Seminera
Fizarana 8: Andro 1, 2 Nefia 26–27


Fizarana 8: Andro 1

2 Nefia 26–27

Fampidirana

Hitan’i Nefia mialoha ny fitsidihan’i Jesoa Kristy an’i Amerika sy ny famongorana hianjady amin’ny olona any aoriana. Hitan’i Nefia mialoha koa ireo izay hiaina amin’ny andro farany ary nampitandremany amin’ny fiavonavonana sy ny tsikombakomba miafina ary ny kaomiberaky ny mpisorona. Mba hanehoana ny fomba hanomezan’ny Tompo lalana iray handresena ny vokatry ny faharatsiana sy ny apôstazia dia nampidirin’i Nefia ireo faminanian’i Isaia mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany.

2 Nefia 26

Naminany mikasika ny andro farany i Nefia ary nanasa ny rehetra mba hanatona an’i Kristy

Moa ve ianao efa niaina horohoron-tany na oram-baratra mahery vaika na sehon-javatra tena nandravarava na efa nahita sary na horonantsary mampiseho an’ireo zavatra ireo? I Nefia dia nahita fa amin’ny andro farany, ny mponin’izao tontolo izao dia “hovangiana amin’ny varatra sy ny tselatra ary ny horohoron-tany sy amin’ny fomba fandringanana rehetra” (2 Nefia 26:6). Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mamaky mikasika ny “fahatezeran’ny Tompo” (2 Nefia 26:6) na “ny fitsaran’Andriamanitra” (2 Nefia 25:3) ianao? Natao hitahiana ny zanany ny fitsaran’Andriamanitra —mba hitondrana ny olon-dratsy ho any amin’ny fibebahana sy hiarovana ny olo-marina. Ao amin’ny 2 Nefia 26:1–11, i Nefia dia naminany mikasika ny fandravaravana hiseho mialohan’ny fitsidihan’i Jesoa Kristy an’i Amerika ary ny famongorana ny olony amin’ny farany noho ny haratsian-toetran’izy ireo. Vakio ny 2 Nefia 26:8–9, ary tadiavo ireo fitahiana izay nolazain’i Nefia fa ho tonga amin’ireo taranany marin-toetra. Dia vakio avy eo ny 2 Nefia 26:12–13, ary tadiavo ny zavatra nampanantenaina antsika rehefa mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika.

  1. I Jesoa Kristy dia maneho ny tenany amin’ireo izay mino Azy ary maharitra ao anatin’ny fahamarinana. Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no fomba hanehoan’i Jesoa Kristy ny tenany amin’ireo izay mino Azy? (Jereo ny 2 Nefia 26:13.)

    2. Ahoana no fomba nahitanao na niainanao ny sasantsasany tamin’ireo fanehoan’i Jesoa Kristy ny tenany ireo?

Ao amin’ny 2 Nefia 26:14–19, i Nefia dia naminany fa ny olony sy ny taranak’ireo rahalahiny dia hohalemen’ny tsy finoana amin’ny andro farany ary ho tonga ny Bokin’i Môrmôna. Nambarany ao amin’ny 2 Nefia 26:20–22 fa ho maro ny olona amin’ny andro farany no feno fiavonavonana sy handa ireo fahagagana nataon’Andriamanitra ary hiantehitra amin’ny fahendreny sy fahaizany manokana. Tamin’ny alalan’ny ohatra toy ny ahoana no nahitanao ny fahatanterahan’ny faminanian’i Nefia?

Nampitandrina antsika i Nefia fa ny devoly dia mampiasa ny fiavonavonana, ny fahalianan-karena sy ny tsikombakomba miafina mba hamotehana antsika. Asio marika eo akaikin’ny 2 Nefia 26:22 ao anatin’ny soratra masinao, ny fomba hikatsahan’i Satana hamatorana antsika. Ny tadin-drongony dia tady malefaka izay mora tapaka. Kanefa rehefa kofehy maro no miaraka arandrana dia lasa tady mahazaka izany. Vakio ny 2 Nefia 26:32, ary jereo ireo karazana “asan’ny maizina” izay didian’ny Tompo mba hosorohintsika. Saintsaino hoe ahoana no ahafahan’ny kofehy singany iray ho lasa “tady mahazaka” ao amin’ny 2 Nefia 26:32.

  1. Alaivo sary an-tsaina hoe mampianatra namana iray mikasika ny fomba hisorohana ny fandriky ny devoly (Satana) ianao. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny 2 Nefia 26:20–22, 32, dia manorata andinin-tsoratra iray ao anatin’ny diary fandilananao soratra masina izay manazava ny dingana arahan’ny devoly hikatsahana ny hamatorana antsika. Jereo manokana ao anatin’ny 2 Nefia 26:22 ny fomba fampiasan’ilay fahavalo ny tadin-drongony mandra-pahavoafatotr’ilay olona ianjadiam-boina amin’ny tady mahazaka ary manomeza ohatra iray.

Hitan’i Nefia ny famotehana nataon’ny fahavalo ary nampitandrina ny amin’ny fandrik’i Satana sy ny fitarihany amin’ny andro farany izy. Ny mifanohitra amin’ny asa maizin’i Satana kosa no nampianarin’i Nefia dia ny hoe atolotra ho an’ny rehetra ny fitiavan’Andriamanitra ary ny tanjony dia ny hamonjy ny faran’izay maro amin’ireo izay hanatona Azy. Vakio ny 2 Nefia 26:23–24, ary asio marika ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny fomba fiasan’Andriamanitra amin’ny zanany. Araka ny 2 Nefia 26:24, inona no tanjon’Andriamanitra ao anatin’ny zavatra rehetra ataony? Azonao asiana marika ilay andian-teny izay mampianatra io fotopampianarana io: Ny zavatra rehetra ataon’ny Tompo dia ho tombontsoan’izao tontolo izao.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no manampy anao hampitombo ny finoanao ny Rainao any An-danitra sy manome fiadanana sy fahatokiana anao eo amin’ny fiainana ny fahatakarana fa ny zavatra rehetra ataon’ny Tompo dia ho tombontsoan’izao tontolo izao?

Vakio vetivety ny 2 Nefia 26:25–28, 33, ary asio marika ny teny hoe rehetra, misy, ary tsy misy isaky ny miseho. Dia miverena any amin’ny voalohany indray ary avereno vakina ireo andinin-tsoratra masina ireo ka diniho tsara ireo teny ireo sy ny fomba nampianaran’i Nefia hoe tia ny olona rehetra ny Tompo ary manasa ny rehetra mba hanatona Azy sy hahazo anjara amin’ny famonjeny. Saintsaino hoe inona no fiantraikan’io fitsipika io eo amin’ny fomba fahitanao ny didy sy ireo fitsipika ary ny olona hafa.

  1. Vakio ny 2 Nefia 26:29–31. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa na telo amin’ny endrikendriky ny komiberaky ny mpisorona izay hita ao amin’ny andininy 29, ary valio avy eo ireto fanotaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no manimba ny Fiangonana ny komiberaky ny mpisorona?

    2. Araka ny 2 Nefia 26:30, ahoana no fomba hisorohana ny komiberaky ny mpisorona?

2 Nefia 27:1–23

Naminany ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna i Nefia

Sary
Baiboly amin’ny fiteny maro
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no ahafahantaranao (na nahoana ianao no mino) fa tenin’Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna?

Nambaran’ny Tompo tamin’ny mpaminany Isaia ny antsipiriany mikasika ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna izay noraketin’i Nefia tao amin’ny 2 Nefia 27. Taorian’ny naminanian’i Isaia fa olona maro no ho feno faharatsiana amin’ny andro farany ary handa ny mpaminany dia nampianatra izy fa hamoaka boky ahitana ny rakitsoratra fahiny Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 27:1–7). Vakio ny 2 Nefia 27:12–14, ary tadiavo ny zavatra ampianarin’izany fa ho ataon’ny Tompo mba hanehoana ny fahamarinan’ilay boky izay ho avy amin’ny andro farany.

Ny fomba iray nentin’ny Tompo nanehoana ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna dia ny famelana olona hafa hahita ireo takela-bolamena. Voafidy ho Vavolombelona Telo i Oliver Cowdery sy i David Whitmer, ary i Martin Harris ary noresahina tao amin’ny 2 Nefia 27:12 (Jereo “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” any amin’ny pejy voalohandohan’ny Bokin’i Môrmôna.)

Ilay “vitsivitsy” voalaza ao amin’ny 2 Nefia 27:13 dia ahitana ireo Vavolombelona Valo (jereo “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo” any amin’ny pejy voalohandohan’ny Bokin’i Môrmôna). Asio marika ny andian-teny hoe “vavolombelona maro araka izay heveriny ho mety” ao amin’ny 2 Nefia 27:14. Rehefa mahazo ny Bokin’i Môrmôna ianao ary mizara ny fijoroanao ho vavolombelona dia lasa vavolombelon’ny fahamarinan’io boky io koa ianao. Azonao atao ny manoratra ny anaranao eo akaikin’ny 2 Nefia 27:14 ho toy ny iray amin’ireo vavolombelona fanampiny mikasika ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.

Toy izao no nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo raha nijoro ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna izy:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy na iza na iza amintsika hahazo finoana feno ao anatin’ity asan’ny andro farany ity—ary avy eo hahazo fiadanana tena lehibe amin’izao androntsika izao—raha tsy efa mahafantatra ny maha-avy amin’Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna sy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy Tompo izay momba Azy no ijoroan’izany ho vavolombelona. …

“Mangataka aho mba horaketin’ny olona eto an-tany sy ny anjely any an-danitra ny fijoroako ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny zavatra rehetra fonosin’izany, izay nolazaina androany miaraka amin’ny fianianako sy araka ny anjara fanompoako ao amin’ny fisoronana. … Tiako hazava tanteraka rehefa mijoro eo amin’ny toeram-pitsaran’Andriamanitra aho fa nanambara tamin’izao tontolo izao tamin’ny fiteny tena mivantana faran’izay vitako, fa marina ny Bokin’i Môrmôna ary tonga tamin’ny fomba nolazain’i Joseph fa hahatongavany izany ary nomena mba hitondra fifaliana sy fanantenana ho an’ny mahatoky izay ianjadian’ny olan’ny andro farany” (“Antoka ho an’ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2009, 89–90).

Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanamafisana orina ny finoanao ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra hataonao amin’ity taona ity mba hanamafisana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.

Mba hanatanterahana ity asa atao manaraka ity dia mila mampiasa ny Joseph Smith—Tantara ianao izay ao anatin’ny Voahangy Lafo Vidy. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:63–65, ary tadiavo ao anatin’ilay tantara ireo anaran’olona ireo. Dia vakio avy eo ireo andinin-tsoratra masina asaina vakina ao amin’ny 2 Nefia 27 izay hita ao anatin’ilay tabilao etsy ambany ary ampifandraiso amin’izay andian-tsoratra masina mifanaraka aminy ny anarana tsirairay.

  1. Charles Anthon

  2. Joseph Smith

  3. Martin Harris

Sary
Bokin’i Môrmôna sy ireo endri-tsoratra fahiny

Ny teny hoe endri-tsoratra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:63–65 dia ilazana ireo endri-tsoratra Egyptiana nohavaozina izay nalain’i Joseph Smith sy nadikany avy tamin’ireo takela-bolamena nentin’i Martin Harris tany amin’ny Prôfesora Charles Anthon. I Charles Anthon dia mpampianatra iray tany Columbia College izay fanta-daza tamin’ny fahaizana ireo fiteny fahiny. Taorian’ny nilazany sy nanamarinany fa marina ny dikanteny nataon’i Joseph Smith tamin’ireo endri-tsoratra, dia norovitin’ny Prôfesora Anthon ilay fanamarinana ny dikanteny rehefa nolazaina taminy ny fomba mifono fahagagana nahazoana ireo takelaka. Nanolotra ny tenany mba handika ilay rakitsoratra izy. Rehefa nohazavain’i Martin Harris fa misy tombo-kase ny sasany amin’ireo takelaka dia nilaza izy fa tsy afaka ny hamaky boky misy tombo-kase. Araka ny 2 Nefia 27:16, dia inona no tanjon’i Charles Anthon ka nahatonga azy ho te handika ireo takelaka?

Vakio ny 2 Nefia 27:20–23, ary asio marika ilay andian-teny izay averimberina ao amin’ny andininy 20 sy 21.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nanamafisan’ny fandalinanao ny 2 Nefia 27:1–23 hatreto fa afaka manao ny asany Andriamanitra. (Raha mila fampahalalana fanampiny momba ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna ianao dia jereo ny F&F 20:8–12.)

Azonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity ao anatin’ny soratra masinao: Ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna no iray amin’ireo fomba hoentin’Andriamanitra hanatanterahana ny asa amin’ny andro farany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no fomba hanamafisan’ny fahatanterahan’ny faminaniana fahiny momba ny Bokin’i Môrmôna ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny boky sy ny anjara asany ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Tompo?

2 Nefia 27:24–35

Naminany ny voka-tsoa avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny i Nefia

Sary
I Joseph Smith tao amin’ny Ala Kely Masina

Nifidy tovolahy iray nantsoina hoe Joseph Smith Andriamanitra mba ho mpaminanin’ny Andro Farany ary hitondra ilay asany mahatalanjona amin’ny andro farany. Ilay hoe “asa mahatalanjona” lazaina ao amin’ny soratra masina dia ilay Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay ahitana ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna. Vakio ny 2 Nefia 27:25–26, ary asio marika ny teny hoe “asa mahatalanjona sy mahagaga iray,” ary tadiavo ireo toe-javatra sasantsasany hiseho rehefa hanomboka ny asany mahatalanjona ny Tompo. Eritrereto hoe ahoana no fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Famerenana amin’ny laoniny anao hisoroka ireo toe-javatra ireo.

Vakio ny 2 Nefia 27:29–30, 34–35, ary asio marika ireo fitahiana izay azo noho ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Ny Bokin’i Môrmôna sy ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia hitondra fifaliana sy fahatakarana an-tsaina ho an’ireo izay mandalina sy manaiky izany.

  1. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no nahatonga ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara izay ahitana ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna ho “asa mahatalanjona” teo amin’ny fiainanao?

  2. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 26–27 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro:

Hamoaka printy