanao ho vonona bebe kokoa mba hiaro ny marina. Hanampy anao ny Tompo rehefa miezaka miaro izay marina ianao na dia tsy manao toa izany aza ireo hafa manodidina anao.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Môrmôna 1–2 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy